Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fanovana

Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fanovana

Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fanovana

TSY vahaolana ny fanapahana rantsankazo vitsivitsy, raha ratsy ny voan’ny hazo iray. Tsy maintsy hongotana hatramin’ny fakany io hazo io, ary hazo hafa mamoa voa tsara mihitsy no hambolena.​—Matio 7:16-20.

Mitovy amin’izany ny toe-javatra rehefa miezaka hamaha ny olan’ny fiaraha-monina ireo mpitondra fanovana, izay tena tsara fikasa. Anisan’ireny olana ireny ny kolikoly, ny tsy rariny, ny fahantrana, ary ny fanaovana an-keriny. Lalina kokoa anefa ny fototry ny zava-manahirana. Ny rafitra manontolo mihitsy no mila ovana, ary izany no ampanantenain’ny Baiboly.

Tsy hanavao, na hanamboamboatra, na hanitsy, ny fiaraha-monina misy ankehitriny fotsiny akory ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Hanao zavatra betsaka lavitra noho izany izy. Ho hafa mihitsy ny fomba hitantanany ny raharahan’ny olombelona, ary hampiray tanteraka ny rehetra izy. Anisan’ny hokarakarainy ny momba ny fampianarana, ny asa, ny trano fonenana, ny sakafo, ny fahasalamana, ary ny tontolo iainana.

Hoy ny faminanian’ny Salamo 72:12-14 momba izay hataon’ilay Mesia Mpanjaka ho an’ny olombelona: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy.”

Tsy ny fitondrana ihany no tsy maintsy ovana, raha tiana ho fongotra ny kolikoly sy ny tsy rariny ary ny fahantrana. Tokony hiova koa ny olona. Koa io Fanjakana io àry dia hampianatra ny olona hoe ahoana no hananana fiainana falifaly sy misy heviny ary mahafa-po. Mampanantena ny Baiboly fa hanampy ny olona mba hiova ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana no hanaovany izany?

Hampianatra ny olona handeha amin’ny lalan’i Jehovah Andriamanitra io Fanjakana io, ka hitombo ny finoany sy ny fitiavany. (Isaia 11:9) Voatosika hanao zavatra ny olona rehefa tia an’Andriamanitra. Tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, dia tafaresaka tamin’i Zakaiosy lehiben’ny mpamory hetra i Jesosy. Nangoron-karena tamin’ny hetra tsy ara-drariny notakiny tamin’ny vahoaka io manam-pahefana ratsy toetra io, nefa tsy nanala baraka azy i Jesosy mba hiovany. Nampiany kosa i Zakaiosy hahatsapa ny hadisoany ka hibebaka. Nanosika an’i Zakaiosy hanao zavatra ny fahalalana marina tsara ny toro lalan’Andriamanitra sy ny fitiavana azy, ka niova tanteraka izy.​—Lioka 19:1-10.

Tsy izany ve no fomba tsara indrindra hanarenana ny fiaraha-monina? Marina sy tonga lafatra io fitondrana io, ary sady hikarakara ny raharahan’ny olombelona no handrisika ny tsirairay hiova. Mbola hila fanovana ihany ve isika amin’izany? Tsy hilaina intsony izany, satria hataon’Andriamanitra vaovao ny zava-drehetra, ary ho efa lasa ny zavatra taloha.​—Apokalypsy 21:4, 5.

[Sary, pejy 10]

Tsy hanitsy ny zava-misy fotsiny ny Fanjakan’Andriamanitra fa hitondra fanovana tanteraka mihitsy

[Sary, pejy 11]

Nanampy ny olona hiova i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany