Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihabetsaka ve Ireo Sosotra Noho ny Hetra?

Mihabetsaka ve Ireo Sosotra Noho ny Hetra?

Mihabetsaka ve Ireo Sosotra Noho ny Hetra?

“Na hiasa mafy aza aho dia halaina amiko ihany ny vola azoko.”—Ohabolana babylonianina, 2300 T.K. tany ho any.

“Zavatra roa no tsy azo ialana raha mbola eto an-tany: ny fahafatesana sy ny hetra.”—Benjamin Franklin, mpitondra fanjakana amerikanina, 1789.

MPIVAROTRA i Reuben, ary miasa mafy izy. Efa ho ny ampahatelon’ny karamany anefa, no lany amin’ny hetra, isan-taona. Hoy izy: “Asa izay ampiasan’ny fanjakana ny vola aloako. Mitaky vola be ry zareo, nefa mihakely foana ny ataony ho an’ny vahoaka.”

Tsy afa-miala amin’ny hetra anefa isika, na tiantsika na tsy tiantsika. Hoy i Charles Adams, mpanoratra: “Efa hatramin’ny nisian’ny fiaraha-monina, no nampiasa fomba isan-karazany nitakiana hetra ny fanjakana.” Tsy tia mandoa hetra ny olona matetika, ary misy mihitsy aza mikomy. Hoy ny olona tany Grande-Bretagne, fahiny, rehefa nikomy tamin’ny Romanina izy ireo: “Aleonay maty toy izay velona nefa tsy maintsy handoa hetra foana!” Anisan’ny nampipoaka ny Tolom-bahoaka tany Frantsa koa ny hetran-tsira lafo be, ary maro ny mpamory hetra notapahin-doha tamin’izay. Ny hetra koa no anisan’ny nahatonga ny ady nitakian’i Etazonia ny fahaleovan-tenany tamin’i Angletera.

Tsy mahagaga àry raha mbola betsaka izao no sosotra noho ny hetra. Araka ireo manam-pahaizana, dia matetika no “tsy mahomby” sy “tsy ara-drariny” ny rafitra momba ny hetra, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Noresahin’ny mpikaroka fa misy tany mahantra atỳ Afrika, manana ‘hetra 300 mahery, nefa tsy ho voatantana ara-dalàna mihitsy izany, na ho nahay be aza ny mpiasa. Voahodinkodina mora foana koa ny hetra, satria tsy misy, na tsy miasa araka ny tokony ho izy ny rafitra natao hanangonana sy hanaraha-maso ny fampiasana azy.’ Nilaza ny vaovaon’ny BBC fa “nitaky hetra tsy ara-dalàna”, ny manam-pahefana, tany amin’ny tany iray any Azia. “Nitakiany hetra, ohatra, ny fambolena akondro sy famonoana kisoa. Niditra tamin’ny fanjakana izany vola izany, na namenoan’izy ireo ny paosiny.”

Vao mainka koa sosotra ny olona, noho ny tsy fitoviana eo amin’ny manankarena sy mahantra. Hoy ny gazetibokin’ny ONU, Fanarenana Ani Afrika (anglisy): “Anisan’ny tsy itovian’ny toe-karenan’ny tany mandroso sy an-dalam-pandrosoana ity: Omena vola ny tantsahan’ny tany mandroso, fa itakiana hetra kosa ny an’ny tany an-dalam-pandrosoana. . . . Milaza ny Banky Iraisam-pirenena, fa ny fanohanan’ny fanjakana amerikanina ny tantsaha any aminy fotsiny, dia mahatonga fatiantoka 250 [tapitrisa] dolara eo ho eo isan-taona, ho an’ireo mpanondrana landihazo avy any Afrika Andrefana.” Mety ho sosotra àry ny tantsahan’ny tany an-dalam-pandrosoana, rehefa hakan’ny fanjakana hetra indray ilay vola kely miditra aminy. Hoy ny tantsaha iray any Azia: “Mitaky vola foana [ireo mpitondra], rehefa mandalo etỳ.”

Tsy ela koa izay dia tezitra ny tantsaha tatsy Afrika Atsimo, rehefa noteren’ny fanjakana handoa hetran-tany. Nandrahona ny hitory mihitsy ry zareo tamin’izay. Nilaza ny solontenan’ny tantsaha fa “mahabankirompitra azy ireo” ny hetra, “sady mampitombo ny tsy fananana asa.” Mahatonga herisetra mihitsy indraindray ny fahasosorana noho ny hetra. Hoy ny Vaovaon’ny BBC: “Tantsaha [aziatika] roa no matin’ny polisy, tamin’ny taona lasa, rehefa nilahatra mba hanohitra ny hetra nihoa-pampana, ny tantsaha tao amin’ny tanàna kely iray.”

Tsy ny mahantra ihany akory no sosotra noho ny hetra. Hita tamin’ny fanadihadiana natao tatsy Afrika Atsimo, fa “tsy vonona handoa hetra fanampiny” koa ny mpanankarena, “na dia tsy hanam-bola hikarakarana ny zavatra tena ilain’izy ireo aza ny fanjakana, vokatr’izany.” Naharihary an-gazety ny olo-malaza amin’ny mozika, filma, fanatanjahan-tena, ary politika, izay tsy nahaloa ny hetrany. Hoy ny boky Fihenan’ny Herin’ny Hetra (sy ny Fianjerany?), amin’ny teny anglisy: “Mampalahelo fa ireo olona ambony, sy ireo prezidàntsika [prezidà amerikanina] mihitsy no tsy fakan-tahaka tamin’ny fandoavana hetra, hany ka tsy marisika amin’izany koa ny olom-pirenena tsotra.”

Tsy ara-drariny sy tafahoatra koa angamba ny fahitanao ny hetra. Ahoana anefa no tokony hiheveranao ny fandoavan-ketra? Tena ampiasaina amin-javatra ilaina ve ny hetra? Nahoana matetika no saro-takarina sy toa tsy ara-drariny ny rafitra momba ny hetra? Hanazava izany ireo lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 4]

Mety ho lafo be sy tsy ara-drariny ny hetra takina amin’ny mahantra, atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana

[Sary nahazoan-dalana]

Godo-Foto