Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Resena ve ny Fahazaran-dratsy?

Azo Resena ve ny Fahazaran-dratsy?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Azo Resena ve ny Fahazaran-dratsy?

NIVAZIVAZY i Mark Twain, mpanoratra, indray mandeha hoe: “Mora kely ny miala amin’ny sigara. Efa imbetsaka aho no nahavita izany.” Tsy isalasalana fa maro no hiombon-kevitra aminy. Fantatry ny olona fa ratsy ny fahazarana sasany, ary manimba mihitsy aza. Fantany koa anefa fa sarotra ny mandresy azy ireny. Mety ho latsa-paka efa hatramin’ny taona maro izy ireny, ary mety ho tena sarotra ny manova azy. Mety handreraka na hampanaintaina mihitsy aza ny fiezahana hifehy ny filana mafy toy izany.

Mpitsabo ny voafonja ny Pr. Anthony Daniels. Voamariny fa matetika ireo mpandika lalàna no milaza ho andevozin’ny faniriana tafahoatra sady ratsy. Milaza izy ireo fa rehefa andevozin-javatra ny olona iray, dia “mangeja azy ny faniriana mafy ao anatiny, ka tsy afa-manoatra izy.” Raha marina izany, dia tsy azo raisina ho tompon’andraikitra isika rehefa manome fahafaham-po an’ireo faniriana mafy ao anatintsika. Marina tokoa ve anefa fa tsy afa-manoatra isika noho ireo faniriana mafy ao anatintsika ao? Sa azo resena ihany ny fahazaran-dratsy? Andeha hojerentsika ny Baiboly, mba hahazoana valiny azo antoka.

Mifanohitra ny faniriana sy ny atao

Asehon’ny Baiboly tsara fa raisin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny ataontsika isika. (Romanina 14:12) Takiny koa ny hanarahantsika ny fitsipiny marina. (1 Petera 1:15) Fantany izay tsara indrindra satria izy no namorona antsika, ary maro amin’ireo fanao mahazatra an’ity tontolo ity no melohin’ny fitsipiny. (1 Korintianina 6:9, 10; Galatianina 5:19-21) Mangoraka koa anefa izy, sady tsy mitaky zavatra tsy ho vitan’ny olombelona tsy lavorary.—Salamo 78:38; 103:13, 14.

Izany no nahatonga ny mpanao salamo hanoratra hoe: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3) Fantatr’i Jehovah tsara tokoa, fa “ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Tsy ho vitantsika ny tsy hieritreritra na ny tsy haniry zava-dratsy mihitsy, noho ny toetra sy ny fahalemena nolovantsika. Tia antsika àry i Jehovah, ka tsy mitaky zavatra tonga lafatra amintsika.—Deoteronomia 10:12; 1 Jaona 5:3.

Tsy manafaka antsika amin’ny andraikitsika hifehy ny fanirian-dratsintsika anefa, izany fiheverana asehon’Andriamanitra izany. Tsy nilavo lefona ny apostoly Paoly, na dia nekeny aza fa nila niady mafy tamin’ny fanirian-dratsy izy. (Romanina 7:21-24) Hoy izy: “Asiako mafy ny vatako ka andevoziko.” Nahoana? Sao “izaho indray no tsy hankasitrahana.” (1 Korintianina 9:27) Tena ilaina tokoa ny fifehezan-tena mba hiadiana amin’ireo fahazarana sy fironan-dratsy, ka handresentsika azy ireny amin’ny farany.

Azo atao ny miova

Milaza ireo manam-pahaizana momba ny fitondran-tenan’ny olona fa ianarana tsikelikely ny fahazaran-dratsy, toy ny fahazarana tsara ihany. Raha marina izany, dia azo atao koa, ny miala amin’ny fahazaran-dratsy. Ahoana no hahavitana izany? Hoy ireo mpanoratra ny boky iray momba ny fiadiana amin’ny fikorontanan-tsaina: “Eritrereto ny soa horaisinao, raha miala amin’ny fomba fiainanao taloha ianao.” Avy eo, dia “tanisao hoe nahoana no hanatsara ny fiainanao ny fiovana nataonao.” Afaka manosika antsika hiova tokoa ny fifantohana amin’ireo soa azo, rehefa miala amin’ny fitondran-tena tsy mendrika isika.

