Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahavaha ny Olana ve Ireo Mpitondra Fanovana?

Mahavaha ny Olana ve Ireo Mpitondra Fanovana?

Mahavaha ny Olana ve Ireo Mpitondra Fanovana?

MAHAKIVY ny zava-misy momba ny hosoka, fizahan-tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna, tsindry hazo lena, fitsaboana sy fampianarana tsizarizary, fangataham-bola lava ataon’ny fivavahana, ary fangoronan-karena amin’ny fanimbana ny tontolo iainana. Anisan’ny mahatonga ny olona hitady fanovana koa ireo zavatra ireo.

Fahita saika hatraiza hatraiza ireo mpitondra fanovana, izay miezaka ny hanara-dalàna amin’ny zavatra ataony. Matetika izy ireny no tsy mpanakorontana na mpikomy, sady tsy mahery setra. Mitana toerana ambony eo amin’ny fiaraha-monina ny sasany aminy, ary tapa-kevitra ny hanova zavatra. Ny sasany kosa manery sy mandresy lahatra ny mpitondra mba hanao zavatra sasany.

Mampirisika ny hanovana ny fomba fiasa sasany eo amin’ny fiaraha-monina izy ireo. Tsy manakiana be fahatany fotsiny izy ireo, fa mandroso hevitra hanatsarana zavatra koa. Mety hitaona olona hilahatra an-dalam-be izy na hiteny amin’ny fampahalalam-baovao, mba hampahafantarana ny heviny. Anisan’ny mahasosotra indrindra ny mpitondra fanovana ny hoe tsy misy miraharaha.

Mpitondra fanovana teo amin’ny tantara

Maro ny fanovana nitranga nandritra ny tantara. Hoy ny mpandahateny iray tamin’i Feliksa, mpitondra fanjakana romanina tany Jodia fahiny: “Ny fahaizanao mitsinjo ny hoavy no itondranao fanavaozana [na fanovana] eto amin’ity firenena ity.” (Asan’ny Apostoly 24:2) Nitady izay hanatsarana ny fiainan’ny mahantra koa i Solon, Grika mpahay lalàna, 500 taona talohan’i Feliksa. Manazava ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), fa “namarana ny fahorian’ny mahantra” i Solon.

Betsaka koa ny mpitondra fanovana, teo amin’ny tantaran’ny fivavahana. Nanandrana nanova ny Eglizy Katolika, ohatra, i Martin Luther ary nitarika ho amin’ny fipoiran’ny Fivavahana Protestanta izany.

Nitatra ny fanovana

Mety hitady hanova ny fomba amam-panao koa ny olona sasany. Misy, ohatra, mampirisika ny hanovana ny fomba fiaina. Izany no nitranga tany Alemaina nandritra ny fiandohan’ny taonjato faha-20, tamin’ilay hetsika Fanovana ny fomba fiaina. Noho ny fandrosoan’ny teknolojia dia tsapan’ny olona maro fa lasa mandeha ho azy ny fiainana, ary tsy misy dikany intsony ny maha olona. Notakin’izy ireo àry ny hiverenana amin’ny fomba fiaina mitovitovy amin’ny tany am-boalohany. Nampirisihin’izy ireo ny olona mba ho salama, hivoaboaka, hitsabo tena amin’ny fanafody voajanahary, ary tsy hihinan-kena. Mbola mahazatra ny olona any amin’ny tanàna sasany any Alemaina izao ny fitsaboana amin’ny alalan’ny sakafo, izay fanao niandoha tamin’io hetsika io.

Ahariharin’ny olona sasany koa ny tsy rariny ary tereny hanitsy izany ny fanjakana. Nisy antokon’olona nanohitra ny fanimbana ny tontolo iainana, nanomboka tamin’ny fiandohan’ireo taona 1970, ary lasa fikambanana iraisam-pirenena ny sasany amin’izy ireny. Tsy vitan’ny hoe ahariharin’izy ireo fotsiny ny fanimbana ny tontolo iainana, fa manome soso-kevitra hanatsarana ny toe-javatra koa izy. Betsaka ny lalàna novana, vokatry ny nataon’izy ireo. Anisan’ireny, ohatra, ny lalàna momba ny fanariana ny fako simika any an-dranomasina sy ny fihazana trozona.

Nanova zavatra sasany teo amin’ny Eglizy Katolika Romanina ny Konsily Faharoan’i Vatikana, tamin’ireo taona 1960. Vokatry ny fihetsiketsehana nataon’ny mpivavaka tsotra koa dia nisy fanovana natao teo anivon’ny Eglizy Katolika, tamin’ireo taona 1990. Anisan’ny fanovana notakina, ohatra, ny momba ny fahafahana manambady. Nisy koa niady mba hahafahan’ny vehivavy manao ny asan’ny presbytera, tao amin’ny Eglizy Anglikanina.

