Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampianarinay ho Tia An’Andriamanitra i Kristi

Nampianarinay ho Tia An’Andriamanitra i Kristi

Nampianarinay ho Tia An’Andriamanitra i Kristi

TERAKA tamin’ny 1977 i Kristi, zanakay vavy. Nilaza taminay ny dokoteranay, tsy ela taorian’izay, fa marenina hatrany am-bohoka i Kristi, sady nisy tsy nety tao amin’ny atidohany. Nampalahelo anay tokoa izany vaovao izany. Tsy fantatray akory ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny fiainanay.

Nanatrika fianarana manokana tany Melbourne, any Aostralia, izahay sy Gary vadiko, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, mba hahaizanay hiresaka sy hampianatra ny zanakay vavy. Nitsidika laboratoara manokana momba ny fandrenesana koa izahay tany Melbourne. Nasiana fitaovam-pandrenesana kely ny sofin’i Kristi, izay folo volana. Misy tariby mipetaka amin’izy ireo, ka tsy tiany. Ny ametrahana azy eo amin’ny sofiny no ela, dia efa esoriny! Namatorana pila koa teo amin’ny tenany, ary navesatra ihany izy ireo.

Sarotra tamin’i Kristi ny nianatra nandeha, noho ilay aretina tao amin’ny atidohany. Tsy maintsy nentina tany amin’ny dokotera isan-kerinandro àry izy. Nanomboka nandeha irery i Kristi, tamin’izy telo taona, na dia nianjera matetika aza. Nanaraka fitsaboana manokana izy hatramin’ny fahadimy taonany. Nifindra tany Benalla, tanàna teo akaiky teo, izahay tamin’izany fotoana izany, satria tany indray i Gary no niasa.

Fampianarana an’i Kristi

Nilaza taminay ny mpampianatra ny marenina iray fa mila fampianarana manokana i Kristi. Nila nifindra nankany Bendigo, tanàna nisy sekoly ho an’ny marenina, àry izahay. Bevohoka ny zanakay faharoa aho, ka tsy nifindra izahay raha tsy efa-taona i Kristi ary dimy volana i Scott, zanakay lahy. Nanomboka nampianarina nanonona teny izy tao amin’ny hopitaly iray tany Bendigo. Isan-kerinandro no nanaovana izany, nandritra ny folo taona. Nanomboka nianatra baiko moana koa izahay sy Gary.

Ny fampianarana an’i Kristi momba an’Andriamanitra no tena nampanahy anay. Samy Vavolombelon’i Jehovah mantsy izahay sy Gary, ary tapa-kevitra ny hitaiza an’i Kristi “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efesianina 6:4) Ahoana anefa no hanaovanay izany? Hoy ny tale tao amin’ny sekoly nianaran’i Kristi: “Tena ho sarotra ny hampianatra an’i Kristi momba an’Andriamanitra. Tsy afaka mahita an’Andriamanitra ianareo, koa ahoana no hanazavanareo azy aminy?” Tena zava-tsarotra lehibe no natrehinay tamin’izay! Tsy ela dia fantatray fa mila fotoana be sy fiezahana ary faharetana ny mampianatra an’i Kristi.

Nampiasa sary sy kisarisary izahay tamin’ny voalohany, ary nataonay faran’izay tsotra ny teninay. Nentinay tany am-pivoriana sy teny am-pitoriana izy, na dia tsy takany loatra aza izay atao any. Nitombo ny fahalalan’i Kristi, rehefa nahay baiko moana izy! Mbola sarotra taminay anefa ny nanazava teny sy hevitra maro ao amin’ny Baiboly. Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, * izay natao ho an’ny ankizy, no anisan’ny boky tiany indrindra. Sarobidy ireo sary miloko ao amin’ilay boky sy ireo kisarisary nataonay. Nitombo tsikelikely tao am-pon’i Kristi ny fitiavana an’Andriamanitra, rehefa nandeha ny fotoana.

Nampifankahalala anay tamin’ny Vavolombelona hafa nitaiza zanaka marenina, ny talen’ny sekoly nianaran’i Kristi. Nisy fandrosoana lehibe tamin’izay, satria nohazavain’izy ireo fa afaka mitory amin’ny olona mandre ny marenina. Azon’izy ireo atao, ohatra, ny manolotra karatra misy hafatra ara-baiboly amin’olona. Koa mora tamin’i Kristi àry ny nizara ny fahamarinana ara-baiboly tamin’olona, rehefa vonona ny hanao izany izy! Lasa mpitory tsy vita batisa i Kristi tamin’izy 14 taona. Vita batisa izy tamin’ny 1994, rehefa 17 taona.

Nila namana i Kristi, nefa sarotra taminy ny ninamana tamin’ireo Vavolombelona nandre tsara. Nanomboka nampianatra baiko moana àry izahay sy Gary. Natao ho an’ireo liana hanampy ny marenina teo anivon’ny fiangonanay izany fampianarana izany. Nahita asa ny sasany tamin’ireo nampianarinay. Nandika teny ho an’ny marenina izy ireo. Ny zava-dehibe kokoa anefa dia hoe, nanjary tia nifandray tamin’i Kristi ireo nahay baiko moana. Afaka nandray soa bebe kokoa tamin’ireo fivoriana sy fivoriambe i Kristi nanomboka teo. Mazoto mandray anjara amin’izy ireo izy hatramin’izao. Tena ankasitrahan’i Kristi ny fiahiana feno fitiavana asehon’ireo rahalahy aminy.

Nilaza taminay i Kristi indray andro, fa maniry ho tonga mpisava lalana maharitra izy. Nanampy azy hahazo fahazoan-dalana hitondra fiarakodia i Gary. Rehefa voalamina ny zava-drehetra, dia voatendry ho mpisava lalana maharitra i Kristi tamin’ny 1995. Afaka niasa tapa-potoana tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra koa izy, tamin’ny taona 2000. Nampianatra ankizy marenina izy tao amin’io sekoly io.

Samy mpisava lalana maharitra daholo izao izahay sy Kristi, Gary, ary Scott zanakay lahy. Faly izahay fa afaka mampiasa ny fotoananay hampianarana ny olona momba an’i Jehovah Andriamanitra!

‘Ny fanirian’ny fonay’

Mbola miteraka zava-manahirana ho anay rehetra foana i Kristi, noho izy marenina. Indraindray dia tsy misy olona mandika teny ho azy, sady tsy misy olona azony ilazana ny heviny sy ny fihetseham-pony, rehefa manao fanompoana izy. Hoy izy: “Toy ny hoe mipetraka amin’ny firenena iray feno olona miteny vahiny aho.” Nahavita niatrika ny toe-javatra nisy an’i Kristi ihany anefa izahay rehetra.

Mampionona anay ny teny ao amin’ny Salamo 37:4 hoe: “Miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” Irin’i Kristi mafy ny handre feona mozika, feon’ny zavaboary, ary ny hiresaka amin’ny havan-tiany. Tsy andriko koa ny fotoana handrenesan’i Kristi ny feoko. Mino izahay fa ho tanteraka tsy ho ela izany zavatra irin’ny fonay izany, araka ny fampanantenan’ny Baiboly.​—Isaia 35:5.​—Nisy nanome.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 18]

Mihazona “Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly” i Kristi, herintaona sy roa volana

[Sary, pejy 19]

Mitory ny vaovao tsara amin’ny alalan’ny karatra i Kristi

[Sary, pejy 19]

Scott, Kristi, Gary, ary Heather Forbes amin’izao fotoana izao