Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Andriamanitra no Mamela Antsika Hijaly?

Nahoana Andriamanitra no Mamela Antsika Hijaly?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Nahoana Andriamanitra no Mamela Antsika Hijaly?

“Sambatsambatra erỳ Andriamanitra any an-danitra any, nefa isika kosa etỳ mijaly.”—Mary. *

TERAKA teo amin’ny tontolo feno fijaliana ny tanora ankehitriny. Toa tsy manaitra intsony ny fandrenesana momba ny horohoron-tany sy ny loza hafa araka ny natiora, izay mamono olona an’arivo. Resahina betsaka ao amin’ny fampitam-baovao ny ady sy ny fanafihan’ny mpampihorohoro. Mamono ny havan-tiantsika ny aretina sy ny herisetra ary ny loza. Ho an’i Mary, voaresaka tetsy ambony, dia nahakasika azy mivantana ny loza. Maty ny rainy, ka izany no nahatonga azy hilaza ireo teny mahery ireo.

Rehefa mahakasika antsika mivantana ny loza, dia ara-dalàna raha diso fanantenana sy malahelo isika, na tezitra mihitsy aza. Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Fa inona no nahatonga izao?’ ‘Fa nahoana no izaho no iharan’izao?’ na ‘Nahoana no amin’izao fotoana izao ilay izy no mitranga?’ Mila valiny mahafa-po ireo fanontaniana ireo. Raha te hahazo izany anefa isika, dia tsy maintsy any amin’izay manana ny valiny marina no manontany. Ekena aloha fa “malahelo loatra” ny olona indraindray, “ka tsy mahavita mandinika tsara momba ilay zava-mitranga”, araka ny tenin’ny tanora iray antsoina hoe Turrell. Angamba tokony hitady fomba hampitonena ny fonao ianao, mba hahafahanao handinika tsara.

Tsy maintsy misy ny fijaliana

Zava-misy tsy azo ialana ny fahafatesana sy ny fijaliana, na dia mety tsy ho tiantsika aza ny hieritreritra an’izany. Nilaza izany tsara toy izao i Joba: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.”—Joba 14:1.

Mampanantena ny Baiboly fa hisy tontolo vaovao “hitoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4) Tsy maintsy miaina ao anatin’ny faharatsiana mbola tsy nisy toy izany anefa ny olombelona, alohan’ny hahatanterahan’izany toe-piainana lavorary izany. Hoy ny Baiboly: “Aoka ho fantatrao izao: Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.”—2 Timoty 3:1.

Haharitra hafiriana io fotoan-tsarotra io? Nametraka fanontaniana nitovitovy tamin’izany ny mpianatr’i Jesosy. Tsy nanome azy ireo ny andro na ny ora voafaritra tsara hifaranan’ity tontolo feno fijaliana ity anefa i Jesosy. Hoy kosa izy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:3, 13) Mampirisika antsika tsy hijery ny zava-mitranga ankehitriny fotsiny ireo tenin’i Jesosy ireo, fa izay mety hitranga any aoriana koa. Tsy maintsy vonona hiaritra toe-javatra mampalahelo maro isika, alohan’ny hahatongavan’ny farany.

Andriamanitra ve no tokony homena tsiny?

Ara-dalàna àry ve raha tezitra amin’Andriamanitra isika noho izy mamela ny fijaliana hisy? Azo antoka fa tsia, satria nampanantena ny hanafoana ny fijaliana rehetra izy. Tsy ara-dalàna koa ny hieritreretana hoe Andriamanitra no mahatonga ny zava-dratsy hitranga. Vokatry ny kisendrasendra fotsiny ny loza maro. Ohatra, aoka hatao hoe nazeran’ny rivotra ny hazo iray, ka nandratra olona. Mety hisy hilaza hoe asan’Andriamanitra izany. Tsy Andriamanitra anefa no nampianjera an’ilay hazo. Hazavain’ny Baiboly amintsika fa noho ny “fotoana sy ny sampona” fotsiny ny zavatra toy izany.—Mpitoriteny 9:11.

Mety ho vokatry ny tsy fananana fahendrena koa ny fijaliana. Aoka hatao hoe misy tanora vitsivitsy misotro toaka be, ary mitondra fiarakodia avy eo. Tratran’ny lozam-piarakodia mahatsiravina izy ireo. Iza no tokony homena tsiny? Andriamanitra ve? Tsia. Nijinja ny vokatry ny tsy fananany fahendrena ireo tanora ireo.—Galatianina 6:7.

Mety hanontany anefa ianao hoe: ‘Nahoana àry Andriamanitra no mbola tsy manafoana ny fijaliana, nefa manana hery hanaovana izany izy?’ Nanontany tena toy izany koa ny lehilahy nahatoky sasany tamin’ny andron’ny Baiboly. Nanontany an’Andriamanitra i Habakoka mpaminany hoe: “Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy?” Tsy tonga dia nanao fanatsoahan-kevitra maimaika anefa i Habakoka. Hoy izy: ‘Hiandry aho hahitako izay holazainy amiko.’ Nanome toky azy Andriamanitra taorian’izay fa hisy “fotoan’andro” hanafoanany ny fijaliana. (Habakoka 1:13; 2:1-3) Tsy maintsy maharitra àry isika, ka hiandry ny fotoan’andro natokan’Andriamanitra hanafoanana ny faharatsiana.

