Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve ny Mandeha Mandihy?

Mety ve ny Mandeha Mandihy?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Mety ve ny Mandeha Mandihy?

“Te hahita fahafinaretana fotsiny aho, dia izay no nandehanako tany.”—Shawn.

“Tsoriko aloha fa nahafinaritra ilay izy e! Tena nahafinaritra be mihitsy! Nandihy foana izahay nandritra ny alina manontolo.”—Ernest.

LASA be mpitia ny toeram-pandihizana (boîte de nuit) tato anatin’ireo taona faramparany, ary ireo tanora mikatsaka fahafinaretana no tena mpankany.

Marina aloha fa samy tia mampifalifaly tena isika rehetra, ary milaza ny Baiboly hoe: “Ao ny andro ihomehezana . . . ary ao ny andro andihizana.” (Mpitoriteny 3:4) Toerana tsara ialana voly ve anefa ny toeram-pandihizana? Sa misy antony tsy tokony handehananao any?

“Lanonana feno filibana”

Tsy manameloka ny lanonana tsotra ny Baiboly, nefa mampitandrina momba ny “lanonana feno filibana.” (Galatianina 5:19-21) Fitondran-tena tsy voafehy matetika no vokatry ny filibana toy izany, ary izany no nitranga tamin’ny andron’ny Baiboly. Hoy i Isaia mpaminany: “Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay! Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; fa ny asan’i Jehovah tsy mba jereny.”—Isaia 5:11, 12.

Fahita tany amin’ireny lanonana ireny ny “toaka” sy ny mozika mafy loatra. Nanomboka vao maraina izy ireny, ary nitohy mandra-paharivan’ny andro. Mariho koa ny fihetsik’ireo mpiliba. Tena mihevitra an’Andriamanitra ho tsy misy ry zareo! Tsy isalasalana mihitsy fa nanameloka an’ireny lanonana ireny Andriamanitra. Ahoana kosa no fiheverany ny zava-mitranga ankehitriny any amin’ny ankamaroan’ny toeram-pandihizana?

Diniho ny zava-misy. Fahita any amin’ny toeram-pandihizana sasany, ohatra, ny dihy anaovana fihetsika tafahoatra. Nilaza ny boky iray, fa io karazan-dihy io dia ‘nanomboka tany Etazonia teo antenatenan’ireo taona valopolo, ary nipoitra avy tamin’ilay dihy nampihetsehana ny andilana, izay nifanaovan’ireo mpandihy.’ Izao matetika no ataon’ireo olona manao io karazan-dihy io: Mitsambikimbikina, manetsika mafy ny lohany, manahaka ny fomba fanoton’ny biby, ary mifandona mafy amin’olon-kafa. Tsy manaitra intsony amin’izany ny tongotra tapaka sy ny lamosina marary ary ny loha vaky. Maty mihitsy aza ny sasany. Any amin’ny toeram-pandihizana sasany, dia batain’ny vahoaka ny olona iray, ary afindrafindrany amin’ireo tanana natsangana ambony be. Maro tamin’ny olona natao an’izany no nianjera, ka naratra. Tsy mahalana no nisy ankizivavy voakasikasika sy voasafosafo, na dia tsy sitrany aza izany.

Tsy ankasitrahan’Andriamanitra tokoa ny fitondran-tena toy izany. Mandidy ny Kristianina mantsy ny Teniny, mba “handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao, ary mampianatra antsika koa mba hisaina.”—Titosy 2:12.

