Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampiasao Hiderana An’i Jehovah ny Herinao

Ampiasao Hiderana An’i Jehovah ny Herinao

Haka:

  1. 1. Tadidinao ve? Ianao io taloha,

    Nazoto erỳ, nafana fo:

    “’Zaho hamaly ’ndray, dia handeha hitory ’zahay.

    Vao manahy, dia hivavaka aho!”

     

    Kanefa izao tsy mora intsony, ianao tsy tony;

    Na dia ny hilaza izay inoanao toa tsy ho vitanao akory.

    F’ianao ange mino hoe: Io ’nie no lalana haleha.

    Jehovah izao miandry anao,

    Ka ny fonao atolory!

    (FIVERENANA)

    Be ny azonao atao, ’zao tanora izao;

    Anao ny safidy.

    Ny hahasambatra anao no iriny, ianao hampiany.

    Harena ho azy ianao,

    Meva, sarobidy.

  2. 2. ’Zay sendra anao koa mitady hitaona foana.

    Ny fitsapana tsy mety lany.

    Mampanahy koa: Ny hoavy hanahoana?

    Ho aiza ihany ’zany fiainanao ’zany?

     

    Jehovah no iresaho, zarao ’zay rehetra ao am-ponao.

    ’Zay afoinao ho azy tsy very maina izany!

    Koa ampiasao ho an’ny Rainao ’zao herinao ’zao,

    Dia ho hitanao any aoriana any

    Fa soa no hiafarany.

    (FIVERENANA)

    Be ny azonao atao, ’zao tanora izao;

    Anao ny safidy.

    Ny hahasambatra anao no iriny, ianao hampiany.

    Harena ho azy ianao,

    Meva, sarobidy.

    (TETEZANA)

    Safidy io ka handroso ianao sa…?

    Saintsaino sy diniho, fa tsy hanenenanao io.

    (FIVERENANA)

    Be ny azonao atao, ’zao tanora izao;

    Anao ny safidy.

    Ny hahasambatra anao no iriny, ianao hampiany.

    Harena ho azy ianao,

    Meva, sarobidy.

    (TETEZANA)

    Diniho ange f’efa be dia be

    No mba hoatr’anay koa, dia sambatra ary afa-po.

    Safidy io ka handroso ianao sa…?

    Saintsaino sy diniho fa tsy hanenenanao io.