Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afa-po Aho Rehefa Nahalala ny Fahamarinana

Afa-po Aho Rehefa Nahalala ny Fahamarinana

Afa-po Aho Rehefa Nahalala ny Fahamarinana

NOTANTARAIN’I LUCIA MOUSSANETT

ANY an-tendrombohitra avaratrandrefan’i Italia no misy ny faritra mizaka tenan’i Val d’Aoste. Tsy lavitra ny Alpes Soisa sy Mont Blanc, tendrombohitra malaza any Frantsa izy io. Tany aho no teraka, tamin’ny 1941, tany amin’ny tanàna kelin’i Challant St. Anselme.

Dimy mianadahy izahay, ka izaho no zokiny indrindra, ary lahy daholo ny zandriko. Olona nazoto niasa i Neny, sady Katolika nafana fo. Mpivavaka be koa ny fianakavian’i Dada. Masera ny anabaviny roa. Tena nihafy ny ray aman-dreniko mba hahasoa ahy. Nataon’izy ireo, ohatra, izay hianarako tany an-tsekoly. Tsy nisy sekoly tany amin’ilay tanàna kely nisy anay, ka nalefan’izy ireo tany amin’ny kilasimandrin’ny masera aho, tamin’izaho 11 taona.

Nianatra teny latinina sy frantsay ary taranja hafa aho tany. Rehefa feno 15 taona aho, dia nanomboka nisaintsaina tsara hoe ahoana no hanompoako an’Andriamanitra. Nieritreritra aho tamin’izany fa ny nanao masera no tsara indrindra. Tsy nanaiky anefa ny ray aman-dreniko, satria raha lasa masera aho, dia voatery hikarakara irery ny zandriko i Neny. Efa nanantena koa izy mivady fa hahita asa tsara aho rehefa nahavita fianarana, ka ho afaka hanampy ny fianakaviana.

Nampalahelo ahy ny fihetsiky ny ray aman-dreniko, nefa te hanana tanjona tsara aho teo amin’ny fiainana, ka nino fa Andriamanitra no tokony ho loha laharana. Niditra ho masera àry aho tamin’ny 1961.

Ny fiainako tamin’izaho masera

Nianatra ny sata sy fitsipika mifehy ny eglizy aho nandritra ireo volana voalohany nahatongavako tany. Nanao asa nilana herim-batana koa aho. Nanomboka niofana ho masera sy nanao ny akanjo fanaon’izy ireo aho tamin’ny Aogositra 1961. Nangataka koa aho mba hovana hoe Ines ny anarako. Anaran’ny reniko izany. Rehefa nekena ny fangatahako, dia lasa hoe Masera Ines no niantsoana ahy.

Nanao asa nilana herim-batana ny ankamaroan’ny mpiofana ho masera. Izaho kosa nasaina nampianatra tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra, satria afaka nanao izany aho noho ny fianarana vitako. Nanao ny voadiko aho, roa taona taorian’izay, tamin’ny Aogositra 1963, ka lasa anisan’ny Fikambanan’ny Maseran’i San Giuseppe, any Aoste, Italia. Nalefan’io fikambanana io hanohy ny fianarako tany amin’ny Oniversiten’i Maria Santissima Assunta, any Roma aho, tatỳ aoriana.

Nanomboka nampianatra tany amin’ny lise iray tany Aoste aho rehefa vita ny fianarako tany Roma tamin’ny 1967. Nanontaniana aho raha naniry ho tonga talen’ilay lise tamin’ny 1976. Sady nampianatra kilasy sasany àry aho no nanao ny asan’ny tale, ary lasa anisan’ny filan-kevitry ny sekoly nanerana an’i Val d’Aoste.

Ny hanampy ny mahantra no tena faniriako. Tena nampalahelo ahy izy ireny. Nandamina asa fanasoavana isan-karazany àry aho, ka anisan’izany ny fanampiana ireo marary efa ho faty nefa tsy nanana fianakaviana. Nandamina fianarana ho an’ny zanaka mpifindra monina koa aho. Nanome asa sy trano ary fanampiana ara-pitsaboana ho an’ny mahantra koa aho. Niezaka nanaraka ny fitsipika mifehy ny eglizy aho.

