Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampitomboy ny Fitiavana Mianatra

Ampitomboy ny Fitiavana Mianatra

Ampitomboy ny Fitiavana Mianatra

‘Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.’—OHABOLANA 22:6, FANDIKAN-TENY KATOLIKA.

AZO inoana fa misy zavatra mahaliana atao ao an-tranonao indraindray. Andramo ampatorina ange ny zanakao amin’izay e! Tsy hety hatory izy, na dia efa vizana sy mitomany ary sorena aza, satria te handray anjara koa izy. Hoy i John Holt, mpanoratra: “Tena mafy toy ny faniriany hisakafo na hiala sasatra na hatory, ny fanirian’ny ankizy hahafantatra ny manodidina azy sy hahay zavatra. Mety ho mafy kokoa aza izany indraindray.”

Tsy voatery ho tia mianatra foana anefa ny ankizy mandritra ny androm-piainany, anisan’izany ny fotoana andehanany any am-pianarana. Marina fa tsy misy vahaolana tena azo antoka, mba hahatonga ny ankizy ho tia mianatra foana. Misy fomba maromaro efa nandramana anefa, ka hita fa mandaitra. Azon’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny ankizy ampiharina izy ireo. Ny fitiavana no lehibe indrindra amin’izany.

Anehoy fitiavana ny zanakao dia hahay kokoa izy

Tena mila ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny ankizy. Lasa milamin-tsaina izy, ka mazoto kokoa miresaka sy mametraka fanontaniana ary mikaroka. Manosika ny ray aman-dreny hiresaka tsy tapaka amin’ny zanany sy hikarakara ny fianarany ny fitiavana. Hita tamin’ny fikarohana natao, hoy ny boky Te Hianatra—Fomba Hanampiana ny Ankizy ho Tia Mianatra (anglisy), fa “toa ny fampirisihana omen’ny ray aman-dreny no tena mandrisika ny ankizy ho tia mianatra.” Misy vokany kokoa ny fampirisihan’ny ray aman-dreny, rehefa miara-miasa amin’ny mpampianatra izy ireo. Hoy ihany ilay boky: “Ny fomba tsara indrindra hanampiana ny ankizy ho tia mianatra indray, dia ny fiaraha-miasan’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra.”

Misy akony eo amin’ny ankizy koa izay ataon’ny ray aman-dreniny aminy, ka mahatonga azy ho mora miana-javatra izany. Nisy fianakaviana 43 nanaovan’ny mpikaroka fandinihana naharitra, hoy ny boky Ny Firafitry ny Atidoha (anglisy). Hitan’izy ireo tamin’izany fa “mahira-tsaina lavitra ny ankizy niresahan’ny ray aman-dreniny foana [talohan’ny fahatelo taonany], raha oharina amin’ny ankizy tsy niresahan’ny ray aman-dreniny firy.” Hoy koa ilay boky: “Ireo ray aman-dreny mpiresaka amin’ny zanany, dia matetika no midera azy rehefa mahavita zavatra izy, mamaly ny fanontaniany, manoro azy fa tsy mandidindidy, ary mampiasa teny samy hafa arakaraka ny zava-mitranga.” Raha ray aman-dreny ianao, iresahanao foana ve ny zanakao? Mahaliana ve ny resaka ataonao aminy?

Ny fitiavana dia tsara fanahy sy mihevitra ny hafa

Tsy mitovy ny fahaizan’ny ankizy, ka tsy ny zanany mahay ihany no tokony hanehoan’ny ray aman-dreny fitiavana. Ankehitriny anefa, dia izay olona mahay ihany no heverina ho misy vidiny. Milaza ny boky Fahaizana Mieritreritra sy Mianatra (anglisy), fa io fiheverana io, dia mety hahatonga ny ankizy sasany hieritreritra hoe “tsy tena misy vidiny izy raha tsy mahay kokoa noho ny hafa.” Mety ho sorena be àry izy, sy “hanahy foana sao tsy hahazo naoty tsara.” Milaza ny gazety Inde Ankehitriny (anglisy) fa nitombo avo telo heny ny isan’ny zatovo namono tena tany Inde, tao anatin’ny 25 taona farany. Voalaza fa nanahy mafy ny tsy hahazo naoty ambony ny ankamaroan’izy ireo, sady tsy noraharahain’ny fianakaviany.

