Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Miahy ny Ankizy ve Andriamanitra?

Tena Miahy ny Ankizy ve Andriamanitra?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tena Miahy ny Ankizy ve Andriamanitra?

ANKIZY an-jato tapitrisany isan-taona no hararaotina, ampijalina, ary ampiharana herisetra. Maro no miasa toy ny andevo any amin’ny toerana mampidi-doza. Ny hafa alaina an-keriny sy terena hanao miaramila na hivaro-tena. Misy olon-dehibe koa mamadika ny fitokisan’ny ankizy maro. Anisan’izany ny havany akaiky manery azy hanao firaisana aminy, sy ny olon-kafa mampijaly azy amin’ny fomba mahatsiravina.

Tsy mahagaga àry raha manahy ny amin’ny fahorian’ny ankizy, ny olona tso-po sy miahy azy ireo. Manaiky ny sasany fa ny fitiavan-karena sy ny faharatsian-toetran’ny olona no tena mahatonga ireny fampijaliana ireny. Na izany aza dia sarotra aminy ny manaiky hoe mamela izany tsy rariny izany hitranga ny Andriamanitra fitiavana iray. Mieritreritra angamba izy fa nahafoy ireny ankizy ireny Andriamanitra ary tsy tena miahy azy ireo. Marina ve izany? Tena mahavaky fo tokoa ny fanararaotana sy ny fampijaliana ny ankizy. Midika ve izany fa tsy miahy azy ireny Andriamanitra? Inona no lazain’ny Baiboly momba izany?

Manameloka ireo mpampijaly Andriamanitra

Tsy fikasan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy ny hanararaotan’ny olona tsy misy indrafo ny ankizy. Anisan’ny zavatra mahatsiravina indrindra vokatry ny fikomian’ny olombelona tao amin’ny saha Edena kosa izany. Nanda ny zon’Andriamanitra hitondra mantsy ny olona tamin’izay, ka nanjary nanararaotra ny namany tamin’ny fomba tsy mifaditrovana.—Genesisy 3:11-13, 16; Mpitoriteny 8:9.

Halan’Andriamanitra ny olona manararaotra ny mafy ady sy ny tsy misy mpiaro. Fahiny, dia maro tamin’ireo firenena tsy nanompo an’i Jehovah no nanao sorona ankizy. Nilaza anefa izy fa ‘zavatra tsy mba nandidiany na tao an-tsainy akory aza izany.’ (Jeremia 7:31) Nampitandrina ny vahoakany koa izy hoe: “Raha mampahory [ny kamboty] na amin’inona na amin’inona hianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ka hirehitra ny fahatezerako.”—Eksodosy 22:21-23.

Tia ankizy i Jehovah

Miharihary fa miahy ny ankizy Andriamanitra matoa nanome toromarika feno fahendrena ho an’ny ray aman-dreny. Azo antenaina kokoa ho tonga olon-dehibe matotra sy hahay hiatrika ny fiainana, ny ankizy beazina ao amin’ny tokantrano milamina. Izany indrindra no namoronan’Andriamanitra ny fanambadiana mba haharitra mandra-maty, ka hoy izy: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:24) Milaza ny Baiboly fa ny mpivady ihany no mahazo manao firaisana ara-nofo. Ho voakarakara tsara ao anatin’ny tokantrano milamina ny ankizy amin’izay.—Hebreo 13:4.

Manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fampiofanan’ny ray aman-dreny koa ny Soratra Masina. Izao no lazainy: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana.” (Salamo 127:3, 4) Fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny zanaka, ary tiany ho sambatra izy ireo. Asain’Andriamanitra manome tari-dalana tsara ho an’ny zanany ny ray aman-dreny, toy ny mpandefa zana-tsipìka mikendry tsara izay handefasany ny zana-tsipìkany. Mandidy toy izao izy: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efesianina 6:4.

Miahy ny ankizy koa i Jehovah, satria mampianatra ny ray aman-dreny hiaro ny zanany amin’ny olon-dratsy. Nomena baiko mba hihaino ny Lalàna ny Israely fahiny, eny fa na dia ny “ankizy madinika” aza. Anisan’izany ny lalàna momba ny firaisana azo atao sy ny tsy azo atao. (Deoteronomia 31:12; Levitikosy 18:6-24) Irin’Andriamanitra ny hanaovan’ny ray aman-dreny araka izay fara heriny, mba hiarovana ny zanany amin’ny olona mety hanararaotra na hampijaly azy.

Fanantenana ho an’ny ankizy

Mbola tia ankizy foana i Jehovah, ary nampiseho tsara izany i Jesosy Kristy. Nanahaka ny toetran’ny Rainy tamin’ny fomba tonga lafatra mantsy izy. (Jaona 5:19) Nitondra ny zanany kely ho eo amin’i Jesosy, ohatra, ny ray aman-dreny sasany indray mandeha. Nosakanan’ny apostoly anefa izy ireo, satria noeritreretiny fa hanelingelina an’i Jesosy. Tezitra àry i Jesosy ka nanitsy azy ireo toy izao: “Avelao ny zaza hanatona ahy.” Avy eo dia “namihina ireo zaza izy ka nitso-drano azy.” (Marka 10:13-16) Tsy hoe tsy misy dikany àry ny ankizy eo imason’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany.

Hanamaivana ny fahorian’ny ankizy kosa Andriamanitra tsy ho ela, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendriny. Horinganina mandrakizay ireo matimatin-karena sy ireo mpampijaly tsy misy indrafo. (Salamo 37:10, 11) Hoy kosa ny Baiboly momba ny mpandefitra izay mitady an’i Jehovah: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.

Mandra-pahatongan’izany, dia maneho ny fitiavany Andriamanitra ankehitriny, ka manampy sy mampahery an’ireo rehetra hararaotina sy ampahorina. Mampanantena toy izao izy: “Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko.” (Ezekiela 34:16) Mampionona ireo ankizy ampahorin’ny hafa sy mahantra i Jehovah, amin’ny alalan’ny Teniny, sy ny fanahiny masina, ary ny fiangonana kristianina. Mahafaly tokoa ny mahafantatra fa dieny ankehitriny sy amin’ny hoavy, dia ‘mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra, ilay Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra.’—2 Korintianina 1:3, 4.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

© Mikkel Ostergaard /Panos Pictures