Nanaiky ny foto-pinoana katolika aho tamin’izany. Anisan’ireny ny Andriamanitra tokana olona telo sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary ny fomba fijerin’ny Katolika ny fiainana mandrakizay. Nampianarina anay koa tamin’izany fa azo ekena ny fivavahana hafa, ary tokony hihavana amin’izy ireny ny Katolika.

Zavatra sasany hafahafa tamiko

Nisy zavatra sasany hafahafa tamiko anefa tao amin’ny Eglizy Katolika. Alohan’ny hanaovana batisa sy konfirmasiona, ohatra, dia tokony hianatra ny dikan’izany ny ray aman-dreny sy ny zanany. Tsy tonga nianatra akory anefa ny ankamaroan’izy ireo. Ny sasany tonga ihany, fa tsy niezaka nianatra. Ny sasany indray nankany amin’ny eglizy hafa fotsiny rehefa tsy nanaiky hanao ny batisany na ny konfirmasionany ny eglizy iray. Fihatsarambelatsihy sy fombafomba ivelany fotsiny izany tamiko.

Nanontany tena aho indraindray, sady nanontany ny masera hafa koa hoe: “Sao dia tokony hitory ny Filazantsara àry isika, fa tsy hanokan-tena hanao asa hafa?” Izao no valin-tenin’izy ireo: “Efa fitoriana ny asa fanasoavana ataontsika.”

Sarotra tamiko koa ny nino fa tsy maintsy nankany amin’ny mompera aho rehefa hiaiky ny fahotako. Nieritreritra aho fa tokony ho azoko noresahina tamin’Andriamanitra ny zavatra manokana toy izany. Sarotra tamiko koa ny nanaiky fa tsy maintsy ianarana tsianjery sy averimberina ny vavaka. Tsy nino koa aho hoe tsy mety diso ny papa. Nanapa-kevitra aho tamin’ny farany, fa hitazona ny zavatra inoako ho ahy samirery, ary hanohy hanaraka ny fivavahako ihany.

Naniry ny fahalalana avy ao amin’ny Baiboly

Nanaja lalina ny Baiboly foana aho sady naniry hahafantatra izay lazainy. Namaky Baiboly aho isaky ny handray fanapahan-kevitra na hila ny fanampian’Andriamanitra. Namaky Baiboly koa aho, na dia tsy nianatra azy io mihitsy aza izahay tao amin’ny tranon’ny masera. Nanaitra ahy foana ilay tenin’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Isaia 43:10-12 hoe: “Hianareo no vavolombeloko.” Tsy azoko anefa tamin’izany ny tena dikan’ireo teny ireo.

Nianatra teolojia nandritra ny efa-taona aho, tamin’izaho nianatra tany amin’ny oniversite tany Roma, tany antenatenan’ireo taona 1960. I Vatikana no nandamina ilay fianarana sy niantoka ahy. Tsy anisan’ireo boky nianarana anefa ny Baiboly. Nanatrika fihaonam-be maro iraisam-pinoana aho, rehefa niverina tany Aoste. Nanatrika fihaonam-be nalamin’ny antokom-pivavahana sy fikambanana tsy katolika mihitsy aza aho. Vao mainka aho naniry hahalala bebe kokoa ny fampianaran’ny Baiboly. Nisy tsy fitovian-kevitra be mihitsy mantsy teo amin’ireo antokon’olona ireo nefa nihambo ho nampianatra ny Baiboly izy ireo!

Nianatra bebe kokoa momba ny Baiboly

Tamin’ny 1982, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika ny foibe nanaovako asa fanasoavana, ary nanomboka niresaka tamiko momba ny Baiboly. Nahaliana ahy ny fanasany ahy hianatra Baiboly, na dia tena be zavatra natao aza aho. Niteny taminy àry aho hoe: “Tongava any amin’ny sekoliko, ka raha manana fotoana aho, dia afaka miresaka isika.”

