Fiadanana Ihany Eran-tany! (Hira Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2022)

Fiadanana Ihany Eran-tany! (Hira Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2022)

Haka:

  1. 1. Raha ny manodidina ahy,

    Toa manjombon-dava:

    Korontana sy fahoriana.

    ’Zaho ’ndray ’nefa mino,

    Tsy ho ela io dia hisava,

    Hazava ny andro, hibaliaka.

    (FIVERENANA)

    N’aiza n’aiza eto an-tany,

    Tony tsisy ahiahy,

    Hilamin-tsaina hatrany.

    Ny any an-tampon-kavoana,

    Ny any an-dohasaha,

    Ho fiadanana ihany

    Eran-tany.

  2. 2. Rehefa hisolo vaovao

    ’Zao rehetra izao,

    Dia hifankatia ny olona ao;

    Ka ’zay eto an-tany

    Sy ny any an-danitra any,

    Dia hiadana tsisy hoatr’izany!

    (FIVERENANA)

    N’aiza n’aiza eto an-tany,

    Tony tsisy ahiahy,

    Hilamin-tsaina hatrany.

    Ny any an-tampon-kavoana,

    Ny any an-dohasaha,

    Ho fiadanana ihany

    Eran-tany.

    (FIVERENANA)

    N’aiza n’aiza eto an-tany,

    Tony tsisy ahiahy,

    Hilamin-tsaina hatrany.

    Ny any an-tampon-kavoana,

    Ny any an-dohasaha,

    Ho fiadanana ihany.

    (FIVERENANA)

    N’aiza n’aiza eto an-tany,

    Tony tsisy ahiahy,

    Hilamin-tsaina hatrany.

    Ny any an-tampon-kavoana,

    Ny any an-dohasaha,

    Ho fiadanana ihany

    Eran-tany,

    Eran-tany!