Mamy ny Mody

Mamy ny Mody

Haka:

  1. 1. Ny onjam-piainana

    Mety hifaoka sy hitondra.

    Natopatopany aho.

    Lasa dify an’ilay Fialofako aho.

    ’Zaho anefa tsy tiany ho very.

    Jehovah miahy, mitady, mijery.

    (FIVERENANA)

    Dia hitany aho, nalainy dia notrotroiny.

    Narovany aho, nentiny nody dia tony.

    Tafaraka amin’ny havako aho, tsy irery, tsy mba nafoy.

    Tsisy mamy noho izany, ’zany hoe mody.

  2. 2. Mbola hafa ihany ny atỳ.

    Mahatamana, tsara erỳ!

    Tafaraka eto avokoa

    ’Reo mifanampy ho tojo ilay tany soa.

    Raha any ho any àry ianao izao,

    Miantsoa fa Jehovah mihaino ny talaho.

    (FIVERENANA)

    Dia iny ianao fa halainy dia hotrotroiny.

    Hampiany ianao, ho falifaly indray dia ho tony.

    Dia hiaraka amin’ny havanao, ho voaro, tsy irery intsony.

    Aza manahy mihitsy fa modia.

    (TETEZANA)

    Ho faly izahay

    Handray anao: “Tonga soa

    Eto anilanay!”

    Dia faly anie ’zahay fa hoe

    Nody ianao.

    Tonga soa!

    (FIVERENANA)

    Dia iny ianao fa nentiny dia notrotroiny.

    Nampiany ianao, ka falifaly dia tony.

    Tafaraka amin’ny havanao.

    Tsisy mamy noho izao

    Hoe tafody.