Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Vaksiny Vita ho Azy” ny Savony

“Vaksiny Vita ho Azy” ny Savony

“Vaksiny Vita ho Azy” ny Savony

“TSY ny tazomoka, na ny tioberkilaozy, na ny SIDA, no mitana ny laharana faharoa amin’ny aretina mamono ankizy be indrindra maneran-tany, . . . fa ny aretim-pivalanana”, araka ny gazety Toe-karena (anglisy). Mety mbola ho velona ny maro tamin’ireny ankizy ireny amin’izao fotoana izao, raha nanasa tanana tamin’ny savony matetika izy sy ny fianakaviany.

Lazain’ilay gazety fa “afaka mihena 43 isan-jato ny aretim-pivalanana, raha manasa tanana tsara ny olona.” Izany no hitan’ny mpikaroka ao amin’ny Sekolin’i Londres Momba ny Fitandremam-pahasalamana sy ny Fanafody ho An’ny Tany Mafana. “Mety hihena be toy izany koa ny fahavoazan’ny taovam-pisefo, raha manasa tanana tsara ny olona. Io no voalohany amin’ny aretina mpamono ankizy be indrindra. Hita tamin’ny fandinihana natao ho an’ny tafika amerikanina, fa nihena 45 isan-jato ny sery sy ny kohaka, rehefa nanasa tanana indimy isan’andro ny miaramila.” Afaka mividy savony ny ankamaroan’ny fianakaviana any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Koa mety àry ny iantsoana azy hoe “vaksiny vita ho azy”, sady tsy maharary ilay izy!

Mampirisika antsika mba hadio koa ny Baiboly. “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy”, hoy ny 2 Korintianina 7:1. Ny fahadiovantsika ara-panahy no ahin’Andriamanitra voalohany indrindra, kanefa zava-dehibe aminy koa ny fahadiovan’ny vatantsika. (Levitikosy toko 12-15) Mazava ho azy fa tsy manantena antsika ho sarotiny loatra amin’ny fahadiovana izy. Tokony hizatra hanasa tanana foana anefa isika, rehefa avy any an-kabine, na avy manasa na manolo tantin-jaza, na alohan’ny hikarakarana sakafo sy hisakafoanana, sy rehefa fantatsika hoe mety hamindra mikraoba na virosy amin’ny olona isika. Maneho fitiavana kristianina amin’ny fianakaviantsika sy izay rehetra mifanerasera amintsika isika, raha manasa tanana matetika.​—Marka 12:31.