Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ahaizako Mifidy Clip?

Ahoana no Ahaizako Mifidy Clip?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Ahoana no Ahaizako Mifidy Clip?

“Ovako ny fandaharana, raha vao mampiahiahy ny anarana tarika na hira handeha eo.”—Casey.

TENA MAHAFINARITRA ny tanora maro ny clip. Clip maro anefa no misy sary vetaveta mahatsiravina sy feno herisetra, araka ny nasehon’ilay lahatsoratra teo aloha. * Tsy tokony hijery fandaharana mampiseho zavatra lazain’Andriamanitra fa ratsy mihitsy ny Kristianina. Tsy ny clip rehetra anefa no mampiharihary sary vetaveta. Mety tsy hampaninona ny sasany. Ny hafa indray mety tsy hampiharihary herisetra. Tena mety hampita an-kolaka hevitra mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa ny clip toy ireny.

Mila mahay mifidy ianao, raha avelan’ny ray aman-dreninao hijery clip. Mila mampiasa ny ‘sainao’ voataiza araka ny Baiboly koa ianao, mba hahaizanao manavaka izay tsara hojerena sy izay tsy tokony hojerena. (Hebreo 5:14) Inona no toro lalana ara-baiboly hanampy anao hanao izany? Mety hanampy anao ireto andinin-teny sy fanazavana ireto.

Ohabolana 4:23: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” Manana zavatra tena sarobidy aminao ve ianao, toy ny firavaka volamena na radio? Azo antoka fa kajinao sy ataonao tsara toerana izy io. Tsy hapetrapetrakao eny an-dalana mihitsy izy io, na dia vetivety fotsiny aza, sao ho simba na hisy hangalatra. Tena tandremanao tsara izy io. Tsy maintsy manapa-kevitra koa ianao fa hitandrina ny fonao, ka tsy hampidi-doza azy io na dia vetivety fotsiny aza, amin’ny fijerena fandaharana ratsy.

Efesiana 2:1, 2: ‘Ianareo dia efa novelomin’[Andriamanitra], fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana.’ Ny fanahin’izao tontolo izao, na toe-tsainy, no antsoina hoe rivotra eto. Io toe-tsaina io no miteraka fitondran-tena ratsy. Hita taratra amin’ny clip maro io toe-tsaina io, ary mifanohitra tanteraka amin’ny fanahin’Andriamanitra, izay mamokatra toetra tsara toy ny fifaliana sy fiadanana ary fahononam-po, na fifehezan-tena.—Galatiana 5:22, 23.

2 Timoty 2:22: “Mandosira ny filan’ny tanora fanahy.” Mampirehitra ny filana ny fijerena sary vetaveta, na dia vetivety aza. Tanora maro no miaiky fa sarotra aminy ny manadino ireny sary ireny. Mety hamerimberina azy ireny ao an-tsainy mihitsy aza izy ireo. Nilaza toy izao ny tovolahy atao hoe Dave, izay nahita clip nanaitaitra ny filan’ny nofo: “Nieritreritra an’ilay clip foana aho taorian’izay, isaky ny nandre an’ilay hira.” Mety hampitombo ny faniriana hanao firaisana tsy ara-dalàna àry ny fijerena clip toy izany.—1 Korintiana 6:18; Kolosiana 3:5.

Ohabolana 13:20: “Izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” Manontania tena hoe: ‘Hanasa olona mahery setra, mpifandray amin’ny fanahy ratsy, mpimamo, na maloto fitondran-tena ho ao an-tranoko ve aho?’ Toy ny hoe manasa azy ireo ho ao an-tranonao ihany ianao, rehefa mijery azy ireo ao amin’ny televiziona. Mety “hidiran-doza” ve ianao raha manao izany? Hoy i Kimberly: “Nanatrika fiaraha-mikorana aho indray mandeha, ary nahita ankizivavy naka tahaka ny akanjo sy dihy manaitaitra ny filan’ny nofo hitan’izy ireo vao haingana tao amin’ny tele.” Mety ho efa nahita zavatra toy izany koa ianao. Efa manomboka “hidiran-doza” anefa ireny tanora ireny, rehefa manahaka ireo olona tsy manaja ny fitsipik’Andriamanitra. Halaviro mihitsy àry izay rehetra mety ho “fikambanana amin’ny ratsy.”—1 Korintiana 15:33.

Salamo 11:5: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.” Tsy efa toy ny olona ‘mifaly hampidi-doza’ ve ny fahitan’ny hafa antsika, raha mijery ireny clip mampiseho herisetra tsy amin’antony sady manambany olona ireny isika?

