Mahery Satria Tsy mba Irery

Mahery Satria Tsy mba Irery

Haka:

  • (FAMPIDIRANA)

    ’Ndao hanandra-peo hihira;

    Hiara-hidera an’i Jehovah!

  1. 1. Isika anie iray ihany;

    Samy omeny an’ilay fahazavany;

    Dia iray saina, iray fo,

    Miara-manompo ny Ray avokoa.

     

    Na inona hiseho,

    Ny fonao toneo;

    Tsy irery ianao fa ’zahay eo.

    (FIVERENANA)

    Iray ihany isika, fianakaviana iray.

    Iray ihany isika, iray mandrakizay.

    Tsy misy hoe avela any, mifampiahy hatrany.

    N’inon’inona àry hanjo, mahery aho satria aho tsy irery.

  2. 2. Samy hafa fiaviana isika;

    Dia samy hafa na tarehy na bika;

    Mba tsy mitovy izay tiana,

    Kanefa mifankatia, mahavariana.

     

    Ka na aiza haleha,

    Rahalahy be dia be,

    ’Zay tia foana, tia manome.

    (FIVERENANA)

    Iray ihany isika, fianakaviana iray.

    Iray ihany isika, iray mandrakizay.

    Tsy misy hoe avela any, mifampiahy hatrany.

    N’inon’inona àry hanjo, mahery aho satria aho tsy irery.

    Iray ihany isika, iray ihany!

    (FIVERENANA)

    Iray ihany isika, fianakaviana iray.

    Iray ihany isika, iray mandrakizay.

    Tsy misy hoe avela any, mifampiahy hatrany.

    N’inon’inona àry hanjo, mahery aho satria aho tsy irery.

    Tsy irery aho ka mahery!

    Tsy irery aho ka mahery!