Tena nitsidika ahy tokoa izy, nefa tsy ‘nanana fotoana’ mihitsy aho. Taorian’izay, dia fantatra fa voan’ny kansera ny reniko, ka naka andro tsy iasana aho mba hikarakarana azy. Niverina niasa aho taorian’ny nahafatesany tamin’ny Aprily 1983. Tsy nahita ahy intsony anefa ireo Vavolombelona. Tsy ela taorian’izay anefa, dia nisy tovovavy Vavolombelona, 25 taona teo ho eo, nitsidika ahy mba hiresaka momba ny Baiboly. Namaky ny bokin’ny Apokalypsy aho tamin’izany. Nanontaniako àry izy hoe: “Iza ireo 144 000 resahina eto amin’ity Apokalypsy toko faha-14 ity?”

Nampianarina ahy fa mankany an-danitra daholo ny tsara fanahy. Tsy azoko anefa hoe nahoana no toa sarahina amin’ny olon-kafa rehetra any an-danitra ireo 144 000 ireo. Nanontany tena aho hoe: ‘Iza moa ireo 144 000 ireo? Manao inona izy ireo?’ Niverimberina tao an-tsaiko foana ireo fanontaniana ireo. Niezaka nitady ahy foana ilay Vavolombelona, nefa matetika aho no tsy tao an-trano, ka tsy nifankahita tamiko mihitsy izy.

Farany, dia nomen’ilay Vavolombelona an’i Marco, anti-panahin’ny fiangonany, ny adiresiko. Nahita ahy i Marco tamin’ny farany, ny Febroary 1985. Vetivety ihany izahay no niresaka satria be zavatra natao aho. Nifanao fotoana anefa izahay. Nitsidika ahy tsy tapaka izy sy Lina vadiny avy eo, ka nanampy ahy hahatakatra ny Baiboly. Fotoana fohy monja, dia hitako fa tsy avy ao amin’ny Baiboly mihitsy ny foto-pinoana katolika sasany, toy ny Andriamanitra tokana olona telo sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary ny afobe.

Fiarahana tamin’ny Vavolombelona

Tonga dia hitako fa tsy nitovy tamin’ny fivavahana katolika mihitsy ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nandeha nanatrika ny fivorian’izy ireo tany amin’ny Efitrano Fanjakanany aho. Tsy nisy antoko-mpihira fa nihira daholo ny rehetra. Nandray anjara tamin’ilay fivoriana daholo izy ireo avy eo. Hitako koa fa nifampitondra toy ny “mpirahalahy” sy “mpirahavavy” izy rehetra. Tena nifampiahy koa izy ireo. Nanaitra ahy izany rehetra izany.

Nanao ny akanjo fanaon’ny masera aho tamin’izany, rehefa nandeha nivory. Hita mihitsy hoe nihetsi-po ny sasany tamin’ireo Vavolombelona tany amin’ny Efitrano Fanjakana, rehefa nahita ahy. Tena tia ahy ilay fianakaviam-be manontolo, ka faly sy afa-po aho. Arakaraka ny nianarako, dia nanomboka hitako fa tsy nifanaraka tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny maro tamin’ireo fitsipika narahiko hatramin’izay. Tsy lazain’ny Baiboly, ohatra, fa tokony hanao akanjo manokana ny mpanompon’Andriamanitra. Mifanohitra tanteraka amin’izay lazain’ny Baiboly koa ny ambaratongam-pahefana sy ny fisehosehoana be ao amin’ny Eglizy Katolika. Ampianarina ao amin’ny Baiboly mantsy fa tsy maintsy manetry tena ny anti-panahy mitarika eo anivon’ny fiangonana.

Tsapako hoe tsy ho afaka hanaraka ny fivavahako teo aloha intsony aho. Na izany aza, dia toa tsy nety nino aho fa diso ny zavatra ninoako nandritra ny 24 taona. Fantatro tsara anefa fa marina ny zavatra nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa 44 taona aho tamin’izay, ka natahotra rehefa nieritreritra hoe hanomboka fiainam-baovao indray. Ahoana anefa no hahafahako hanakimpy ny masoko tsotra izao, nefa efa hitako ny marina avy ao amin’ny Baiboly?

Fanapahan-kevitra lehibe

Fantatro fa tsy hanam-bola intsony aho raha niala tsy ho masera. Tadidiko anefa ilay tenin’i Davida hoe mbola tsy nisy olo-marina “nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:25) Fantatro koa fa tsy hanana zavatra firy intsony aho. Natoky an’Andriamanitra anefa aho, ka izao no nataoko tao an-tsaina: “Fa inona moa no tokony hatahorako?”