Mety halahelo koa ny ankizy raha tenenina foana hoe “dondrina” na “vendrana.” Tsy mampirisika azy hianatra ny teny mandratra toy izany, fa mahakivy azy. Tokony ho tsara fanahy foana àry ny ray aman-dreny be fitiavana. Ampirisihiny ho tia mianatra ny zanany, nefa tsy tereny hanao zavatra tsy ho vitany na levileveny, fa arahiny arakaraka ny hakingan-tsainy. (1 Korintianina 13:4) Raha manana olana eo amin’ny fianarana ilay ankizy, dia hiezaka hanampy azy ny ray aman-dreny be fitiavana, fa tsy hanao izay hahatsiarovany tena hoe tsy mahay na tsy misy ilana azy. Marina fa mila manana faharetana sy mahay mandanjalanja izy ireo amin’izany, nefa tsy ho very maina ny ezaka ataony. Ahoana no hananana izany fitiavana izany? Voalohany indrindra, dia ilaina ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly.

Manampy hahay handanjalanja ny toro lalan’ny Baiboly

Maro ny soa azontsika rehefa manaraka ny toro lalan’ny Baiboly isika. Tsapantsika, ohatra, fa ilaina ny fianarana, nefa tsy izy io no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Ohatra, mety hanampy antsika amin-javatra maro ny matematika, nefa tsy manampy antsika ho olona madio fitondran-tena sy manaraka fitsipika izy io.

Mampirisika antsika koa ny Baiboly mba handanjalanja ny fotoana atokantsika amin’ny fianarana any an-tsekoly. Hoy izy: “Tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.” (Mpitoriteny 12:12) Marina fa tokony homena fanabeazana fototra ny ankizy. Tokony hahay hamaky teny sy hanoratra ary hanao kajy, ohatra, izy. Tsy tokony ho lany amin’izany daholo anefa ny fotoanany. Ilainy koa ny manokana fotoana amin’ny zavatra hafa mahasoa, indrindra ny fianarana Baiboly, izay manampy azy ho tsara toetra.

Manoro hevitra antsika koa ny Baiboly mba hanetry tena. (Mika 6:8) Ny olona manetry tena dia manaiky fa voafetra ny zavatra mety ho vitany. Tsy fatra-paniry laza na tia mifaninana, toy izay hita any amin’ny sekoly maro koa izy. “Mety hamoy fo” ny olona manana toe-tsaina toy izany, hoy ny gazety Inde Ankehitriny. Tsy hanjo antsika izany, raha mankatò ity torohevitry ny Baiboly ity isika, na tanora na antitra: “Aoka isika tsy hirehaka ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana.” “Aoka kosa ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”—Galatianina 5:26; 6:4.

Ahoana no ampiharan’ny ray aman-dreny izany eo amin’ny fampianarana ny zanany? Tokony hampirisihiny hanana tanjona ny ankizy tsirairay, ary tsy hampitaha ny tenany amin’ny hafa. Aoka hatao hoe avy nanao fitsapam-pahaizana ny zanakao, ka mety ho matematika na sora-tononina ilay izy. Asaivo ampitahainy amin’ny naotiny taloha ny naoty azony. Omeo teny fiderana na fampaherezana izy avy eo. Raha manao izany ianao, dia hanampy azy hanana tanjona azo tratrarina sy hahita ny fandrosoany ary hiezaka mba hihatsara. Aza ampitahaina amin’ny ankizy hafa anefa izy.

Misy tanora matahotra ny hihomehezan’ny namany anefa, ka tsy miezaka ny hahazo naoty tsara, na dia mahay aza. Milaza izy ireo hoe: “Tsy lamaody intsony izany hoe mpianatra mahay izany.” Afaka manampy anao mba tsy hanana izany toe-tsaina izany ve ny toro lalan’ny Baiboly? Eny tokoa! Hoy ny Kolosianina 3:23: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.” Azo antoka fa tsy misy antony tsara kokoa hanaovana ezaka mafy ankoatra ny hoe mba hampifaliana an’Andriamanitra. Manana herim-po hanoherana ny fitaoman-dratsin’ny namana, ireo manana izany toe-tsaina tena tsara izany.

