Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Ravinkazo eo Amin’ilay Tranon-kala!

Misy Ravinkazo eo Amin’ilay Tranon-kala!

Misy Ravinkazo eo Amin’ilay Tranon-kala!

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

HITANAO ve io ravinkazo maina sy mihorona tsara io? Jereo fa mihantona eo amin’ny tranon-kala ilay izy. Raha vao jerena ilay ravinkazo, dia toy ny hoe nentin’ny rivotra nankeo amin’ilay tranon-kala. Misy zavatra mampiavaka azy io anefa.

Tsy inona akory io ravina io, fa trano hafakely ipetrahan’ny hala iray, izay zavaboary tena mahavariana, noho ny fahaizany mampihorona ravinkazo. Io hala io ihany no fantatra ho mipetraka anaty ravinkazo, izay nahorony sy nofenoiny landy. Landy koa no hanaovany tranon-kala. Izay ravinkazo sendra entin’ny rivotra mankeo amin’ilay tranon-kala ve no ampiasainy? Mety ho izany no fahitana azy. Rehefa dinihina akaiky anefa, dia hita fa tsy izany no izy. Mifidy tsara ny ravinkazo ampiasainy ilay hala, angamba amin’ireo latsaka eo amin’ny tany. Ahorony aloha ilay ravinkazo, ary petahany landy mba tsy hivaha.

Tsy ravinkazo ihany anefa no anaovany trano. Matetika ireo hala any ivelan’ny tanàn-dehibe no mampiasa sombina gazety, baoritra maivana, na tapakila tsy ilaina intsony. Mety hampiasa hatramin’ny akorana sifotra mihitsy aza izy mba hipetrahany. Nisy aza hala nampiakatra akorana sifotra avo enina heny noho ny lanjany, ho eny amin’ny tranon-kalany!

Andeha hojerentsika izao raha ao anatin’ilay trano ravinkazo ilay hala. Aleo hokapohintsika kely ilay ravinkazo. Iny izy iny! Hitanareo ve? Misy hala kely miloko tsara tarehy mivoaka avy ao anatin’ilay ravinkazo ary midina amin’ny landy mankeny amin’ny tany. Aza matahotra fa tsy maninona izy! Tsy mampidi-doza io karazana hala io, na dia mety hokekeriny kely aza ny rantsantananao raha tazoninao mafy loatra izy.

Miala sasatra ao anatin’ilay trano ravinkazo izy matetika, mandritra ny andro. Ho hitanao mamitsaka eo amin’ny fidirana kosa izy amin’ny alina, satria amin’izay no be bibikely mivoaka. Afaka manara-maso tsara ny tranon-kalany izy eo. Ataony eo ambonin’ny iray amin’ireo landy ny tongony iray. Mampifandray an’ilay ravinkazo amin’ny faritra afovoan’ilay tranon-kala io landy io. Raha vao misy bibikely voasaringotr’ilay tranon-kala, dia mihazakazaka haingana mankeny ilay hala. Tsy avelany hihetsika ilay bibikely, ary hohaniny avy eo.

Iray monja amin’ireo zavaboary mahavariana eto amin’ny kirihitr’alan’i Aostralia io bibikely mahay manao trano sy mamoron-kevitra io.