Misy koa ny tsy tia fanovana

Tena tsara ny vokatry ny fanovana sasany. Resahin’ny Baiboly fa nisy mpitondra sy olon-kafa maro nampirisika ny hanaovana fanatsarana. Ho vokany dia nisy olona niverina indray tamin’Andriamanitra, nihatsara ny fiaraha-monina, ary nisy koa lasa nankasitrahan’Andriamanitra indray. (2 Mpanjaka 22:3-20; 2 Tantara 33:14-17; Nehemia toko faha-8 sy faha-9) Anisan’ny tena niompanan’ireo fihetsiketsehana natao vao haingana koa ny fahalalahana, ny zon’ny isam-batan’olona, ny zon’ny olombelona, ny zon’ny vitsy an’isa, ary ny zon’ireo enjehina.

Matetika anefa no misy zavatra tsy ampoizina miaraka amin’ny fanovana. Hoy i John Gardner, mpiasam-panjakana: “Anisan’ny zavatra mahatsikaiky indrindra teo amin’ny tantara ny hoe matetika no tsy ampoizin’ireo mpitondra fanovana ny vokatry ny ataony.” Ireto misy ohatra vitsivitsy.

Tiana hokolokoloina ny tany sasany tany amin’ireo firenena anisan’ny Vondrona Eoropeanina, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1980, ka navela ho kijana sy tsy novolena. Tany lonaka maherin’ny 300 000 hektara àry no novana ho kijana, tany Alemaina sy Italia, noho io fomba fitantanana vaovao io. Tsara ny tanjona, saingy tsy noeritreretina mialoha ny mety ho voka-dratsin’ilay fanovana. Hoy ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana: “Noeritreretina hanatsara an’ilay tany io fanovana io, tamin’ny voalohany, nefa misy voka-dratsiny koa. Lasa tsy mampiasa intsony ny fomba fambolena mahazatra mantsy ny tantsaha, ary misy koa lasa mamboly hazo amin’ny fomba tsy ara-dalàna sy eo amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany.”

Hoy koa ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho Fampandrosoana ny Fambolena, raha ny momba ny ezaka natao hanampiana ny mahantra: “Miatrika olana goavana izao ny fandaharana nohavaozina izay natao hanampiana ny mahantra. Tsy mitady afa-tsy ny tombontsoan’ireo mpanankarena mantsy ireo fikambanana najoro ho amin’izany. . . . Mampiasa an’ireny fikambanana ireny ny ‘tremalahy’ eo an-tanàna, mba hamenoana ny paosiny.”

Ohatra hafa koa ny momba ny hetsika ho fiarovana ny zon’ny vehivavy. Nanova ny fiainan’ireo vehivavy tandrefana izany, ka lasa nanan-jo hifidy, ohatra, izy ireo, ary afaka nanao fianarana ambony sy nahazo asa tsara. Ireo mpanohana ny zon’ny vehivavy ihany anefa no miaiky hoe namaha olana sasany io hetsika io, saingy nahatonga ny olana hafa ho saro-bahana. Nanontany i Susan Van Scoyoc, mpanoratra hoe: “Tena nanatsara ny fiainan’ny vehivavy ve isika sa vao mainka nanasarotra izany, raha niady ny hahazoan’izy ireo asa sy karama mitovy amin’ny an’ny lehilahy, nefa tsy nanamaivana ny andraikiny ao an-tokantrano?”

Fanovana tsy mahatratra ny tanjona

Misy mpitondra fanovana koa lazaina fa te hahazo tombony fotsiny. Hoy i Frederick Hess, izay nanao fikarohana momba ny fanovana: ‘Ny karazan’ilay fanovana mihitsy no mahatonga azy tsy hisy vokany. Tsy mitondra vahaolana mantsy izy ireny fa vao mainka aza manasarotra ny toe-javatra.’ Nilaza koa izy hoe: “Mirona hanova zavatra foana ireo fanjakana mifandimby, ka ny eo ihany no miverina rehefa afaka taona vitsivitsy.”

Mety hitera-doza koa ny fanovana sasany. Nivadika ho resaka fanatsarana ny karazan’olombelona, ohatra, ilay hetsika ho an’ny Fanovana ny fomba fiaina tany Alemaina. Nisy ny fifantenana an’ireo ray aman-dreny izay ho afaka hanome taranaka matanjaka kokoa. Nisy olona nafana fo tamin’ny politika anefa nampiasa an’io fahalalana io, mba hanohanana ny Sosialista Nasionaly izay nikasa hamorona karazan’olona ambony noho ny hafa.