Ampianaro ho tia mamaky teny ny ankizy

Tena mila mahay mamaky teny sy manoratra ny ankizy, mba hampandeha tsara izay karazana fianarana ataony. Mety ho lasa tia mamaky teny izy, raha amakian’ny ray aman-dreny teny, dieny mbola kely. Mpitsara tsipelin-teny no asan’i Daphne. Faly izy satria namaky teny taminy foana ny ray aman-dreniny, tamin’izy mbola kely. Hoy izy: “Nataon’izy ireo izay hitiavako mamaky teny. Mbola tsy niditra nianatra àry aho, dia efa nahay namaky teny. Nampianatra ahy hanao fikarohana koa ry zareo. Izaho ihany amin’izay no mitady ny valin’ny fanontaniako. Tena mahasoa ahy foana izany fampianarana izany hatramin’izao.”

Mampitandrina anefa i Holt, fa “tsy tokony hanantena be loatra isika hoe hitondra vokany tena miavaka” ny famakian-teny amin’ny ankizy. Hoy koa izy: “Raha samy tsy tia mamaky teny na ny ray aman-dreny na ilay ankizy, dia mety hisy vokany ratsy izany. ... Lasa tsy tia hamakiana teny ny ankizy, raha tsy tia mamaky teny aminy ny ray aman-dreniny.” Manoro hevitra ny ray aman-dreny àry i Holt mba hifidy boky tian’izy ireo. Mety hasain’ilay ankizy hovakina aminy imbetsaka mantsy ilay izy! Misy boky roa, izay tian’ny ray aman-dreny an-tapitrisany ny mamaky azy amin’ny zanany, dia ny Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, izay samy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natokana ho an’ny ankizy ireo boky ireo. Feno sary tsara tarehy izy ireo, ary mampirisika ny ankizy hieritreritra sy mampianatra azy ny toro lalan’Andriamanitra.

Nisy Kristianina iray nantsoina hoe Timoty, tamin’ny taonjato voalohany. Nokarakarain’ny reniny sy ny renibeny tsara ny fianarany, indrindra fa ny fianarany momba an’Andriamanitra. (2 Timoty 1:5; 3:15) Lasa tena nahay nandray andraikitra sy azo nitokisana i Timoty, rehefa lehibe. Tsy ampy hahatonga ny olona iray ho toy izany, raha ny fianarana any an-tsekoly fotsiny. (Filipianina 2:19, 20; 1 Timoty 4:12-15) Misy tanora maro, lasa tsara toetra toa an’i Timoty ankehitriny, eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny fitaizan’ny ray aman-dreny be fitiavana sy tia an’Andriamanitra.

Aoka ianao hafana fo rehefa mampianatra!

“Hafanam-po no tena ilain’ny mpampianatra, raha tiany hazoto hianatra ny mpianany”, hoy ny boky Te Hianatra. “Raha vao jeren’ny mpianany fotsiny ny mpampianatra mafana fo, dia hitan’izy ireo avy hatrany fa tiany ny zavatra ampianariny. Hita taratra eo amin’ny fomba fampianarany izany hafanam-pony izany.”

Tsy ny ray aman-dreny na ny mpampianatra rehetra anefa no mafana fo. Miezaka hahatsapa tena àry ny mpianatra hendry, ka hitadidy fa izy mihitsy no mila mianatra. Milaza mantsy ilay boky etsy aloha hoe “tsy voatery hisy olona foana ho eo anilan’ny zanatsika mba hanampy azy hianatra, hamita tsara ny asany, hieritreritra, ary hiezaka bebe kokoa hahay zavatra.”

Mbola manamafy an’ilay voalaza teny aloha ihany izany. Zava-dehibe kokoa noho izay ianarana any an-tsekoly ny toetra tsara ianarana ao an-trano. Ry ray aman-dreny, hita hoe mafana fo ve ianareo amin’ny resaka fianarana? Toerana mampahazoto mianatra ve ny tranonareo, indrindra ianarana ny fitsipik’Andriamanitra? (Efesianina 6:4) Tadidio fa hisy vokany eo amin’ny zanakareo foana ny modely omenareo sy izay ampianarinareo azy, na dia efa tsy mankany am-pianarana sy tsy ao an-trano intsony aza izy.—Jereo ilay efajoro hoe “Tianao Hahomby ve ny Fianaran’ny Zanakao?”, eo amin’ny pejy 7.