Noheverin’ny fianakaviako fa lasa adala aho. Nahasosotra ahy izany, nefa notadidiko ilay tenin’i Jesosy hoe: “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.” (Matio 10:37) Tetsy an-danin’izany, dia nampahery ahy ny fihetsika tsotra nasehon’ny Vavolombelona. Nanatona ahy izy ireo rehefa nahita ahy teny amin’ny arabe, ary niarahaba ahy, na dia nanao akanjo fanaon’ny masera aza aho. Vao mainka nahatsapa ho akaiky azy ireo aho sady nahatsiaro hoe noraisin’izy ireo ho anisan’ny fianakaviany.

Nankany amin’ny lehiben’ny masera aho, ary nanazava ny antony nanapahako hevitra fa hiala tsy ho masera. Nilaza taminy aho fa azoko naseho azy avy tao amin’ny Baiboly ny antony nandraisako izany fanapahan-kevitra izany. Tsy nety nihaino anefa izy, ary niteny hoe: “Afaka maka manam-pahaizana momba ny Baiboly aho, raha te hahazo izay lazain’ny Baiboly!”

Tezitra be ny Eglizy Katolika noho ny fanapahan-kevitro. Nampangain’izy ireo ho maloto fitondran-tena sy lasa adala aho. Fantatr’ireo olona nahalala ahy anefa fa tsy marina izany. Tsy nitovy ny fihetsiky ny olona niara-niasa tamiko rehefa nandre ny fanapahan-kevitro. Ny sasany nilaza fa be herim-po aho. Ny sasany kosa nalahelo satria nihevitra izy ireo hoe nanomboka ho diso lalana aho. Nisy aza nitsetra ahy mihitsy.

Niala tsy ho anisan’ny Eglizy Katolika aho tamin’ny 4 Jolay 1985. Fantatry ny Vavolombelona ny nanjo an’ireo niala tamin’ny Eglizy, ka nafenin’izy ireo nandritra ny iray volana teo ho eo aho mba hiarovana ahy. Nalain’izy ireo sy nateriny aho rehefa nivory. Niafina aho mandra-pihenan’ny hatezeran’ny olona. Avy eo, dia nanomboka niara-nitory tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho ny 1 Aogositra 1985.

Nanatrika Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’io volana io. Fantatry ny fampitam-baovao hoe niala tsy ho Katolika intsony aho, ka navoakan’izy ireo ny tantarako. Rehefa natao batisa aho tamin’ny 14 Desambra 1985, dia nihevitra ny televiziona sy ny gazety teo an-toerana fa tena nanafintohina ny zavatra nataoko, ka niresaka momba izany indray izy ireo. Nataon’izy ireo izay handrenesan’ny rehetra izay nitranga.

Tsy nanana na inona na inona mihitsy aho rehefa niala tsy ho masera. Tsy nanana asa aho, tsy nanana trano, ary tsy nahazo vola fisotroan-dronono. Nikarakara olona iray nalemy àry aho, nandritra ny herintaona teo ho eo. Tamin’ny Jolay 1986, dia lasa mpisava lalana aho, araka ny iantsoana ny mpitory manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nifindra tany amin’ny toerana iray nisy fiangonana kely vao niforona aho. Nampiasa ny fahaizana efa nananako aho tany ka nampianatra fiteny vahiny tany an-tranon’olona sy nampianatra taranja hafa. Azoko novaovana foana àry ny fandaharam-potoanako.

Fanompoana any an-tany hafa

Koa satria efa nahafantatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly aho, dia naniry hizara izany tamin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Nahay niteny frantsay aho, ka nieritreritra ny hitory tany amin’ny tany afrikanina miteny frantsay. Tamin’ny 1992 anefa, dia nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah teto Albania, izay firenena tsy lavitra an’i Italia. Nisy mpisava lalana vitsivitsy avy any Italia notendrena hanketo, tamin’ny faran’io taona io. Anisan’ireny i Mario sy Cristina Fazio, avy tany amin’ny fiangonana nisy ahy. Nanasa ahy ho any aminy sy hieritreritra ny hanompo teto Albania izy ireo. Rehefa avy nandinika tsara sy nivavaka aho, dia nandao ilay fiainako efa azo lazaina hoe nilamina teo iny, ka nanomboka fiainana vaovao tanteraka indray. Roa amby dimampolo taona aho tamin’izay.