Diniho ilay fampirisihan’ny apostoly Paoly mba ‘hanavao ny hery mibaiko ny saintsika.’ (Efesianina 4:22, 23) Io hery io dia ny toe-tsaintsika. Afaka manova azy io ianao, raha manatona akaiky kokoa an’Andriamanitra sy miezaka hahatakatra sy hankasitraka ny fitsipiny. Handrisika anao hanao ireo fiovana ilaina ny fahafantarana fa ankasitrahan’i Jehovah ianao raha manao izany.—Salamo 69:30-33; Ohabolana 27:11; Kolosianina 1:9, 10.

Mazava ho azy, fa tsy ho mora ny hiala amin’ireo fahazaran-dratsy izay mety ho nangeja antsika hatramin’ny taona maro. Tsy tokony hohamaivanintsika ilay ady mafy tsy maintsy ataontsika. Azo antoka fa hisy fotoana haharesy anao, ka hiverenanao indray amin’ilay fahazarana. Matokia anefa fa hihamora kokoa ilay ady, rehefa mandeha ny fotoana. Arakaraka ny iezahanao, no hahatonga anao ho zatra amin’ilay fitondran-tena vaovao.

Afaka matoky ny fanampiana sy ny fitahian’Andriamanitra koa izay tia azy. Nanome toky antsika toy izao i Paoly: ‘Mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.’ (1 Korintianina 10:13) Tsy ho ela intsony izao i Jehovah Andriamanitra dia hanafoana an’ity tontolo ity mbamin’ireo fakam-panahy sy faniriana ary filan-dratsiny. (2 Petera 3:9-13; 1 Jaona 2:16, 17) Tsy hijaly intsony izay olona tsy lavorary ho tafavoaka velona amin’io fanafoanana io, rehefa mandeha ny fotoana. Tsy hisy intsony mandrakizay mantsy ny fijaliana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Hoy ny fampanantenan’Andriamanitra: “Tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.” (Isaia 65:17) Ho anisan’ny “taloha” ny faniriana sy ny hetaheta manorisory. Moa ve izany tsy antony lehibe manosika antsika hanao araka izay fara herintsika, mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy?

[Efajoro, pejy 21]

FOMBA IALANA AMIN’NY FAHAZARAN-DRATSY

1. Fantaro, ary ekeo fa ratsy ilay fahazarana. Manontania tena hoe: ‘Tena mandray soa avy amin’io fahazarako io ve aho? Manorisory ny hafa ve izany? Misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamako, ny fidiram-bolako, ny fahasambarako, ny fianakaviako, ary ny filaminan-tsaiko ve izy io? Mety hanatsara ny fiainako ve ny fialana amin’izy io?’

2. Soloy zavatra tsara ilay fahazaran-dratsy. Mandany fotoana be hijerena zavatra tsy mahasoa amin’ny Internet, ve ianao, ohatra? Raha izany no izy, dia atokany hanaovana vakiteny sy fianarana ary fanazaran-tena mahasoa ireny fotoana ireny.

3. Araho maso ny fandrosoanao. Eritrereto isan’andro, mandritra ny minitra vitsy, ny fandrosoana nataonao. Raha niverina tamin’ilay fahazaranao indray ianao, dia fantaro ny toe-javatra nitarika ho amin’izany.

4. Mitadiava fanampiana. Lazao amin’ireo namanao sy fianakavianao izay fahazarana iezahanao hialana, ary angataho izy ireo hampahatsiahy anao raha mitady hiverina amin’izany ianao. Miresaha amin’ireo nahavita niala tamin’io fahazarana iadianao io.—Ohabolana 11:14.

5. Aoka ianao hahay handanjalanja sy hijery ny zava-misy. Aza manantena fahombiazana eo no ho eo. Hila fotoana lavalava vao ho resy ny fahazarana sasany nananana nandritra ny taona maro.

6. Mivavaha amin’Andriamanitra. Ho vitanao ny hiala amin’ny fahazaran-dratsy, na inona izany na inona, rehefa ampiany.—Salamo 55:22; Lioka 18:27.