Fantaro fa samy manana ny fomba fianarany ny olona

Tsy mitovy ny fiasan’ny sain’ny olona tsirairay, ka samy manana ny fomba fianarany izy ireo. Mety tsy handaitra amin’ny olona iray izay mandaitra amin’ny iray hafa. Hoy àry ny Dr. Mel Levine, ao amin’ilay bokiny hoe Asio Fiheverana ny Sain’ny Tsirairay (anglisy): “Tsy rariny raha ataontsika mitovy ny fampianarana ny ankizy rehetra. Samy manana ny fomba fianarany izy ireny, ka tokony harahina izany.”

Mora mahazo sy mahatadidy fanazavana, ohatra, ny olona sasany rehefa atao sary izany. Mila soratana na hazavaina kosa izany ho an’ny hafa. Misy koa anefa mila an’ireo rehetra ireo miaraka. Hoy i Levine: “Ny fomba tsara indrindra hitadidiana fanazavana iray, dia ny fanovana azy. Raha sary ilay izy, dia avadiho ho teny. Raha teny kosa ilay izy, dia ataovy sary.” Handaitra kokoa sady hahafinaritra kokoa ny fianarana amin’izay.

Mazava ho azy, fa mety tsy maintsy handramanao aloha ireo rehetra ireo vao ho hitanao hoe inona no fomba fianarana tena mety aminao. Nisy lehilahy zokiolona, atao hoe George, nianatra Baiboly tamin’i Hans, mpitory manontolo andro. Tsy nahita fianarana firy i George, ka sarotra taminy ny nahazo sy nitadidy fanazavana sasany. Nanandrana nanao sary tsotsotra àry i Hans mba hanazavana taminy an’ireo hevi-dehibe. Hoy i Hans: “Tena nisy vokany tsara teo amin’i George izany. Nanomboka nahazo sy nahatadidy tsara ireo fanazavana izy, ka tena gaga! Hitako fa marani-tsaina lavitra, tsy araka ny nieritreretako azy izy, rehefa fantatro ny fomba fiasan’ny sainy. Tsy ela dia nihanatoky tena izy, ary tsy andriny foana ny fotoana ianaranay.”

Mbola afaka mianatra ianao na dia efa antitra aza

Hoy ny boky Ny Firafitry ny Atidoha: “Arakaraka ny ampiasana azy no ahavitan’ny atidoha zavatra. Raha tsy ampiasaina izy io, dia ho very ny fahaizana sasany efa ananany. Te hianatra zava-baovao foana izy io.” Hoy ihany io boky io: “Mbola matanjaka foana ny olona 70 na 90 taona latsaka kely, raha manao fanatanjahan-tena. Hitan’ny mpikaroka koa izao fa matanjaka toy izany koa ny atidoha, raha ampiasaina. Noheverina hatramin’izay, fa mihaosa ny olona arakaraka ny androsoan’ny taonany, ka tsy miasa tsara intsony ny atidohany. Misy olona mino an’izany, ka tsy te hampiasa saina. Hita tamin’ilay fikarohana anefa, fa ny tsy fampiasana saina indrindra no tena mahatonga ny atidoha tsy hiasa tsara. Tsy marina koa ilay fiheverana hatramin’izay hoe be dia be ny sela potika ao amin’ny atidoha isan’andro, arakaraka ny androsoan’ny taona.” Aretina no mahatonga ny atidoha tsy hiasa tsara intsony matetika. Mety ho aretim-po izany.

Marina fa mety hihena ny zava-bitan’ny atidoha, rehefa mihantitra ny olona. Tsy voatery hihena be anefa izany. Milaza ny mpikaroka fa miasa tsara foana ny atidoha raha ampiasaina. Vao mainka aza izy io hiasa tsara kokoa, raha manao fanatanjahan-tena tsy tapaka ilay olona. Hoy ny boky iray natao hampirisihana ny zokiolona hianatra: “Vao mainka mahavita mianatra ny olona iray, arakaraka ny ianarany. Mahay kokoa ny olona tsy mitsahatra mianatra.”

Voaporofo izany tamin’ny fandinihana izay naharitra 20 taona, natao tamin’ny olona maromaro, 60 ka hatramin’ny 98 taona, tany Aostralia. Noresahina tao amin’ny tatitra momba io fandinihana io fa zara raha nihena ny hakingan-tsain’ny maro tamin’izy ireo. Voalaza aza fa “tsy nihena mihitsy ny an’ny sasany, anisan’izany ireo 90 taona mahery. Mazàna izy ireny no olona nianatra taranja nilana fitsipika hentitra, toy ny fianarana teny vahiny na zavamaneno.”

