Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Indray Mandingana dia Mety Hahafaty

Indray Mandingana dia Mety Hahafaty

Indray Mandingana dia Mety Hahafaty

“Indraindray aho dia manonofy hoe manana tongotra roa indray. (...) Taona maro lasa mantsy izay, fony aho tena mbola kely, dia nandeha nilalao niaraka tamin’ny namako teo akaikin’ny tranonay aho. Tampotampoka teo, dia nisy zavatra nipoaka mafy be (...) Potika ny tongotro ankavanana iray manontolo.” — Song Kosal, 12 taona, any Kambodja.

Isan’andro, dia olona 70 eo ho eo, amin’ny antsalany, no manjary kilemaina na maty noho ny vanja milevina. Ny ankamaroan’ireo nipoahan’ny vanja milevina dia tsy miaramila, fa sivily — lehilahy miandry omby, vehivavy mantsaka, ary ankizy milalao. I Rukia, valo taona, aseho eo amin’ny fonon’ity gazety ity, ohatra, dia nanjary kilemaina noho ny fipoahan’ny vanja iray, izay nahafaty ny anadahiny telo sy ny nenitoany.

Mbola mety hipoaka foana ny vanja iray, na dia rehefa afaka 50 taona mahery taorian’ny nandevenana azy aza. Araka izany, dia “izy io no hany fitaovam-piadiana mamono olona maro kokoa aorian’ny ady noho ny mandritra ny ady”, hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe The Defense Monitor. Tsy misy mahalala ny isan’ny vanja milevina maneran-tany. Tombanana ho 60 tapitrisa izy ireny, fara fahakeliny, araka ny re matetika. Marina aloha fa efa alana izao ny maro aminy. Vao tamin’ny 1997 anefa, dia nanao tatitra ny Firenena Mikambana fa “isaky ny vanja iray nesorina, dia misy 20 napetraka. Tamin’ny 1994, dia sahabo ho 100 000 no nalana, nefa 2 tapitrisa fanampiny kosa no nalevina”.

Nahoana ny vanja milevina no fitaovam-piadiana tian’ny maro amin’ireo mpitari-tafika indrindra amin’izao andro izao? Inona no vokany ara-toe-karena sy ara-tsosialy? Inona no fiantraikany eo amin’ireo voa nefa tsy maty? Tsy hisy vanja milevina intsony ve ny planetantsika indray andro any?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

© ICRC/David Higgs

Copyright Nic Dunlop/Panos Pictures