Na dia ireo mpanohana mahafatra-po ny fanovana aza dia mety ho diso fanantenana. Nitaraina i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny ONU hoe: “Ny tena mahakivy, araka ny hevitro, dia hoe fantatsika ny zavatra tsy mandeha sy izay tokony hatao, saingy tsy afaka manao na inona na inona isika matetika. Mazàna ny kabinetra tarihin’ny sekretera jeneraly no andrasana hanova zavatra, nefa tsy omena vola ampy hanatanterahana izany. Indraindray koa dia tsy misy te handray andraikitra amin’ny fanairana ny sain’ny olona maneran-tany, rehefa mitranga ny toe-javatra sarotra. Efa fay tamin’ny zava-nitranga taloha mantsy ny olona.”

Tsy maintsy misy foana olona tsy afa-po amin’ny fitakian’ireo mpitondra fanovana. Ao amin’ny gazety Die Zeit, dia nilaza i Jürgen Reulecke, mpampianatra tantara maoderina sady manam-pahaizana manokana momba ireo mpitondra fanovana, fa “tsilo amin’ny nofo foana ireo mpitondra fanovana.” Manara-dalàna sy tsy mahery setra ny ankamaroan’izy ireo. Misy koa anefa tsy mahandry intsony raha mitarazoka ilay raharaha ka lasa mandika lalàna.

Afa-po kokoa amin’ny fiainana ve ny olona, vokatr’ireo fanovana be dia be natao vao haingana? Toa tsy izany no izy. Araka ny fitsapan-kevitra natao tany Alemaina, ohatra, dia tsy miova firy ny salanisan’ireo olona afa-po, tato anatin’ireo 35 taona farany. Ary ahoana ny amin’ny fivavahana? Nitombo isa ve ny mpivavaka, vokatr’ireo fanovana natao? Afa-po kokoa amin’ny fivavahana ve ny mpiangona? Tsia. Miharihary any amin’ireo tany tandrefana fa mihatsy liana amin’ny fivavahana ny olona, ary mihavitsy ireo voasariky ny fivavahana efa nisy hatramin’ny ela.

Mpitondra fanovana ve i Jesosy Kristy?

Mety hisy hilaza fa mpitondra fanovana i Jesosy Kristy. Marina ve izany? Zava-dehibe io fanontaniana io ho an’izay rehetra maniry marina hanompo an’Andriamanitra, satria manara-dia akaiky an’i Kristy izy ireo.—1 Petera 2:21.

Tsy isalasalana fa afaka nanova zavatra i Jesosy. Lavorary izy ka afaka namoron-kevitra hanitsiana sy hanatsarana ny toe-javatra. Tsy nitarika fihetsiketsehana hanonganana an’ireo mpitondra fanjakana sy mpandraharaha mpandray kolikoly anefa izy. Ny tenany mihitsy no lasa niharan’ny didim-pitsarana feno fiangarana, nefa tsy mba nitarika fihetsiketsehana an-dalam-be mba hanoherana ny tsy rariny izy. ‘Tsy mba nanana izay hametrahany ny lohany’ i Jesosy indraindray, nefa tsy notereny ireo niaraka taminy mba hanaitra ny sain’ireo mpitondra ka hanao zavatra ho an’ireo tsy nanam-pialofana. Rehefa nisy nanahy be loatra momba ny resa-bola dia nilaza izy hoe “ho eo aminareo foana ny mahantra.” Tsy nitsabatsabaka tamin’ny raharahan’ity tontolo ity koa i Jesosy.—Matio 8:20; 20:28; 26:11; Lioka 12:13, 14; Jaona 6:14, 15; 18:36.

Tsy hoe tsy nihontsina tamin’ny olana toy ny fahantrana sy ny kolikoly ary ny tsy rariny akory i Kristy. Milaza ny Baiboly fa nalahelo mafy izy nahita ny zava-manjo ny olombelona. (Marka 1:40, 41; 6:33, 34; 8:1, 2; Lioka 7:13) Tokana ihany anefa ny vahaolana noresahiny. Tsy fanitsiana fotsiny akory io noresahin’i Kristy io fa fanovana tanteraka ny fomba fitantanan’ny olona mihitsy. Hitondra izany ny Fanjakana any an-danitra izay naorin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny olombelona, sy hotantanan’i Jesosy Kristy Mpanjaka. Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Anisan’ny zavatra mahatsikaiky indrindra teo amin’ny tantara ny hoe matetika no tsy ampoizin’ireo mpitondra fanovana ny vokatry ny ataony.”—John Gardner

[Teny notsongaina, pejy 7]

“Ny tena mahakivy, araka ny hevitro, dia hoe fantatsika ny zavatra tsy mandeha sy izay tokony hatao, saingy tsy afaka manao na inona na inona isika matetika.”—Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny ONU