Mozika sy zava-mahadomelina

Diniho koa ny karazana mozika alefa any amin’ny ankamaroan’ny toeram-pandihizana. Mozika hard rock na rock mavesatra foana matetika no alefa any amin’izy ireny. Mampiavaka io mozika io ny gadona sy ny tonon-kira mamoafady. Ny mozika rap, na hip-hop koa no tena be mpitia any amin’ny toeram-pandihizana maro. Resaka firaisana sy herisetra ary fikomiana anefa no tena mampiavaka azy ireny. Tsy hisy vokany eo aminao ve ny mozika toy izany sy ny fitondran-tenan’ny olona any? Mahafantatra tsara momba ny toeram-pandihizana i David Hollingworth, ka nilaza fa “misy fiantraikany lehibe eo amin’ny toe-tsain’ny olona ny mozika. Mety hanjary ho tia ady ny olona sasany, rehefa mihaino mozika any anaty vahoaka be.” Tsy mahagaga àry raha nisy gidragidra tany amin’ireo toeram-pandihizan’ny tanàna maromaro any Etazonia. Maro no mihevitra fa ilay mozika anindrahindrana ny fitondran-tena maharikoriko sy feno herisetra no tena nahatonga izany. *

Nanjary nisy nampiasa zava-mahadomelina koa tany amin’ireo toeram-pandihizana, tato anatin’ireo taona faramparany. Nilaza ny mpikaroka iray fa “betsaka sady isan-karazany ny zava-mahadomelina azo ampiasaina any amin’ireo toeram-pandihizana . . . ka izany no mampahalaza azy ireny.” Nanjary nisy mihitsy ny antsoina hoe zava-mahadomelina fampiasa any amin’ny toeram-pandihizana. Misy amin’ireo mandeha any aza no mampifangaro azy ireny. Ny ketamine no fangarona zava-mahadomelina anisan’ny malaza indrindra. Izao no mety ho vokatr’izy io: lasa adala ilay olona, mirediredy izy, sempotra, ary mety harary ny atidohany. Very tadidy sady mahery setra koa ny olona mampiasa amphétamines, ary mety ho voan’ny aretim-po sy aretin’ny atidoha. Be mpampiasa koa ilay zava-mahadomelina nalaina avy tamin’ny amphétamines, antsoina hoe ecstasy. Izao no mety ho vokatr’izy io: very tadidy ilay olona, sahiran-tsaina, midobodoboka be ny fony, miakatra ny tosidrany, ary mahamay be ny vatany. Maty mihitsy aza ny sasany.

Milaza ny Baiboly fa tokony “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy” isika. (2 Korintianina 7:1) Tsy manaraka an’izany anefa ireo mampiasa zava-mahadomelina. Fahendrena ve ny mandeha any amin’ny toerana be olona mampiasa zava-mahadomelina toy izany?

Naman-dratsy

Tadidio ilay fampitandremana fandre matetika hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Toa tsy mieritreritra ny hampifaly an’Andriamanitra ireo tanora mandeha any amin’ny toeram-pandihizana, tsy misy hafa amin’ireo mpiliba tamin’ny andron’ny Baiboly. Maro amin’izy ireo no azo lazaina ho ‘tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra.’ (2 Timoty 3:4) Tena maniry ny hifanerasera akaiky amin’ny olona toy izany ve ianao?

Misy mihevitra fa tsy dia hisy ny zava-manahirana, raha misy tanora kristianina hafa miaraka aminy any. Azo inoana anefa, fa tsy ho vonona ny ho any ny tanora kristianina, raha toa izy ka tena “modely ho an’ny olona mahatoky, eo amin’ny . . . fitondran-tena.” (1 Timoty 4:12) Na tanora kristianina maromaro aza mantsy no mankany, ary na dia miezaka ny tsy hisaratsaraka aza izy ireo, dia mbola eo foana ilay mozika sy fitondran-tena tsy mety amin’ny Kristianina. Mety ho sadaikatra izy ireo rehefa misy manasa azy handihy. Nisy tanora sasany aza tafiditra tamin’ny ady mihitsy! Hita àry fa marina ity tenin’ny Baiboly ity: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”—Ohabolana 13:20.