Aza tonga dia manatsoaka hevitra hoe te hampijaly antsika Andriamanitra, na mitsapa antsika. Ekena aloha fa miharihary ny toetra tsara indrindra ananantsika, rehefa mijaly isika. Milaza koa ny Baiboly fa manatanjaka ny finoantsika ny fisedrana avelan’Andriamanitra hisy. (Hebreo 5:8; 1 Petera 1:7) Marina tokoa fa tena lasa manam-paharetana kokoa sy mahay mangoraka kokoa ny olona maro miaritra fisedrana na toe-javatra mampikorontana ny sainy. Tsy tokony hanatsoaka hevitra anefa isika hoe Andriamanitra no nahatonga azy ireny hijaly. Fanaovana tsinontsinona ny fitiavana sy ny fahendreny izany. Milaza mazava ny Baiboly hoe: ‘Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: “Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.” Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.’ Avy aminy kosa aza no ahazoantsika ny “fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.”—Jakoba 1:13, 17.

Nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana hisy?

Avy aiza àry ny faharatsiana? Tadidio fa manana mpanohitra Andriamanitra. Ny tena mpanohitra azy dia ilay “antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” (Apokalypsy 12:9) Napetrak’Andriamanitra tao amin’ny tontolo tsy nisy fijaliana i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany. Nandresy lahatra an’i Eva anefa i Satana fa ho tsara kokoa ny fiainany raha tsy fehezin’Andriamanitra izy. (Genesisy 3:1-5) Nampalahelo fa nino ny laingan’i Satana i Eva, ka tsy nankatò an’Andriamanitra. Niara-nikomy taminy koa i Adama. Inona no vokany? Hoy ny Baiboly: “Niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.”—Romanina 5:12.

Tsy nandringana an’i Satana sy ny mpanara-dia azy avy hatrany Andriamanitra, mba hampitsaharana an’io fikomiana io. Hitany kosa fa nety ny hamelana ny fotoana handeha. Nahoana? Ho hita tsara amin’izay fa mpandainga i Satana! Ho betsaka koa ireo porofo hanamarinana, fa fijaliana foana no vokatry ny tsy fiankinana amin’Andriamanitra. Tsy izany tokoa ve no nitranga? ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) Ankoatra izany, dia ‘manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Misafotofoto sy mifanohitra ny fampianaran’ireo fivavahana. Lasa tena ratsy fitondran-tena noho ny hatramin’izay ny olona. Efa nandraman’ny olombelona daholo ny karazana fitondrana rehetra. Manao sonia fifanekena sy manao lalàna vaovao izy ireo, nefa mbola tsy mahazo izay zavatra ilainy foana ny sarambabem-bahoaka. Vao mainka mampitombo ny fijaliana ny ady.

Tena mila misalovana sy mamarana ny faharatsiana mihitsy Andriamanitra! Amin’ny fotoana voatondrony ihany anefa izy vao hanao izany. Mandra-pahatongan’izany, dia manana fahafahana hanohana ny fitondrany isika, ka hankatò ny lalàny sy ny toro lalany ao amin’ny Baiboly. Rehefa mitranga ny zava-dratsy, dia mampionona antsika ny toky ananantsika fa hisy tontolo tsy hisian’ny fijaliana.

Tsy isika irery no mijaly

Rehefa isika mihitsy anefa no mijaly, dia mety hanontany tena isika hoe: ‘Nahoana no izaho no iharan’izao?’ Mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly fa tsy isika irery no miaritra fahoriana. Milaza izy fa “mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.” (Romanina 8:22) Mety hanampy anao hahazaka ny fijaliana ny fahafantarana izany. Nikorontan-tsaina, ohatra, i Nicole, noho ilay fanafihan’ny mpampihorohoro tamin’ny 11 Septambra 2001 tany New York sy Washington. “Nihorohoro sy natahotra aho”, hoy izy. Nanampy azy anefa ny famakiana ny fomba niatrehan’ny Kristianina hafa an’iny loza iny. * “Nanjary tsapako fa tsy izaho irery no mijaly. Afaka tsikelikely ny fijaliako sy ny alaheloko.”

Tsara indraindray ny mitady olona azonao iresahana, toy ny ray aman-dreny, namana matotra, na anti-panahy kristianina. Hahazo “teny soa” sy mampahery ianao, rehefa mamboraka ny ao am-ponao amin’ny olona atokisanao. (Ohabolana 12:25) Hoy ny tanora kristianina iray avy any Brezila: “Maty ny raiko, sivy taona lasa izay, ary fantatro fa hatsangan’i Jehovah izy indray andro any. Nanampy ahy anefa ny nanoratra ny tao am-poko. Namboraka izany tamin’ny namako kristianina koa aho.” Manana “tena sakaiza” azonao amborahana ny ao am-ponao ve ianao? (Ohabolana 17:17) Hararaoty àry ny fanampiana feno fitiavana avy amin’izy ireo! Aza matahotra ny mitomany na mamboraka ny ao am-ponao. Na i Jesosy aza ange ‘nirotsa-dranomaso’ rehefa maty ny namany e!—Jaona 11:35.

Manome toky antsika ny Baiboly fa ‘hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana’ isika amin’ny hoavy, ka “hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Romanina 8:21) Mandra-pahatongan’izany, dia olona tsara fanahy maro no mety hijaly. Mampionona anefa ny fahafantarana ny antony mampijaly azy ireo sy ny fahafantarana fa tsy haharitra izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 20 Jereo ny andian-dahatsoratra “Herim-po Niatrehana Loza”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Janoary 2002.

[Sary, pejy 14]

Mety hanampy anao ny famborahana ny alahelonao