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

“Nanao Vivery ny Aiko Aho mba Hiarovana ny Tontolo Iainana”

Efa tantsambo nandritra ny 48 taona i Hans, ary efa kapitenin-tsambo nandritra ny 35 taona mahery. Kapiteny tamin’ny sambo nampiasain’ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana izy taloha kelin’ny tsy niasany intsony. Hoy ny fanazavany:

“Efa hatramin’ny ela aho no nieritreritra fa tokony hanaja ny tontolo iainana sy ny natiora ny olombelona. Nanaiky avy hatrany àry aho rehefa nasaina ho kapitenin-tsambon’ny fikambanana iray mpiaro ny tontolo iainana. Ny hampiharihary ireo loza manambana ny tontolo iainana no asanay. Nitondra mpanao gazety izahay rehefa nanao fampielezan-kevitra, mba hisarihana ny sain’ny olona. Nankany an-dranomasina izahay ary niezaka nisakana ny fanariana fako radiôaktifa sy fako hafa misy poizina. Niezaka nisakana ny famonoana phoque [karazana lambondriaka] koa izahay indray mandeha.”

“Tsy vitan’ny olona saro-tahotra io asa io. Nanao vivery ny aiko aho mba hiarovana ny tontolo iainana. Namikitra tamin’ny vatofantsiky ny sambo aho nandritra ny fihetsiketsehana iray nataonay, ary nivarina tany an-dranomasina niaraka tamin’ilay izy. Nitaingina lakana mandeha maotera koa aho indray mandeha, rehefa nanaraka sambo lehibe iray. Nisy nitoraka tamin’ny vy be anefa ny sisin’ilay izy ka nivadika teny am-pandehanana. Naratra mafy aho tamin’io.”

Tsapan’i Hans tatỳ aoriana fa na dia tsara fikasa aza ilay fikambanana, dia tsy hitondra fiovana maharitra ho an’ny tontolo iainana ny fanaovany vivery ny ainy. (Mpitoriteny 1:9) Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary natao batisa, fotoana fohy taorian’ny nialany tamin’ilay fikambanana. Mpanompo manontolo andro izy izao. Hoy izy: “Takatro avy tamin’ny Baiboly fa ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia, no hany azo antenaina hahavita hikarakara tsara ny tontolo iainana.”

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Niady Mafy mba Hanova Zavatra Izy

Teraka tany Azia i Sara (tsy tena anarany), teo antenatenan’ireo taona 1960. Mbola tovovavy izy rehefa nipoaka ny tolom-bahoaka tany amin’ny taniny. Nampanantena ny hanova ny fomba fitantanana ilay fitondrana vaovao, ary nahafaly ny vahoaka ny fanovana, tamin’ny voalohany. Tsy niherina akory anefa ny taona, dia nanomboka nanenjika an’ireo mpanohitra, ilay fitondrana, toy ny nataon’ny fitondrana teo aloha ihany. Betsaka no diso fanantenana, ary niditra tamin’ny antoko mpanohitra i Sara. Hoy izy:

“Nivory izahay ary nanao fihetsiketsehana ampahibemaso. Nosamborin’ny milisy aho indray andro, raha nametaka afisy tamin’ny rindrina sy nizara taratasy fanasana teny an-dalam-be, tao amin’ny renivohitr’ilay tany. Novotsorana ihany aho tamin’ny farany. Tsy mba toy izany anefa ny sasany taminay. Roa tamin’ireo ankizivavy namako no nosamborina sy novonoina ho faty. Notandindomin-doza ny aiko ka nasain’i Dada nandao an’ilay tany aho.”

Nianatra Baiboly i Sara rehefa tonga tany Eoropa, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Mpanompo manontolo andro izy izao. Hoy i Sara, manao jery todika ny fiainany:

“Nitady ny rariny aho ary nitady izay hamahana ny olana eo amin’ny fiaraha-monina. Nikasa hanao izany koa ilay fitondrana vaovao tany amin’ny tany nisy ahy, saingy nanao zavatra tafahoatra izy io ka nampahory ny vahoaka. Fantatro koa fa tsy afaka namaha ny olana teo amin’ilay firenena ny antoko mpanohitra nisy ahy. (Salamo 146:3, 4) Takatro izao fa ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia, no hamaha tanteraka ny olan’ny olombelona.”

[Sary, pejy 7]

Nianjera ny Rindrin’i Berlin tamin’ny 1989

[Sary, pejy 8]

Nitombo isa ve ny mpivavaka vokatr’ireo fanovana natao?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]

Ambony ankavanana: U.S. Information Agency photo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

Kofi Annan: UN/DPI photo by Evan Schneider (Feb97); eo andamosina: WHO/OXFAM