Tamin’ny Martsa 1993 aho no nanketo Albania. Hitako avy hatrany teo am-pahatongavana, fa samy hafa tanteraka amin’ny fireneko i Albania, na dia tsy lavitra aza. Nandeha an-tongotra ny olona na taiza na taiza nalehany. Niteny albaney izy ireo, izay fiteny tsy haiko mihitsy. Nisy fanovana lehibe maro natao teto Albania tamin’izany satria niova ny rafitra ara-politika. Tena naniry hahalala ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly anefa ny olona sady tia namaky teny sy nianatra. Nandroso ara-panahy haingana ny mpianatra Baiboly, ka tena nahafaly ahy izany, ary nanampy ahy ho zatra ny fiainana eto.

Tsy nanana afa-tsy fiangonana iray i Albania, tamin’izaho tonga teto Tirana renivohitra tamin’ny 1993. Mahery kelin’ny 100 monja ny Vavolombelona teto tamin’izany, ary niparitaka nanerana an’i Albania izy ireo. Nisy 585 ny mpanatrika ny fivoriambe manokana voalohany natao teto Tirana, tamin’ny volana Martsa nahatongavako, ary 42 no natao batisa. Tsy nisy azoko izay nolazaina nandritra ilay fivoriambe, nefa nampihetsi-po ahy ny nandre an’ireo Vavolombelona nihira sy ny nahita azy ireo nifantoka tsara. Natao ny volana Aprily ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, ka 1 318 no nanatrika! Nandroso be ny asa kristianina teto Albania nanomboka tamin’izay.

Matetika aho no nitazatazana ny tanànan’i Tirana avy teo amin’ny rihana fahefatra nipetrahako. Nanontany tena foana aho tamin’izany hoe: ‘Rahoviana izahay vao hahavita hitory amin’ireto olona rehetra ireto?’ Nataon’i Jehovah Andriamanitra izay hahatanteraka izany. Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 23 izao eto Tirana. Misy fiangonana 68 sy antoko-mpitory 22 ary Vavolombelona 2 846 izao, manerana an’i Albania. Tao anatin’ny taona vitsy monja dia nisy an’io fitomboana be io! Ankoatra izany, dia 12 795 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2002!

Tena faly aho nandritra izay folo taona izay, satria nanampy olona 40, fara fahakeliny, ho tonga hatramin’ny batisa. Maro amin’izy ireny izao no mpisava lalana toa ahy, na manao fanompoana manontolo andro hafa. Nisy antokona mpisava lalana italianina miisa enina notendrena hanampy amin’ny asa eto Albania, rehefa nandeha ny fotoana. Nampianarina teny albaney nandritra ny telo volana ny antoko tsirairay, ka izaho no nasaina nampianatra ny antoko efatra farany.

Tena tezitra ny namako tamin’izy ireo nandre voalohany fa tapa-kevitra ny hiala tamin’ny Eglizy Katolika aho. Nihanalefaka anefa izy ireo tatỳ aoriana, satria hitany fa tony sy milamin-tsaina aho. Faly aho satria lasa manampy ahy bebe kokoa izao ny fianakaviako, anisan’izany ny nenitoako 93 taona, izay mbola masera.

Hatramin’ny nahalalako an’i Jehovah, dia nanampy ahy foana izy tamin’ireo tarehin-javatra maro be nodiaviko! Notarihiny aho mba ho tonga ato amin’ny fandaminany. Rehefa mandinika ny lasa aho, dia tadidiko ny faniriako hanampy ny mahantra, sy ny faniriako hanokan-tena tanteraka hanompo an’Andriamanitra. Misaotra an’i Jehovah àry aho, satria afa-po rehefa nahalala ny fahamarinana.

[Sary, pejy 25]

Fianakaviana albaney nampianariko Baiboly. Vita batisa ny 11

[Sary, pejy 25]

Manompo manontolo andro ny ankamaroan’ireto vehivavy nampianariko Baiboly teto Albania ireto