Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vaovao An-tsary — Mba Firy Amin’izy Io Tokoa moa no Tena Vaovao?

Vaovao An-tsary — Mba Firy Amin’izy Io Tokoa moa no Tena Vaovao?

Vaovao An-tsary — Mba Firy Amin’izy Io Tokoa moa no Tena Vaovao?

Nisy antokon’olona mpanara-maso ny fampitam-baovao namakafaka ny votoaty sy ny fomba nampisehoana ireo vaovao an-tsary 102 tany amin’ny faritra an-tanàn-dehibe 52 tany Etazonia. Hitan’izy ireo fa ny 41,3 isan-jaton’ny fandaharana monja no nirakitra vaovao. Inona no mahaforona ny sisa amin’ilay filazam-baovao?

Amin’ny antsalany, dia ny dokambarotra no mameno ny 30,4 isan-jaton’ny fotoana andehanan’ny vaovao an-tsary eo an-toerana. Raha ny marina, ny sasany tamin’ireo foibe nanaovana fanadihadiana dia nanokana fotoana bebe kokoa ho an’ny dokambarotra noho ny ho an’ny vaovao. Ankoatra izany, dia matetika no feno zavatra tsy dia manao ahoana loatra ny fotoanan’ny fampahalalam-baovao, hoy ilay tatitra, rehefa namintina ny vokatr’ilay fandinihana. * Nosokajin’ilay tatitra teo ambanin’ny lohateny hoe “Zavatra Tsy dia Manao Ahoana Loatra” “ny fotoana lava be mandritra ny fampahalalam-baovao lany amin’ny resadresaka ifanaovan’ireo mpilaza vaovao, ireo dokambarotra sy fampahafantarana kely mialoha ireo vaovao haseho, ireo tsetsatsetsa tsy aritra tetsy sy teroa, ary ireo zavatra mahakasika olo-malaza”. Izao no santionany amin’ny vaovao tsy dia manao ahoana loatra: “Fifaninanana Nahatsiravina teo Amin’ireo Mpihira Feo Faha-3”, “Mpanangom-baovao Nanao Dia Nampahatahotra sy Tsy Nampino ary Nahatalanjona, Nitaingina Lamasinina Miaka-midina Be”, ary ny hoe “Maro Kokoa ny Olona Mividy Zavatra Fanosotra Amin’ny Mofo any Amin’ireo Magazay Lehibe”.

Fitantarana inona avy no mahaforona ny tena vaovao? Ireo fitantarana heloka bevava no mibahana ao amin’ny vaovao an-tsary, ka mahafaoka ny 26,9 isan-jaton’ny fotoanan’ny fampahalalam-baovao. “Mbola marina foana ao amin’ny vaovao an-tsary eo an-toerana ny hoe: ‘Raha misy fandatsahan-dra ilay izy dia tena mahaliana ny olona’ (...) Mety ho nidina ny tahan’ny heloka bevava manerana an’i Etazonia nandritra ireo taona faramparany, fa tsy ny tao amin’ny vaovao an-tsary eto an-toerana.” Nahoana? Araka ny voalazan’ireo nanao ilay fandinihana, dia “mampihetsi-po lalina ireo fisehoan-javatra misy fanaovana heloka bevava ka manintona ny sain’ny olona”.

Manarakaraka ny heloka bevava ny fitantarana ireo loza toy ny hain-trano sy ny lozam-piarakodia sy ny tondra-drano ary ireo fipoahan-javatra (12,2 isan-jaton’ny vaovao), izay arahin’ny vaovao ara-panatanjahan-tena (11,4 isan-jato). Manaraka izany dia eo ny vaovao momba ny fahasalamana (10,1 isan-jato), momba ny fitondram-panjakana (8,7 isan-jato), ary momba ny toe-karena (8,5 isan-jato). Tsy asiam-piheverana firy ny foto-kevitra toy ny fampianarana, ny tontolo iainana sy ny zavakanto ary ny siansa (1,3 ka hatramin’ny 3,6 isan-jato). Ny filazana ny toetran’ny andro kosa anefa etsy an-danin’izany, dia maka, amin’ny antsalany, 10 isan-jaton’ny filazam-baovao manontolo. “Samy tia miresaka ny amin’ny toetran’ny andro ny olona, ary tsy maningana amin’izany ny vaovao an-tsary”, hoy ny fanazavan’ireo mpikaroka. Nanampy teny toy izao izy ireo: “Afaka manalava ny vaovao an-tsary ny fanazavana momba ny toetran’ny andro, na tsara izy io na ratsy, na mafana na mangatsiaka, na manorana na maina.”

Lafiny tsara iray lazain’ilay tatitra ny hoe mihamitombo isa ireo mpanao gazety sy mpijery tele mahatsapa fa ilaina ny fiovana. Miaiky anefa ilay fandinihana fa tsy ho tonga mora foana izany fiovana izany, satria “mety handrahona ny hatsaran’ny asan’ny mpanao gazety foana ny fitsiriritana tafahoatra sy ny herin’ny tsenam-barotra”.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ilay tatitra hoe Not in the Public Interest—Local TV News in America (Tsy Mahaliana ny Vahoaka — Vaovao An-tsary eto Amerika) no fanadihadiana isan-taona fahefatra natao tao amin’ilay firenena mba handinihana izay raketin’ireo vaovao. Nanambatra azy io ny Dr. Paul Klite sy ny Dr. Robert A. Bardwell ary i Jason Salzman, avy ao amin’ny Rocky Mountain Media Watch.