Afaka ny ho Be Fanantenana Foana Ianao

Afaka ny ho Be Fanantenana Foana Ianao

Afaka ny ho Be Fanantenana Foana Ianao

AHOANA no fahitanao ny zava-tsarotra mihatra aminao? Maro ankehitriny ny manam-pahaizana mino fa ny valiny omenao amin’io fanontaniana io no ahafantarana raha olona be fanantenana ianao na tsia. Samy iharam-pisedrana mafy isika rehetra eo amin’ny fiainana. Ny an’ny sasany aza mety ho mafy kokoa noho ny an’ny hafa. Nahoana anefa ny olona sasany no toa tafarina, ary vonona ny hiezaka indray, fa ny hafa kosa toa kivy, na dia tsy lehibe loatra aza ny nanjo azy?

Ohatra, aoka hatao hoe mitady asa ianao. Nankany amin’ny orinasa iray ianao, ary nadinadinina. Tsy voaray anefa ianao. Ahoana no fiheveranao ilay izy? Angamba hieritreritra ianao hoe tsy tian’ilay mpampiasa. Mety hihevitra ianao avy eo fa ny olona rehetra mihitsy no tsy tia anao, ka hiteny ianao hoe: ‘Tsy hisy olona handray ahy mihitsy. Tsy hahita asa mihitsy aho.’ Mety ho mbola ratsy kokoa noho izany aza no hitranga. Ny fiainanao manontolo mihitsy no mety hanjary hoheverinao fa tsy misy dikany, ka mety hiteny ianao hoe: ‘Tsy mahay na inona na inona aho. Tsy misy ilana ahy.’ Ny olona tsy manana fanantenana no mieritreritra toy ireo.

Miezaha ho be fanantenana hatrany

Ahoana no hahatonga anao ho be fanantenana? Mila miaiky aloha ianao hoe tsy manana io toetra io. Tokony hataonao avy eo izay hananana azy io. Iezaho fantarina ny antony marina nahatonga anao tsy ho voaray. Ohatra, marina tokoa ve fa tsy voaray ianao satria tsy hisy olona handray anao mihitsy? Sa sao dia olona manana fahaizana hafa fotsiny no tadiavin’ilay mpampiasa?

Raha miezaka mandinika ny tena zava-misy toy izany ianao, dia ho hitanao fa nentim-po fotsiny ianao. Tena tsy mahay na inona na inona tokoa ve ianao, na dia tamin’iny fotoana iny monja aza no tsy nahomby? Sa mahomby ihany ianao amin’ny lafin-javatra hafa, toy ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fifandraisana amin’ny fianakaviana ary ny fifandraisana amin’ny namana? Iezaho esorina ao an-tsainao izay zava-dratsy eritreretinao fa hitranga, ka hevero ho toy ny hoe “lasa lavitra loatra ny sainao.” Sady ahoana tokoa moa no ahazoanao antoka fa tsy hahita asa mihitsy ianao? Mbola misy zavatra hafa azonao atao koa, mba hahatonga anao ho be fanantenana kokoa.

Miezaha hanana tanjona ary minoa fa ho tratranao izany

Tato ho ato, dia hafakely ny famaritan’ny mpikaroka ny atao hoe fanantenana, na dia somary voafetra ihany aza izany. Milaza izy ireo fa ny atao hoe fanantenana dia ny finoanao fa ho tratranao ny tanjonao. Marina aloha fa tsy izany ihany no atao hoe fanantenana, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Mahasoa amin’ny lafiny maromaro anefa io famaritana io. Hahatonga antsika hiezaka hanana tanjona izy io, ary hahatonga antsika hino fa ho tratrantsika izany.

Ahoana anefa no inoanao fa ho tratranao ny tanjonao? Mila mizatra manana tanjona sy manatratra izany aloha ianao. Raha tsapanao fa mbola tsy mahay manao izany ianao, dia tsara angamba raha dinihinao akaiky indray hoe inona avy no tanjonao. Kanefa, manana tanjona ve aloha ianao? Mety ho variana loatra amin’ny asa fanao isan’andro sy ny rotoroton’ny fiainana isika, ka tsy maka fotoana hieritreretana intsony ny tena zava-kendrentsika eo amin’ny fiainana sy izay laharam-pahamehana amintsika. Taloha ela be ny Baiboly dia efa nampirisika antsika hijery izay laharam-pahamehana amintsika. Hoy izy: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’​—Filipianina 1:10.

