“Tsy ho Tara Izany”! (Hira Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2023)

“Tsy ho Tara Izany”! (Hira Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2023)

(Habakoka 2:3)

Haka:

  1. 1. Ny asa tananao tena nokalina,

    Endrey ny hatsarany! Fa kanto, mahasondriana.

    Simba izao ny tany, fa tsy miova ianao.

    Maharitra miandry, hanova azy ho vaovao.

    (FIVERENANA)

    Ray ô, tsy andrinay ’zay paradisa izay,

    Mba ampio ’zahay hahay hiandry.

    Fa ho toy ny masoandro miposaka isan’andro,

    ’Lay andronao ho avy ihany,

    Dia “tsy ho tara izany”!

  2. 2. Mba rahoviana ihany ilay andro iray

    Hiantsoanao ny maty, dia ireo maminay?

    Hainay f’ianao koa manina azy ireo,

    Ampio ’zahay hiandry, ny fonay re toneo.

    (FIVERENANA)

    Ray ô, tsy andrinay ’zay paradisa izay,

    Mba ampio ’zahay hahay hiandry.

    Fa ho toy ny masoandro miposaka isan’andro,

    ’Lay andronao ho avy ihany,

    Dia “tsy ho tara izany”!

  3. 3. Dia hatramin’izao, mbola taominao

    ’Zay kivy any ho any, mangetaheta anao.

    Ilay vaovao tsara hotorinay koa,

    ’Zahay tsy ho variana, ho akaiky anao kokoa.

    (FIVERENANA)

    Ray ô, tsy andrinay ’zay paradisa izay,

    Mba ampio ’zahay hahay hiandry.

    Fa ho toy ny masoandro miposaka isan’andro,

    ’Lay andronao ho avy ihany,

    Dia “tsy ho tara izany”!

    Ray ô, ampio ’zahay mba hiandry!

(Jereo koa ny Kol. 1:11.)