Efa 70 taona mahery i George, ilay voalaza terỳ aloha, rehefa nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Efa antitra koa i Virginia sy Robert vadiny, vao nanomboka nianatra Baiboly. Efa 80 taona mahery izao i Virginia, ary efa maty i Robert. Hoy i Virginia: “Mbola nanao lahateny fohy nalainy avy tamina drafitra sy nianarany tsianjery i Robert, tany amin’ny Efitrano Fanjakana, na dia efa tsy nahita tsara intsony aza. Izaho kosa tsy tia namaky teny mihitsy taloha, nefa lasa tia aho izao. Nahavaky gazety Mifohaza! iray manontolo aza aho tamin’ny maraina!”

Mbola misy zokiolona maro be ankoatra an’ireo, mampiasa tsara ny sainy, mba hanaporofoany fa tsy marina ilay fiheverana hoe tsy afaka mianatra intsony ny olona, rehefa mandroso taona. Hita tamin’ny fikarohana fa afaka mianatra zavatra be dia be ny atidoha, ka tsy misy dikany aminy ny fianarana mandritra ny 70 na 80 taona. Kely dia kely izany, toy ny hoe rano eran’ny sotrokely oharina amin’ny rano eran’ny barìka. Nahoana no tsy manam-petra toy izany ny zava-bitan’ny atidohan’ny olombelona?

[Efajoro/Sary, pejy 4, 5]

Mahasoa sa Tsia ny Internet sy ny Tele?

“Sady misy maha tsara no misy maha ratsy azy ny Internet”, hoy ny boky Asio Fiheverana ny Sain’ny Tsirairay. Mety tena hahasoa ny mianatra mitady fanazavana ao amin’izy io, araka ilay boky. ‘Mandika fotsiny ny fanazavana hitany anefa ny mpianatra sasany, fa tsy tena miezaka hahatakatra na hampifandray izany amin’ny zavatra efa hainy. Mety hahatonga azy tsy hampiasa saina intsony izany, satria tonga dia vonona izay fanazavana ilainy. Mety halainy tahaka fotsiny mihitsy aza izay zavatra hitany ao, fa tsy mba mamorona izy.’

Milaza ny mpikaroka fa mety ho ela vao hahavaha zava-manahirana ny olona mandany fotoana be loatra ijerena tele. Mety tsy hahay hihaino tsara sy tsy dia hahay hampiasa saina loatra ary tsy hahatohitra fakam-panahy koa izy. Hoy ny boky Te Hianatra: “Tokony hasiana soratra fampitandremana hoe loza ho an’ny fahasalamako sy ho an’ny hafa koa eo amin’ny tele, toy ilay hita eo amin’ny fonon-tsigara.”

Ireto no tena ilain’ny ankizy, hoy ny boky iray hafa: “Fianarana miteny (amin’ny alalan’ny vakiteny sy resaka), fitiavana, ary famihinana matetika.”

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Tianao Hahomby ve ny Fianaran’ny Zanakao?

Mila manana ireto fahazarana sy toe-tsaina ireto ny fianakaviana, raha tiana hahomby ny fianaran’ny ankizy:

◼ Mamerimberina amim-pitiavana amin’ny ankizy, fa tokony ho hendry sy hiezaka hanao zavatra tsara araka izay tratran’ny heriny izy

◼ Mila miezaka mafy raha te hahomby

◼ Manao zavatra foana fa tsy mipetrapetraka

◼ Asaina manokana fotoana betsaka hianarana sy hanaovana zavatra ao an-trano isan-kerinandro ny ankizy, toy ny entimody, vakiteny ho fialam-boly, lalao, asa iarahana amin’ny fianakaviana, ary raharaha

◼ Mila mifampahery ny mpianakavy, ary mifanampy rehefa misy olana

◼ Atao mazava tsara amin’ny ankizy ny fitsipika arahina ao an-trano, ary tokony hanaraka azy ireny koa ny ray aman-dreny

◼ Miresaka tsy tapaka amin’ny mpampianatra

◼ Asehoy amin’ny ankizy fa ny fandrosoana ara-panahy no zava-dehibe indrindra

[Sary]

Ry ray aman-dreny, ataonareo ve izay itiavan’ny zanakareo mamaky teny?

