Rehefa Lavo dia Mianara

Rehefa Lavo dia Mianara

Haka:

  1. 1. ’Zay rehetra eto an-tany

    Tsisy hoe tsy lavo izany,

    Resy hatrany hatrany

    Fa olombelona ihany.

    Ianao aloha ’zao no voa,

    Nefa atrakao ny loha;

    Dia mianara na tsy zaka,

    Ary avelao i Jehovah hampitraka.

    (FIVERENANA)

    Aza kivy, mitsangàna,

    Fa ny ratsy azo ialana.

    Rehefa lavo dia mianara,

    Ary ovao ny tantara.

    Matokia, eo ilay Ray,

    Ka ny ao am-po aborahy.

    Ny tananao omeo,

    Fa hampiany ianao avy eo,

    Dia hatanjaka indray.

  2. 2. Dia tonga indray ny maraina,

    Ny fonao te hitaraina.

    ’Reny vita rehetra ireny

    Manaraka anao eny.

    Io aloha tsy azo ovana,

    Jehovah azo izarana.

    Ny Teniny eo ka zahao,

    F’hanampy anao sy hanoro hoe ’zao atao.

    (FIVERENANA)

    Aza kivy, mitsangàna,

    Fa ny ratsy azo ialana.

    Rehefa lavo dia mianara,

    Ary ovao ny tantara.

    Matokia, eo ilay Ray,

    Ka ny ao am-po aborahy.

    Ny tananao omeo,

    Fa hampiany ianao avy eo.

    (TETEZANA)

    Tadidio fa ilay Rainao

    Lehibe noho ny fonao.

    Dia tena tiany ianao raha miova

    amin’izao

    Ho olom-baovao.

    (FIVERENANA)

    Aza kivy, mitsangàna,

    Fa ny ratsy azo ialana.

    Rehefa lavo dia mianara,

    Ary ovao ny tantara.

    Matokia, eo ilay Ray,

    Ka ny ao am-po aborahy.

    Ny tananao omeo,

    Fa hampiany ianao avy eo.

    Dia hatanjaka indray.

    Olom-baovao amin’izay!