Rehefa fantatsika hoe inona avy no laharam-pahamehana amintsika, dia ho mora kokoa ny hifidy tanjona lehibe sasany eo amin’ny lafim-piainantsika samihafa. Anisan’izany ny fiainana kristianina ananantsika sy ny fiainam-pianakaviantsika ary ny fiainantsika amin’ny ankapobeny. Tsara anefa raha ataontsika vitsivitsy ihany ny tanjona tratrarintsika amin’ny voalohany. Tsara koa raha mifidy tanjona fantatsika fa mora tratrarina isika. Raha sarotra loatra mantsy ny manatratra ilay tanjona, dia mety ho kivy isika, ka hilavo lefona. Ny tsara indrindra àry matetika, dia ny miezaka manatratra tanjona kelikely sady tsy mitaky fotoana be, izay vao miezaka manatratra tanjona lehibe kokoa sy mitaky fotoana lava kokoa.

“Tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto”, hoy ny ohabolana iray. Toa misy maha marina azy ihany izany. Rehefa fantatsika hoe inona avy ny tanjona lehibe amintsika, dia mila mazoto, izany hoe maniry sy tapa-kevitra ny hanatratra azy ireo isika. Ho tapa-kevitra kokoa isika raha misaintsaina hoe nahoana no zava-dehibe ilay tanjona, ary inona no valisoa ho azontsika, rehefa tratrantsika ilay izy. Mazava ho azy fa tsy maintsy hisy ny vato misakana, nefa tokony hataontsika ao an-tsaina hoe azo resena izy ireny.

Tokony hitady fomba maromaro azo ampiharina, hanatratrarana ny tanjontsika koa anefa isika. Nandinika lalina ny maha zava-dehibe ny fanantenana ilay mpanoratra atao hoe C. Snyder. Manoro hevitra izy fa mila mitady fomba maromaro hanatratrarana ny tanjona iray isika. Koa rehefa tsy mahomby ny fomba voalohany, dia afaka mampiasa ilay faharoa na ilay fahatelo isika.

Manoro hevitra koa izy hoe mila mianatra manova ny tanjontsika isika. Raha tena tsy tratrantsika mihitsy, ohatra, ny tanjona iray, dia ho kivy isika, raha malahelo sy mieritreritra momba ilay izy foana. Hanan-javatra hafa antenaina kosa isika, raha soloantsika tanjona mora tratrarina kokoa ilay izy.

Misy ohatra tsara momba izany ao amin’ny Baiboly. Tena naniry hanorina tempoly ho an’i Jehovah Andriamaniny, ohatra, i Davida Mpanjaka. Nilaza taminy anefa Andriamanitra fa i Solomona zanany no hanana ny tombontsoa hanorina ny tempoly. Tsy nidongy i Davida na nikiry nanatratra io tanjona efa tsy azo notanterahina io. Novany kosa ny tanjony. Niezaka mafy izy nanangona ny vola sy ny fitaovana hilain’ny zanany hamitana ilay tetikasa.​—1 Mpanjaka 8:17-19; 1 Tantara 29:3-7.

Be fanantenana kokoa àry isika, rehefa miezaka hanana tanjona sy mino fa hahatratra azy ireny. Mety ho mbola tsy ampy mihitsy anefa izany fanantenana ananantsika izany. Fa nahoana? Misy toe-javatra mahakivy be dia be eto amin’ity tontolo ity, ary tsy ho resintsika mihitsy ny ankamaroan’izy ireny. Tsy inona izany fa ireo olana maro mianjady amin’ny olombelona, toy ny fahantrana, ny ady, ny tsy rariny, ary ny aretina sy ny fahafatesana, izay mampahatahotra antsika foana. Ahoana no ananantsika fanantenana hatrany eo anatrehan’ireo toe-javatra ireo?

[Sary, pejy 7]

Mino ve ianao fa tsy hahita asa intsony, raha tsy voaray tamin’ny asa iray tianao?

[Sary, pejy 8]

Nahay nanova ny tanjona notratrariny i Davida Mpanjaka