Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fanatanjahan-tena Tafahoatra” — Tokony Hanao Izany ... ve Ianao?

“Fanatanjahan-tena Tafahoatra” — Tokony Hanao Izany ... ve Ianao?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

“Fanatanjahan-tena Tafahoatra” — Tokony Hanao Izany Zavatra Mampidi-doza Izany ve Ianao?

“MIHAMARO KOKOA ISIKA AMIN’IZAO ANDRO IZAO NO NAMELA NY SEZAN’NY MPIJERY, KA ISIKA MIHITSY NO MITSAMBIKINA AVY ENY AMIN’NY FIARAMANIDINA, MIDINA TENDROMBOHITRA AMIN’NY TADY, MIFANINANA AMIN’NY FIDINANA RIANDRANO AMIN’NY LAKANA KELY ARY MISITRIKA ANY ANATY RANO MISY ANTSANTSA.” — GAZETY THE WILLOW GLEN RESIDENT.

MAMPISEHO ny fironana iray mihamitombo eo amin’ny fanatanjahan-tena io fanazavana io. Ahitana taratry ny tontolo iray tia misetra loza fatratra ny fihabetsahan’ny mpitia fanatanjahan-tena toy ny fitsambikinana avy eny amin’ny fiaramanidina, ny fianihana tendrombohitra misy ranomandry, ny parapente (fitsambikinana avy eny amin’ny toerana misolampy, amin’ny karazana elon’aina) ary ny BASE jumping. * Ampiasaina mba hanitarana ny fetran’ny mety ho vitan’ny olona iray koa ny snowboards (hazo fisaka ikorisana amin’ny ranomandry, ka asavily amin’ny tongotra na ny vatana), ny VTT (bisikileta tout terrain), ny planches à roulettes (hazo fisaka sy fohy misy kodiarany) ary ny karazana rollers (kiraro misy kodiarany), rehefa miezaka handresy ny tendrombohitra mitsatoka indrindra, ny hantsam-bato avo indrindra ary ny vikina avo indrindra, izy. Araka ny lazain’ny gazetiboky Time, ny fitomboan’ny mpitia “fanatanjahan-tena tafahoatra” — mety hampidi-doza tokoa ny mpandray anjara aminy — dia manasongadina ny fahamaimaizan’ny olona an-tapitrisany maro handray anjara amin’“ilay fetra ara-panoharana, izay itambaran’ny loza sy ny fahaizana ary ny tahotra, ka mahatonga ireo mpilalao amin’ny faran’ny herinandro sy ireo atleta matihanina, hahatsapa fa nihoatra ny fetran’ny mety ho vitany manokana izy”.

Kanefa, sady mihabe mpitia izy io no vidina lafo koa. Tsy mitsaha-mitombo ny olona maratra, rehefa atao tafahoatra ny fanatanjahan-tena azo lazaina fa azo antoka. Nandritra ny taona 1977, tany Etazonia, dia nitombo 33 isan-jato ny isan’ny olona naratra naiditra efitra fitsaboana vonjy aina, noho ny filalaovana skateboard (hazo fisaka misy kodiarana roller), 31 isan-jato, noho ny filalaovana snowboard, ary 20 isan-jato, noho ny fianihana tendrombohitra. Vao mainka aza mampivarahontsana ny vokany amin’ny fanatanjahan-tena hafa, araka ny ahariharin’ny fitomboan’ny olona maty noho ny fanatanjahan-tena tafahoatra. Fantatry ny mpanohana ireny fanatanjahan-tena ireny ny loza. Hoy ny vehivavy iray mandray anjara amin’ny fanaovana skia tafahoatra: “Tsy afaka ao an-tsaiko ny fahafatesana.” Mamintina izany ny mpilalao snowboard matihanina iray, ka milaza fa “matoa ianao tsy maratra, dia mbola tsy miezaka mafy tsara ianao izay”.

Rehefa heverina ireo zava-misy ireo, ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina iray ny fandraisana anjara amin’ny lalao toy ireny? Ahoana no hanampian’ny Baiboly antsika hanapa-kevitra raha tokony hanao fanatanjahan-tena tafahoatra isika na tsia? Hanampy antsika hamaly ireo fanontaniana ireo ny fandinihana ny fihevitr’Andriamanitra ny fahamasinan’ny aina.

Ny fiheveran’Andriamanitra ny aina

Milaza amintsika ny Baiboly fa Jehovah no “loharanon’aina”. (Salamo 36:9). Sady namorona ny olombelona izy no niahy fatratra antsika koa rehefa nanome izay ilaintsika mba hankafizantsika ny fiainana. (Salamo 139:14; Asan’ny Apostoly 14:16, 17; 17:24-28). Ara-dalàna àry ny manatsoaka hevitra fa antenainy ny hiahiantsika izay nomeny antsika tamin-katsaram-panahy tokoa. Manampy antsika hahatakatra izany ny lalàna sy fitsipika nomena ny firenen’ny Isiraely.