[Sary nahazoan-dalana]

Nalaina tao amin’ny boky Te Hianatra—Fomba Hanampiana ny Ankizy ho Tia Mianatra.

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

Tianao ho Tsara sy Hahafinaritra Kokoa ve ny Fianaranao?

Miezaha ho liana amin’izay ianaranao Ho tianao kokoa amin’izay ilay izy. Hoy ny boky Saina Mavitrika—Fitaizana ny Ankizy ho Tia Mianatra (anglisy): “Voaporofon’ny mpikaroka fa rehefa tian’ny ankizy ny zavatra ianarany, dia halalininy sy heveriny ho zava-dehibe kokoa, ary tsy mora mankaleo azy. Tsy mora kivy koa izy, mahay mamoron-javatra kokoa, ary mazoto kokoa hanao asa mafy.”

Ampifandraiso amin’ny fiainana ilay izy Nilaza i Richard Weaver II, mpanoratra sady mpanabe, fa mazava amin’ny ankizy ny zavatra ianarany ao an-dakilasy, rehefa ampifandraisiny amin’ny zavatra iainany izany.

Miezaha hahatakatra izay ianaranao Mampiasa ny sainy sy ny fitadidiany ny olona, rehefa miezaka hahatakatra zavatra iray. Ilaina indraindray ny mianatra tsianjery ny lesona, nefa mbola zava-dehibe lavitra ny fahatakarana ilay izy. Hoy ny Ohabolana 4:7, 8: “Lanio ny fanananao rehetra hamidy [fahatakarana hevi-javatra, TV ]. Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa.”

Miezaha mifantoka Hoy ny boky Ampianaro Hifantoka ny Zanakao (anglisy): “Zava-dehibe mihitsy ny mifantoka rehefa mianatra, ka voalaza fa tena ilaina izy io raha tiana ny ho kinga saina. Voalaza mihitsy aza fa mitovy amin’ny hakingan-tsaina izy io.” Azo ampianarina mifantoka ny mpianatra. Amin’ny voalohany, ohatra, dia azo atao fohifohy ny fianarana, ary ampitomboina tsikelikely avy eo.

Lazao amin’ny fomba hafa izay nianaranao Hoy ny Dr. Mel Levine ao amin’ilay bokiny hoe Asio Fiheverana ny Sain’ny Tsirairay: “Ny mpianatra tena mahay, dia izay tena mahay milaza amin’ny fomba hafa ny zavatra nianarany.” Lasa fohy sy tsotra kokoa ilay fanazavana, ka mora tadidy. Mampihatra an’izany ny olona mahay mandray an-tsoratra, ka tsy manoratra izay teny rehetra voalaza.

Ampifandraiso amin’izay efa hainao ilay izy Ampitovin’i Peter Russell amin’ny farango ny fitadidiana, ao amin’ny Boky Momba ny Atidoha. Azo anantonana farango hafa eo amin’ireny farango ireny. Raha tsorina dia izao: Hihatsara ny fitadidiana, rehefa ampifandraisina amin’ny zavatra efa hay ny zava-baovao ianarana. Arakaraka ny anaovanao izany no vao mainka hahatsara azy io.

Makà sary an-tsaina Mijanona maharitra ao an-tsaina ny sary. Alaivo sary an-tsaina àry izay ianaranao, raha mety. Manao izany ny manam-pahaizana momba ny fitadidiana. Matetika izy ireo no manao sary mampihomehy, mba hanampiana ny olona hitadidy.

Manaova famerenana Afaka iray andro, dia efa mety ho hadinontsika ny ankamaroan’ny zavatra nianarantsika. Koa tsara raha averintsika kely ilay izy aorian’ny nianarana azy, ary avy eo iray andro, herinandro, iray volana, na enim-bolana atỳ aoriana mihitsy aza. Tena hihatsara ny fitadidiantsika amin’izay, ka saika ny zava-drehetra nianarantsika no tadidintsika.

[Sary, pejy 8]

Tokony hiara-miasa ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra eo amin’ny fampianarana ny ankizy

[Sary, pejy 10]

Mbola afaka mianatra na dia ny zokiolona aza