Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Vaovao ny Tany

Ho Vaovao ny Tany

Haka:

  1. 1. Vao maraina ny andro, siokam-boronkely, ’zay no reko manako any.

    Dia mampitony ahy ’lay rano mikoriana.

    Tsy hoe nofy izao na sary.

    Mitsiky ho azy ianao mahita ’reo olon-tianao.

    Jehovah anie no nanome ’zao rehetra izao.

     

    Efa tsy andry io andro io hilazako hoe

    (FIVERENANA)

    ’Ndao mba hiara-hankafy, dia ’zay lasa avelao hivalona any,

    Fa Jehovah no hitahy satria ’zay no efa fikasany,

    Hoe vaovao ny tany.

  2. 2. Manomboka eo dia fiainam-baovao, dia ny tany hohatsaraina.

    Samy afa-po ny olon-drehetra tazanao, zava-kanto no hohiraina.

    Ho feno fifaliana avokoa vao tafahaona.

    Na ny tomany aza tsy hisy ’ntsony, toa fety foana. Faly foana.

    (FIVERENANA)

    Am’izay dia hiara-hankafy, dia ’zay lasa avelao hivalona any,

    Fa Jehovah no hitahy satria ’zay no efa fikasany:

    Ho vaovao ny tany.

    (TETEZANA)

    Matokia hoe: ‘’Zay no lovan’izay mino, ka banjino.’

    Aza hadino, ’lay loka miandry anao, efa ao akaiky ao.

    (FIVERENANA)

    Am’izay dia hiara-hankafy, dia ’zay lasa avelao hivalona any,

    Fa Jehovah no hitahy satria ’zay no efa fikasany.

    (FIVERENANA)

    Dia mba hiara-hankafy, dia ’zay lasa avelao hivalona any,

    Fa Jehovah no hitahy satria ’zay no efa fikasany:

    Ho vaovao ny tany.

    (FAMARANANA)

    Am’izany, am’izany

    Vaovao ny tany.

    Am’izany, am’izany

    Vaovao ny tany.

    Am’izany, am’izany

    Vaovao ny tany.

    Am’izany, am’izany

    Vaovao ny tany.