Nitaky ny handraisan’ny tsirairay fepetra mba hiarovana ny ain’ny hafa ny Lalàn’i Mosesy. Raha tsy natao izany ka nisy aina nafoy, dia nivesatra trosan-dra ilay olona tokony ho nisakana ilay loza. Ohatra, nodidiana mba hanorina rindrina iva na fefy bara vy iray, antsoina hoe arofanina, manodidina ny tampon’ny tranony vaovao, ny tompon-trano iray. Raha tsy izany, dia nivesatra trosan-dra ilay trano, raha nisy nianjera avy tamin’ny tampon-trano ka maty. (Deoteronomia 22:8). Raha nisy omby iray sendra nanoto olona ka nahafaty azy, dia tsy tompon’andraikitra tamin’izany ny tompony. Kanefa raha efa fantatra kosa fa nampidi-doza ilay omby, ary nampitandremana ny tompony, nefa tsy niambina ilay omby araka ny tokony ho izy ka nanoto olona ilay omby, dia nivesatra trosan-dra ka novonoina ny tompon’ilay omby. (Eksodosy 21:28, 29). Koa satria sarobidy amin’i Jehovah ny aina, dia ahitana taratry ny fanajana lalina ny fitsimbinana sy ny fiarovana ny aina ny Lalàny.

Takatr’ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky fa mihatra amin’ny fisetrana loza ho an’ny tena manokana koa ireny foto-pitsipika ireny. Ao amin’ny fitantarana ara-baiboly iray, dia nilaza ny faniriany ‘hisotro rano avy amin’ny fantsakana ao Betlehema’ i Davida. Teo ambanin’ny fifehezan’ny Filistinina i Betlehema tamin’izay. Raha vantany vao nahare ny fangatahan’i Davida ny telo tamin’ny miaramilany, dia niditra an-keriny tao amin’ny tobin’ny Filistinina, ka nanovo rano tao amin’ny fantsakana tao Betlehema, ary nitondra izany ho an’i Davida. Nanao ahoana ny fihetsik’i Davida? Tsy nety nisotro ilay rano izy, fa nandraraka izany kosa tamin’ny tany. Hoy izy hoe: “Sanatria amiko eo anatrehan’Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? Fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin’ny nakany ity.” (1 Tantara 11:17-19). Tsy azon’i Davida nosaintsainina mihitsy ny hampidi-doza ny ain’olona iray ho fahafaham-pony manokana.

Nitovy tamin’izany ny fihetsik’i Jesosy, rehefa nalain’ny Devoly fanahy izy, azo inoana fa tao amin’ny fahitana iray, ka nasainy nianjera avy teny amin’ny tampon’ny tempoly, mba hahitana raha hiaro azy tsy haratra ny anjely. Namaly toy izao i Jesosy: “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao”. (Matio 4:5-7). Eny, samy nanaiky i Davida sy i Jesosy fa ratsy teo imason’Andriamanitra ny misetra loza tsy amin’ny antony, izay mety hampidi-doza ain’olona.

Raha mby ao an-tsaina ireo ohatra ireo, dia mety hanontany tena isika hoe: ‘Aiza no hanavahana mazava ny atao hoe fanatanjahan-tena tafahoatra na mampidi-doza? Koa satria azo itarina ho tafahoatra na dia ny fialam-boly mahazatra izay tsy mampidi-doza aza, ahoana no hamaritana hoe hatraiza no fetra?’

Mendrika ny hanaovana vivery ny aina ve?

Hanampy antsika hamantatra ny valiny ny fandinihana amim-pahatsorana izay zavatra rehetra mety hoeritreretintsika hatao. Azontsika atao ny manontany tena toy izao, ohatra: ‘Firy isan-jato ny loza mety hitranga amin’ity fanatanjahan-tena ity? Manana ny fampiofanana sy ny fitaovam-piarovana ilaina hisorohana ny ratra ve aho? Inona no ho vokany raha mianjera aho, raha diso tombana ny tsambikina iray, na raha tsy mandeha ny fitaovam-piarovako? Ho voina kely fotsiny ve izany, sa mety ho ratra mafy na fahafatesana mihitsy?’

Ny fisetrana loza tsy amin’ny antony, satria fotsiny hoe miala voly, dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisana sarobidy ananan’ny Kristianina marina iray amin’i Jehovah, ary koa amin’ny fahafenoany fepetra ho amin’ny tombontsoam-panompoana manokana ao amin’ny kongregasiona. (1 Timoty 3:2, 8-10; 4:12; Titosy 2:6-8). Mazava fa na rehefa miala voly aza ny Kristianina, dia fahendrena ny hiheverany fa masina ny aina eo imason’ny Mpamorona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ny hoe BASE dia fanafohezana ny hoe trano, antenne, velaran-tetezana sy tany, amin’ny teny anglisy. Heverina ho mampidi-doza aoka izany io fanatanjahan-tena io, dia ny fitsambikinana amin’ny elon’aina avy amin’ny toerana voafaritra tsara toy ny trano, tetezana ary hantsam-bato, ka raran’ny National Park Service, any Etazonia.