Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nateraka mba Hianatra

Nateraka mba Hianatra

Nateraka mba Hianatra

“Manidina ny vorona, milomano ny trondro, fa ny olombelona kosa mieritreritra sy mianatra.”—JOHN HOLT, MPANORATRA SADY MPANABE.

TONGA dia mahay mitsangana sy manaraka ny reniny amin’ny tongony lava sy mangozohozo ny serfa vao teraka. Mety mbola tsy hahay handeha kosa anefa ny zazakely, raha tsy efa feno herintaona. Na izany aza, dia nomena atidoha tena mahavariana ny olombelona. Mahavita zavatra be lavitra noho ny an’ny biby izy io. Hita izany, rehefa mandinika ny ankizy isika. Maniry mafy hahalala zava-baovao foana izy ireny.

Te hamantatra ny zavatra rehetra manodidina azy àry ny zazakely. Omeo zavatra iray ange izy e! Hofantariny tsara hoe inona ilay izy. Hampiasainy daholo ny vavahadin-tsainy amin’izany. Hataony any am-bava, ohatra, ilay izy, mba hahalalany ny tsirony! Tsy mijanona hatreo anefa izy, fa folahiny, akapokapony, ahetsiketsiny, ary potehiny ilay zavatra. Matetika izy no faly erỳ manao izany. Azo inoana fa samy efa nahita ny zanany nanao an’izany daholo ny ray aman-dreny.

Manomboka mahay miteny ilay zazakely avy eo. Mahavariana tokoa izany hoe zazakely mianatra miteny izany! Vao mainka maniry mafy hahalala zavatra izy amin’izay. Tampoka eo, dia lasa be fanontaniana izy. Tsy mikombona mihitsy ny vavany, fa manontany foana izy hoe: ‘Inona ity?’ na ‘Fa maninona?’, ka mandreraka ny ray aman-dreny sasany. Hoy i John Holt, mpanoratra: “Mazoto be ny ankizy, rehefa misy zavatra tiany hianarana.”

Taona vitsivitsy atỳ aoriana, dia manomboka mianatra amin’ny fomba hafa ny ankizy any amin’ny tany maro. Mankany an-tsekoly izy. Manana mpampianatra izy amin’izany, mampiasa kahie, mipetraka eo ambony dabilio, ary angamba miaraka amin’ny ankizy an-jatony. Mampalahelo fa tanora maro no tsy dia mazoto mianatra any an-tsekoly intsony, rehefa afaka taona vitsivitsy. Mahasorena na mandreraka mihitsy aza izany ho an’ny sasany. Angamba misy taranja na mpampianatra tsy tiany, na koa matahotra be izy sao tsy hahazo naoty tsara.

Mety ho mbola tsy tia mianatra ihany izy, na dia efa lasa olon-dehibe na zokiolona aza, ka tsy mety manao zavatra ampiasana saina, na ilana fianarana na fikarohana. Misy zavatra hafa koa anefa manakana ny zokiolona tsy hianatra. Tsy inona izany fa ilay fiheverana hoe tsy mahavita mianatra firy intsony ny olona, rehefa mandroso taona. Ho hitantsika anefa fa tsy marina izany.

Mbola tianao ve ny hazoto hianatra sy hanatsara ny fahaizanao mianatra, na firy taona ianao na firy taona? Raha ray aman-dreny ianao, tianao hahay kokoa sy ho tia mianatra ve ny zanakao, mandritra ny fotoana andehanany any am-pianarana sy aorian’izay? Vakio àry ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 2]

Tia mianatra ny ankizy

[Sary, pejy 3]

Mampalahelo fa mitebiteby ny tanora maro any am-pianarana