Dihy manaitaitra ny filana

Lafiny iray hafa tsara hodinihina ny momba ny dihy. Lasa tena tian’ny olona, indrindra fa ireo zatovo any Etazonia, ilay dihy hafahafa antsoina hoe “freak dancing.” Matetika izy io no ampiarahina amin’ny mozika rap na hip-hop misy tonon-kira mamoafady, ary olona manao firaisana no tahafina amin’ilay dihy. Izany no antony nilazalazana ny olona manao io dihy io hoe ‘manao firaisana tsy miala akanjo.’

Handray anjara amin’ny karazan-dihy toy izany ve ny tanora kristianina? Tsy hanao izany izy raha maniry hampifaly an’Andriamanitra, izay nandidy antsika mba ‘handositra ny fijangajangana.’ (1 Korintianina 6:18) Mety hisy hihevitra hoe: ‘Tsy manimba io dihy io, matoa ataon’ny olona rehetra.’ Mety ho diso anefa ny olona maro. (Eksodosy 23:2) Manàna herim-po hanoherana ny fitaoman’ny namana sy hihazonana feon’ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra!—1 Petera 4:3, 4.

Mandraisa fanapahan-kevitra

Tsy midika akory izany hoe ratsy avokoa ny dihy rehetra. Lazain’ny Baiboly amintsika fa faly be i Davida Mpanjaka rehefa tafaverina tao Jerosalema niaraka tamin’ny fiaran’ny fanekena, ka “nitsinjaka mafy dia mafy.” (2 Samoela 6:14) Faly koa ny olona rehefa niverina ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, ka nisy “mozika sy olona nandihy.”—Lioka 15:25.

Toy izany koa, fa mety hanaiky ny karazan-dihy sasany ny Kristianina ao amin’ny faritra misy anao. Na izany aza anefa, dia ilaina ny mahay mandanjalanja sy mahay mitsara zavatra. Aleo lavitra mihaino mozika sy mandihy any amin’ireo lanonana alamin’ny Kristianina, noho izy ireny voara-maso sy voafehy kokoa, toy izay any amin’ny toeram-pandihizana. Tsy mitokantokana ny tanora any, fa afaka miaraka amin’ny Kristianina avy amin’ny sokajin-taona rehetra.

Marina fa mety hisy toeram-pandihizana ahitana mozika sy dihy mety amin’ny Kristianina, ao amin’ny toerana misy anao. Tsara kokoa anefa ny hametrahana ireto fanontaniana ireto, alohan’ny hanekena ho ao amin’ireny toerana ireny: Mba manao ahoana ny lazan’io toerana io? Ny tanora ihany ve no tena omena fahafaham-po ao? Raha izany no izy, mety mba hahasoa ihany ve ny rivo-piainana ao? Inona no karazana mozika halefa ao? Inona no karazana dihy atao ao? Manaiky ny handehanako ao ve ny ray aman-dreniko? Afaka hiaro ny tenanao amin’ny ratsy ianao raha mametraka fanontaniana toy ireo.

Mamintina tsara an’izany rehetra izany ny tenin’i Shawn, voalaza tetsy am-piandohana. Mpandeha tany amin’ny toeram-pandihizana izy, talohan’ny nahatongavany ho Kristianina. Hoy izy: “Tena tsy voafehy ny fitondran-tenan’ny olona any amin’ny toeram-pandihizana. Izao no hita matetika any amin’ireny toerana ireny: mozika tsy mety amin’ny Kristianina, dihy mahamenatra, ary olona be dia be tsy misaina afa-tsy ny hitady olona hanaovany firaisana rehefa hiala ao izy.” Tsy nandeha tany amin’ireny toerana ireny intsony i Shawn, rehefa niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa nahita olana tamin’izany izy, ka nilaza hoe: “Tsy natao ho an’ny Kristianina ireny toeram-pandihizana ireny.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nahoana ny Mozika no Manan-kery eo Amintsika?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 1999.

[Sary, pejy 26]

Sadaikatra ny tanora kristianina, rehefa misy manasa azy handihy