Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Satria Mino Aho

Satria Mino Aho

(Salamo 27:13)

Haka:

  1. 1. Enjehina aho fa tony ihany.

    Feon’ny liona izany,

    ’Zay mitady hamiravira.

    Ry foko, mifikira!

    Jehovah manda miaro hatrany.

    (FIVERENANA)

    Tsy hatahotra aho na maizim-pito aza izao,

    Vao mainka aza aho hifikitra aminao.

    Fa tsy jamba ny finoako,

    Mahita aho ato am-poko

    Hoe ianao eo hanatanjaka ahy.

    Satria mino aho...

  2. 2. ’Reo tia anao hatrizay

    Mba voasedra tsirairay.

    ’Zao ’ndray ’zaho aloha no miady;

    Toa hitako io sahady

    ’Lay valisoa homenao anay!

    (FIVERENANA)

    Tsy hatahotra aho na maizim-pito aza izao,

    Vao mainka aza aho hifikitra aminao.

    Fa tsy jamba ny finoako,

    Mahita aho ato am-poko

    Hoe ianao eo hanatanjaka ahy.

    Satria mino aho...

    (TETEZANA)

    Jehovah moa no mijoro eo aloha,

    Ka tsisy hampandositra ahy.

    N’inon-kidona,

    Handresy aho fa manam-pinoana.

    Mahafindra tendrombohitra aho!

  3. 3. Efa ao aoriana kely ao

    ’Lay tany soa vaovao

    Natokanao ho ahy.

    Ry foko, matanjaha

    Fa tsy haharitra ela intsony izao!

    (FIVERENANA)

    Tsy hatahotra aho na maizim-pito aza izao,

    Vao mainka aza aho hifikitra aminao.

    Fa tsy jamba ny finoako,

    Mahita aho ato am-poko

    Hoe ianao eo hanatanjaka ahy.

    Satria mino aho...

    Satria mino aho...

(Jereo koa ny Heb. 11:1-40.)