Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Anoheranao ny Fanirian-dratsy?

Ahoana no Anoheranao ny Fanirian-dratsy?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ahoana no Anoheranao ny Fanirian-dratsy?

“Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.”—ROMANINA 7:21.

RAHA oharina amin’ny apostoly hafa rehetra, dia i Paoly angamba no tena niezaka nampirisika ny olona hanaraka ny toro lalana ambony mifehy ny Kristianina. (1 Korintianina 15:9, 10) Mbola nilaza tamim-pahatsorana ireo teny eo ambony ireo anefa izy. Tsapany fa nisy ady foana teo amin’ny sainy sy ny fanirian-dratsiny. Efa nahatsapa toy izany koa ve ianao? Iza amintsika tokoa moa no mbola tsy nanao ady anaty toy izany, noho isika zavaboary tsy lavorary?

Tena mafy ny miady amin’ny fanirian-dratsy, ho an’ny olona maro. Misy, ohatra, miady amin’ny filana mafy hanao firaisana maloto. Ny hafa andevozin’ny filokana, sigara sy paraky, zava-mahadomelina, ary toaka. Rehefa mitady ho resin’ny faniriana ratsy sy maloto isika, ahoana no anoherantsika azy ireny? Inona no fanampiana ananantsika? Hifarana ve ny ady amin’ny fanirian-dratsy indray andro any?

Ny fitiavana no tena ahafahana manohitra ny fanirian-dratsy

Nanasongadina ireo didy roa lehibe indrindra tao amin’ny Lalàn’i Mosesy i Jesosy. Intỳ ny voalohany: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Matio 22:37) Tsy ny hampifaly an’Andriamanitra ve no faniriantsika lehibe indrindra, raha tia azy araka ireo tenin’i Jesosy ireo isika? Izany faniriana ara-dalàna izany, dia afaka manampy antsika hiady, na dia amin’ny fanirian-dratsy sarotra ialana indrindra aza! Tena azo atao ny mandresy ny fanirian-dratsy. Kristianina an-tapitrisa mantsy no mahavita manohitra azy io isan’andro. Inona no hanampy anao ho tena tia an’Andriamanitra toy izany koa? Mila misaintsaina sy mankasitraka ny hatsaram-panahiny ianao. Hita eo amin’ny famoronana sy ao amin’ny Baiboly ary amin’ny fifandraisany amintsika tsirairay ny hatsaram-panahiny.—Salamo 116:12, 14; 119:7, 9; Romanina 1:20.

Ny didy lehibe indrindra faharoa notononin’i Jesosy dia hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) Nilaza ny apostoly Paoly fa “tsy manao izay tsy mahamendrika” sy “tsy mitady izay hahasoa ny tenany” ny fitiavana. Manampy antsika hanalavitra ny fitondran-tena rehetra mety hampalahelo ny olon-kafa izany fitiavana tsy mitady valiny izany. (1 Korintianina 13:4-8) Ahoana anefa no ananantsika azy io? Mila mahatakatra izay mahazo ny olon-kafa isika, ary tena mihevitra ny fihetseham-pony sy izay hahasambatra azy mandrakizay.—Filipianina 2:4.

Inona no fanampiana ananantsika?

Nanome antsika fanampiana isan-karazany Andriamanitra, satria fantany fa tena sarotra amintsika ny manao ny tsara. Mampianatra antsika hankahala ny ratsy izy, amin’ny alalan’ny Teniny, dia ny Baiboly. Ampianariny hanaja azy koa isika, satria mahasoa antsika izany. (Salamo 86:11; 97:10) Tantarain’ny Baiboly ny amin’ny olona sasany, nanaiky ho resin’ny fanirian-dratsy, ka nizaka ny voka-dratsy nentin’izany. Nilaza koa i Jesosy fa hanome antsika ny fanahy masina Andriamanitra, raha mangataka azy io isika. Izy io no hery lehibe indrindra eto amin’izao rehetra izao. (Lioka 11:13) Manampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hanao ny tsara izy io. Fanampiana hafa koa ny fifanohanana sy fifampaherezana amin’ny Kristianina hafa. Manohitra fanirian-dratsy toa antsika koa mantsy izy ireo. (Hebreo 10:24, 25) Mahatonga antsika handresy ny fitaoman-dratsy ireo fanampiana rehetra ireo, sady manampy antsika hiezaka hanao ny tsara. (Filipianina 4:8) Tena mandaitra ve anefa izy ireo?

Diniho, ohatra, i Fidel. Nalaza ho mamo lava izy tao an-tanànany. Rehefa avy nisotro izy, dia nifoka sy niloka ary niady tamin’ny olona. Nanampy azy handresy an’ireo fanao ireo ny fianarany Baiboly sy ny fifaneraserany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsara lavitra izao ny fiainany miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany mianadahy.

Mety hisy hanontany hoe: ‘Ahoana anefa raha resy indray aho?’ Nilaza ny apostoly Jaona fa mety hitranga izany. Hoy izy: “Manoratra aminareo momba izany aho, ry zanako malalako, mba tsy hanotanareo. Raha misy anefa sendra manota, dia manana mpanampy any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, ilay marina. Izy no sorona fampihavanana noho ny fahotantsika, nefa tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao manontolo koa.” (1 Jaona 2:1, 2) Manarona ny fahadisoan’ny olona iray tokoa ny soron’i Jesosy, raha mibebaka sy tena miezaka ny hiova izy, mba hampifaliana an’Andriamanitra. Rehefa heverina izany fandaharana izany, moa ve misy olona manana antony marim-pototra tsy iezahana hanao ny tsara?

Ho resy ny fanirian-dratsy

Efa afaka mandresy ny fanirian-dratsy isika, na dia ankehitriny aza, raha miezaka ny ho tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona, ary mandray ny fanampiana omen’Andriamanitra. Manome toky antsika koa ny Teniny fa tsy haharitra mandrakizay ny ady amin’ny fanirian-dratsy. Tsy ho ela, dia ho sitrana tanteraka ara-batana sy ara-panahy ireo mandray ny fanampiana omen’Andriamanitra. (Apokalypsy 21:3-5; 22:1, 2) Hafahana amin’ny fangejan’ny ota sy ny fahafatesana vokatr’izy io, izy ireo. (Romanina 6:23) Tsy hahazo ireo fitahiana ireo kosa ny olona minia manome fahafaham-po ny faniriany maloto sy ratsy.—Apokalypsy 22:15.

Tena mampionona ny mahafantatra fa tsy voatery hiady amin’ny fanirian-dratsy mandrakizay isika. Hesorina tanteraka izy ireny, ka tsy hisy intsony. Hitondra fanamaivanana tokoa izany!