Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Jehovah no Fampiononana ho Ahy”

“Jehovah no Fampiononana ho Ahy”

“Jehovah no Fampiononana ho Ahy”

DIKAN’NY teny filamatra ofisialy nampiasain’ny mpanjakan’i Soeda, Charles IX ireo ambony ireo. Izao no vakiny amin’ny teny latinina: “Iehovah solatium meum.” Ny Mpanjaka Charles IX, dia iray tamin’ireo mpanjaka nifandimby tany Soeda nanomboka tamin’ny 1560 ka hatramin’ny 1697. Nanoratra ny anaran’​Andriamanitra tamin’ny teny hebreo na latinina teo amina vola madinika sy meday ary teny filamatra ireo mpanjaka ireo. Nanangana ny Vondron’ny Mpanjaka Manompo An’i Jehovah koa i Charles IX. Niambozona rojo nantsoina hoe rojon’i Jehovah izy tamin’ny andro nanaovana azy ho mpanjaka tamin’ny 1607.

Inona no nahatonga ireo mpanjaka ireo hanao izany? Mino ny manam-pahaizana fa nanan-kery teo amin’izy ireo ny fivavahana kalvinista, izay nanjaka tany Eoropa tamin’izany fotoana izany. Nanaja ny Baiboly koa izy ireo. Azo inoana fa nahafantatra tsara ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah amin’ny teny latinina izy ireo, satria mpanjaka nahita fianarana ambony nandritra ny Renaissance. Tsy maintsy hitan’ny sasany tamin’izy ireo koa fa an’arivo no nisehoan’ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly hebreo tany am-boalohany.

Betsaka ny porofo manamarina fa hita matetika teo amin’ny vola madinika, meday, tranom-panjakana, ary fiangonana tany amin’ny faritra samihafa tany Eoropa ny anarana hoe Jehovah, nandritra ny taonjato faha-16 sy faha-17. Hita àry fa nekena sy nohajaina ilay tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Eksodosy 3:15 hoe: “Jehovah . . . no anarako mandrakizay.”

[Sary, pejy 27]

ROJO SY FAMANTARANA NY VONDRON’NY MPANJAKA MANOMPO AN’I JEHOVAH, 1606, vita tamin’ny volamena, karazana verinia, koartsa mangirana, ary vatosoa

MPANJAKA ERIK XIV 1560-1568

MPANJAKA CHARLES IX 1599-1611 (rahalahin’i Erik XIV)

MPANJAKA GUSTAVE II ADOLPHE 1611-1632 (zanak’i Charles IX)

MPANJAKAVAVY CHRISTINE 1644-1654 (zanak’i Gustave II Adolphe)

[Sary nahazoan-dalana]

Rojo: Livrustkammaren, Stockholm Sverige; vola madinika: Kungl. Myntkabinettet, Sveriges Ekonomiska Museum