Tsy mora ny mifidy

‘Mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa izao tontolo izao’, ka mihasarotra ny mahita fialam-boly tsy voapentimpentin’ny toe-tsain’ity tontolo ity. (1 Jaona 5:19) Mety handefa sary manafintohina maro be ny tele sasany mpandefa clip. Matetika izy ireo no mampita ny toe-tsain’ity tontolo ity ihany, na dia tsy misy fahalotoam-pitondran-tena sy herisetra miharihary aza amin’ny fandaharana alefany. Nisy matihanina amin’ny mozika niresaka momba ny tele malaza iray mpandefa clip. Hoy izy: “Tsy clip tsotra fotsiny intsony no alefan’izy io, fa fomba fiaina mihitsy.”

Toa tsotra ny vahaolana: Ovao ny fandaharana rehefa ratsy ny clip mandeha. Izao anefa ny olana: Mila mitandrina foana ianao, na dia rehefa mijery fandaharana hafa aza. Maro ny fandaharana manasongadina herisetra, zavatra vetaveta, na olona manao fihetsika manaitaitra ny filan’ny nofo. Marina aloha fa mety hanorisory, na hahatezitra mihitsy aza ny hoe, mba hiala voly ny tena, nefa tsy maintsy mivonona hanova fandaharana foana. Efa hitanao koa ilay izy indraindray vao voaovanao ilay fandaharana. Efa miraikitra ao an-tsainao ilay sary maloto amin’izay. Matokia anefa fa hotahin’i Jehovah Andriamanitra ianao rehefa miezaka mitandrina ny fonao.—2 Samoela 22:21.

Misy zavatra hafa afaka manampy anao. Nilaza iray tamin’izany i Casey, voalaza tetsy ambony: “Matetika no aseho eo am-piandohan’ny clip ny anaran’ilay tarika sy ny lohatenin’ilay hira. Manana ny lazany ireny tarika ireny, ka saika fantatrao foana hoe iza no tarika sy hira ampoizina ho ratsy. Noho izany, dia ovako ny fandaharana, raha vao mampiahiahy ny anarana tarika na hira handeha eo. Eo am-piandohany mihitsy.”

‘Aoka ny fonao hisaintsaina ny marina’

Mety hanomboka hilefitra amin’ny zavatra manafintohina ianao, na dia mahafantatra ny toro lalana ao amin’ny Baiboly aza. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fitadiavana fialan-tsiny. (Jakoba 1:22) Milaza ny Baiboly fa ‘misaintsaina ny marina ny fon’ny’ sakaizan’i Jehovah. (Salamo 15:2) Aoka àry ianao ho marina amin’ny tenanao. Aza mamita-tena. Raha eo am-pijerena zavatra mampiahiahy ianao, ka mitady hanamarin-tena, dia manontania tena hoe: ‘Ho faly ve i Jehovah raha mijery an’io aho?’ Tadidio fa matetika tsy ny mamantatra izay tsara sy ratsy no sarotra, fa ny manapa-kevitra hanao izay tsara! Tsy maintsy heverinao ho sarobidy noho ny fandaharana ao amin’ny tele ny fifandraisanao amin’i Jehovah.—2 Korintiana 6:17, 18.

Raha tapa-kevitra ny hifidy tsara izay hojerenao ianao, dia matetika izany no tsy hisy vokany, raha tsy ataonao amin’ny fo manontolo. Mora milefitra mantsy ianao, rehefa tsy hentitra tsara. Miresaka momba ny fanapahan-kevitr’i Joba tsy hanitsakitsaka ny vadiny ny Baiboly. Hoy izy: “Efa nampanekeko ny masoko; koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?” (Joba 31:1) Eritrereto ange e! Nanao fifanekena hentitra tamin’ny tenany i Joba, fa hametra izay hojeren’ny masony. Afaka manao toy izany koa ianao. Manaova fanapahan-kevitra hentitra, na karazana fianianana amin’ny tenanao, fa tsy hijery zava-dratsy ianao. Ataovy mazava ny fetra tsy ho azonao ihoarana. Ataovy antom-bavaka izany, ary aza mivadika amin’ny fanekenao. Azonao atao an-tsoratra mihitsy aza ilay izy, raha manampy anao izany. Raha mila fanampiana fanampiny ianao, nahoana raha miresaka amin’olona be taona kokoa sy azonao itokisana, toy ny ray aman-dreninao?

Nanapa-kevitra ny tsy hijery clip mihitsy ny tanora kristianina sasany, noho ny loza entin’izy io. Na inona na inona fanapahan-kevitra raisinao, dia ampiasao ny saina. Hazòny ho madio hatrany ny feon’ny fieritreretanao. Afaka hiaro tena ianao sady hifandray tsara amin’i Jehovah foana, raha mifidy hatrany fandaharana mahasoa sy mamelombelona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Tokony Hijery Clip ve Aho?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 2003.

[Sary, pejy 12]

Mampita hevi-dratsy ihany ny ‘clip’ sasany na dia tsy ahitana fahalotoam-pitondran-tena miharihary aza

[Sary, pejy 13]

Aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hijery zavatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra