Ahoana no Hananana Fanantenana Marim-pototra?

Ahoana no Hananana Fanantenana Marim-pototra?

Ahoana no Hananana Fanantenana Marim-pototra?

MATY ny famantaranandronao, ka tianao hamboarina. Sahiran-tsaina anefa ianao, satria be dia be ny olona manao dokam-barotra hoe manamboatra famantaranandro. Samy milaza ho mahay daholo izy rehetra, nefa tsy mahay akory ny sasany. Ahoana anefa raha renao fa mpifanila trano aminao no nahita hevitra namorona io famantaranandro io, taona maro lasa izay, ary vonona hanamboatra azy io maimaim-poana izy? Azo antoka fa fantatrao avy hatrany hoe aiza no haleha, sa tsy izany?

Noforonina hanana fanantenana isika olombelona. Ampitahao amin’ilay famantaranandro teo izany. Aiza àry ianao no hitady fanampiana, raha tsapanao fa manomboka ho very fanantenana ianao, toy ny olona maro amin’izao vanim-potoana mikorontana izao? Maro ny olona milaza fa manana vahaolana, nefa misafotofoto sy mifanipaka indraindray ny soso-kevitra tsy hita isa omen’izy ireny. Koa nahoana raha mitady fanampiana any amin’ilay namorona antsika olombelona sy nametraka tao anatintsika ny fahafahana hanana fanantenana? Milaza ny Baiboly fa “tsy lavitra antsika tsirairay izy”, ary tena vonona hanampy antsika.—Asan’ny Apostoly 17:27; 1 Petera 5:7.

Famaritana amin’ny an-tsipiriany kokoa

Lalina kokoa ny atao hoe fanantenana ao amin’ny Baiboly, ary mahafaoka zavatra betsaka kokoa, fa tsy toy ny fiheveran’ny ankamaroan’ny dokotera sy ny mpahay siansa ary ny psikology ankehitriny azy. Ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “fanantenana” ao amin’ny Baiboly, dia midika hoe miandry mafy sy manantena zava-tsoa. Zavatra roa no tafiditra amin’izany, dia ny faniriana hahazo ilay zava-tsoa sy ny antony marim-pototra inoana fa ho azo ilay izy. Tsy nofinofy fotsiny ny fanantenana hita ao amin’ny Baiboly, fa miorina amin’ny zava-misy sy porofo marim-pototra.

Mitovy ny finoana sy ny fanantenana amin’io lafiny io. Tsy maintsy manana porofo marim-pototra ny olona vao afaka mino zavatra iray, fa tsy mino fotsiny amin’izao. (Hebreo 11:1) Na izany aza, dia avahan’ny Baiboly ihany ny finoana sy ny fanantenana.—1 Korintianina 13:13.

Indro misy ohatra: Rehefa mangataka fanampiana amin’ny namana atokisanao ianao, dia manantena fa hanampy anao izy. Marim-pototra ny fanantenanao, satria mino ianao fa hanampy anao izy. Fantatrao tsara mantsy izy, ary efa hitanao fa tsara fanahy sy nalala-tanana tamin’ny lasa. Mifandray akaiky sady tsy afa-misaraka ny finoanao sy ny fanantenanao, nefa tsy mitovy. Ahoana no ahafahanao manantena an’Andriamanitra toy izany?

Antony marim-pototra ananana fanantenana

Avy amin’Andriamanitra ny tena fanantenana. Nantsoina hoe “Fanantenan’ny Isiraely” i Jehovah, tamin’ny andron’ny Baiboly. (Jeremia 14:8) I Jehovah no fanantenan’ny vahoakany, satria avy aminy ny fanantenana marim-pototra rehetra nananan’izy ireo. Tsy faniriana hahazo zava-tsoa fotsiny io fanantenana io. Nanome azy ireo antony marim-pototra hananana azy io kosa Andriamanitra. Fantatra ho nitana ny fampanantenany foana izy, rehefa nifandray tamin’ny Israelita nandritra ny taonjato maro. Hoy i Josoa, mpitarika azy ireo: “Fantatrareo . . . fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.”—Josoa 23:14.

Mbola marina izany, an’arivony taona tatỳ aoriana. Tena maro be ny fampanantenana miavaka nomen’Andriamanitra, voalaza ao amin’ny Baiboly. Voatantara marina tsara ao koa ny fahatanterahan’izy ireny. Tena azo itokisana izy ireny, ka toy ny hoe efa tanteraka sahady tamin’ny fotoana nanoratana azy.

Izany no antony ilazantsika fa azo antsoina hoe boky mirakitra fanantenana ny Baiboly. Vao mainka ianao hahazo antoka kokoa fa afaka manantena an’Andriamanitra, rehefa mamaky ny fitantarana momba ny nifandraisany tamin’ny olombelona. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.”—Romanina 15:4.

Inona no fanantenana omen’Andriamanitra antsika?

Rahoviana isika no tena mila fanantenana? Tsy rehefa misy maty ve? Amin’io fotoana io mihitsy anefa vao tena very fanantenana ny olona maro, indrindra raha havan-tiany no maty. Ny fahafatesana tokoa angamba no toe-javatra mahavery fanantenana indrindra. Tsy afa-mandositra azy io isika rehetra. Afaka mitandrina isika mba ho ela velona kokoa, nefa mety ho faty ihany isika na ho ela na ho haingana, ary tsy azontsika ialana izany. Marina mihitsy ny tenin’ny Baiboly hoe ny fahafatesana no “fahavalo farany.”—1 Korintianina 15:26.

Ahoana àry no ananantsika fanantenana rehefa misy maty? “Hofoanana ny fahafatesana”, araka ilay andininy miantso azy hoe fahavalo farany. Mahery noho ny fahafatesana i Jehovah Andriamanitra. Nanaporofo izany imbetsaka izy. Tamin’ny fomba ahoana? Nanangana olona maty izy. Tantarain’ny Baiboly fa nampiasa ny heriny intsivy Andriamanitra, mba hananganana olona tamin’ny maty.

Ny niavaka indrindra tamin’izany, dia ny nananganany an’i Lazarosy, naman’i Jesosy akaiky, izay efa maty nandritra ny efatra andro. Nomen’i Jehovah hery i Jesosy Zanany, mba hanaovana izany. Tsy niafina no nanaovan’i Jesosy an’izany, fa ampahibemaso, ary teo anoloan’ny mpitazana maro be.—Jaona 11:38-48, 53; 12:9, 10.

Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Nahoana no natsangana tamin’ny maty ireny olona ireny? Tsy nihantitra sy maty ihany ve izy ireny tamin’ny farany?’ Marina izany. Kanefa, rehefa mamaky fitantarana azo itokisana toy ireny isika, dia tsy vitan’ny hoe maniry fotsiny ny hahaveloman’ny havan-tiantsika indray. Lasa manana antony marim-pototra inoana koa isika, fa tena ho velona izy ireny. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe manana fanantenana marim-pototra isika.

Hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” (Jaona 11:25) Izy no homen’i Jehovah hery hanangana ny maty maneran-tany. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony [ny an’i Kristy], dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Afaka ny ho velona indray àry ireo rehetra ao am-pasana, ka hiaina eto an-tany lasa paradisa.

Niresaka mazava tsara an’io fisehoan-javatra mampihetsi-po io i Isaia mpaminany. Hoy izy: “Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ny oloko hitsangana; koa mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin’ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.”—Isaia 26:19.

Tsy mampionona ve izany fampanantenana izany? Toy ny zazakely voaro tsara ao anatin’ny kibon-dreniny ny olona maty. Tsy manam-petra ny fitadidian’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony, ka tadidiny tsara tokoa ireny olona ireny. (Lioka 20:37, 38) Hovelomina indray izy ireny tsy ho ela, ka hiditra ao amin’ny tontolo iray mahafinaritra. Handray azy tsara ny olona ao, tsy misy hafa amin’ny fandraisana mafana ataon’ny fianakaviana be fitiavana ny zazakely iray vao teraka! Misy fanantenana àry, na dia rehefa misy maty aza.

Inona no soa azonao raha manana fanantenana ianao?

Be dia be ny zavatra ampianarin’i Paoly antsika momba ny hasarobidin’ny fanantenana. Noresahiny fa anisan’ireo fiadiana tena ilaintsika izy io, ka nohariny tamin’ny fiarovan-doha. (1 Tesalonianina 5:8) Nahoana? Nanao fiarovan-doha vy ny miaramila tamin’ny andron’ny Baiboly, rehefa nandeha niady. Mazàna izany no nataony teo ambonin’ny satroka bonetra volonondry na hoditra. Mievotra fotsiny, fa tsy mamono an’ilay miaramila, ny ankamaroan’ny zavatra midona amin’ny lohany, noho io fiarovan-doha io. Inona àry no tian’i Paoly holazaina? Miaro ny loha ny fiarovan-doha. Toy izany koa fa miaro ny saina ny fanantenana. Hiadan-tsaina foana ianao, fa tsy hivadi-po na ho kivy, rehefa sendra zava-tsarotra, raha tena manantena fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Azo antoka fa mila an’izany fiarovan-doha izany daholo isika rehetra.

Nampiasa fanoharana hafa manaitra ny saina, momba ny fanantenana koa i Paoly. Mifandray amin’ny sitrapon’Andriamanitra io fanantenana io. Izao no nosoratany: “Izany fanantenana ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina.” (Hebreo 6:19) Fantatr’i Paoly tsara fa tena ilaina ny vatofantsika, satria efa imbetsaka izy no tafavoaka velona rehefa nisy sambo vaky. Ampidinin’ny tantsambo ny vatofantsika, rehefa misy rivo-doza. Raha miraikitra tsara amin’ny fanambanin’ny ranomasina izy io, ary tsy mihetsika, dia mety hahatohitra an’ilay rivo-doza ilay sambo, fa tsy ho voatosika hankeny amin’ny morontsiraka, ka hidona amin’ny haram-bato.

Toy izany koa fa ho zakantsika ny korontana misy amin’izao fotoana izao, raha “sady azo antoka no mafy orina” ny fanantenantsika an’ireo zavatra hataon’Andriamanitra amin’ny hoavy. Mampanantena i Jehovah fa tsy hampahory ny olombelona intsony tsy ho ela ny ady, ny asan-jiolahy, ny alahelo, ary na dia ny fahafatesana mihitsy aza. (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy faha-10.) Hanampy antsika hanalavitra loza ny fitadidiantsika izany fanantenana izany. Handrisika antsika hiaina mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra izany, fa tsy hanaiky hanaraka ny toe-tsaina ratsy, izay tena manjaka eto amin’ity tontolo ity.

Mahakasika anao manokana koa ny fanantenana omen’i Jehovah. Tiany hifanaraka amin’izay nokasainy ny fiainanao. Iriny ‘hovonjena ny karazan’olona rehetra.’ Ahoana anefa no hahavoavonjy azy ireo? Tsy maintsy ‘manana fahalalana marina tsara ny fahamarinana’ izy rehetra. (1 Timoty 2:4) Mampirisika anao hianatra io fahalalana ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra io ny mpampanonta ity gazety ity, satria manome fiainana izy io. Tsara lavitra noho ny fanantenana mety ho hitanao eto amin’ity tontolo ity, ny fanantenana homen’Andriamanitra anao amin’izany.

Tsy hihevi-tena ho tsy mahay na inona na inona mihitsy ianao noho io fanantenana io. Azon’Andriamanitra atao mantsy ny manome anao ny hery hanatratraranao izay tanjona anananao, ka mifanaraka amin’ny sitrapony. (2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:13) Azo antoka fa izany no karazana fanantenana ilainao. Koa raha efa miezaka ny hanana azy io ianao, dia aza kivy, fa ho tanteraka ny fanirianao!

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Antony Hananana Fanantenana

Afaka manampy anao hampitombo ny fanantenanao ireto hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina ireto:

Mampanantena hoavy sambatra Andriamanitra.

Milaza ny Teniny fa ho lasa paradisa, honenan’ny olona sambatra sy miray saina, ny tany manontolo.—Salamo 37:11, 29; Isaia 25:8; Apokalypsy 21:3, 4.

Tsy mahay mandainga Andriamanitra.

Halany ny karazana lainga rehetra. Masina na tsy misy tsininy mihitsy i Jehovah, ka tsy mandainga mihitsy izy.—Ohabolana 6:16-19; Isaia 6:2, 3; Titosy 1:2; Hebreo 6:18.

Tsy manam-petra ny herin’Andriamanitra.

I Jehovah irery no manana ny hery fara tampony. Tsy misy na inona na inona eo amin’izao rehetra izao mahasakana azy tsy hanatanteraka ny fampanantenany.—Eksodosy 15:11; Isaia 40:25, 26.

Tian’Andriamanitra hiaina mandrakizay ianao.

Jaona 3:16; 1 Timoty 2:3, 4.

Manantena antsika hiova Andriamanitra.

Tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika sy ny fahalementsika izy, fa amin’ny toetra tsarantsika sy ny ezaka ataontsika kosa. (Salamo 103:12-14; 130:3; Hebreo 6:10) Manantena izy fa hanao izay mahitsy isika, ary faly izy rehefa manao izany isika.—Ohabolana 27:11.

Mampanantena Andriamanitra fa hanampy anao hanatratra izay tanjonao mifanaraka amin’ny fikasany.

Tsy tokony hieritreritra mihitsy ny mpanompony hoe tsy misy mpanampy. Manome antsika be dia be amin’ilay hery matanjaka indrindra, dia ny fanahiny masina izy, mba hanampy antsika.—Filipianina 4:13.

Tsy poakaty mihitsy ny fanantenana an’Andriamanitra.

Tsy hamitaka anao mihitsy izy, satria azo itokisana tanteraka.—Salamo 25:3.

[Sary, pejy 12]

Miaro ny loha ny fiarovan-doha; toy izany koa fa miaro ny saina ny fanantenana

[Sary, pejy 12]

Toy ny vatofantsika ny fanantenana mafy orina, ka hanampy anao tsy hivadika

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy René Seindal/Su concessione del Museo Archeologico Regionale A. Salinas di Palermo