Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eto ambany ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Iza no mpisoronabe tamin’ny fotoana nahatongavan’i Samoela ho mpaminany? (1 Samoela 3:10-13)

2. Inona no anarana niantsoan’ny Amorita ny Tendrombohitra Hermona? (Deoteronomia 3:9)

3. Iza no vady faharoan’i Abrahama, ary firy ny zanany tamin’io vehivavy io? (Genesisy 25:1, 2)

4. Nahoana no tsy atao ao anaty siny hoditra tonta mihitsy ny divay vaovao? (Lioka 5:37)

5. Inona no nitranga tamin’​ny sabatr’i Ehoda, izay namonoany an’i Eglona ratsy fanahy, mpanjakan’i Moaba? (Mpitsara 3:16-22)

6. Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “ilay Solontena Lehibe Indrindra manome fiainana”? (Asan’ny Apostoly 3:15; 4:12)

7. Nahoana no i Jehovah ihany no azo antsoina hoe “marina” na tonga lafatra amin’ny lafiny rehetra? (2 Samoela 22:31; Marka 10:18)

8. Nahoana no “an’i Jehovah ny sabora rehetra” tamin’ny fanatitra biby? (Levitikosy 3:9-16)

9. Iza amin’ireo vorona mpiremby no miavaka noho izy mahita faran’izay lavitra? (Joba 39:27, 29)

10. Ao amin’ny Baiboly, anaram-boninahitra inona no ampiasaina mba hiantsoana an’i Jehovah, na zavatra ivavahana, na olona? (Eksodosy 7:1)

11. Iza no mpaminany nirahin’i Jehovah hilaza mialoha fa hizara ny fanjakan’i Solomona? (1 Mpanjaka 11:29-32)

12. Nampiasa ohatra i Jesosy rehefa nampiseho ny faniriany hanangona ny mponina nanda ny hafatra notoriny tao Jerosalema. Inona no vorona noresahiny tamin’izany? (Lioka 13:34)

13. Inona no nolazain’i Jesosy fa “jiron’ny vatana”? (Matio 6:22)

14. Natoky i Daniela fa rahoviana no hazava ny faminaniany? (Daniela 12:4)

15. Ahoana no fomba nandosiran’i Paoly ny Jiosy, izay nitetika ny hamono azy tany Damaskosy? (Asan’ny Apostoly 9:25)

16. Inona no nahatonga ny sasany “niala tamin’ny finoana” ka ‘nampanaintaina’ azy mafy? (1 Timoty 6:10)

17. Araka ny toromarik’i Jehovah, firy ny mpisafo tany nirahin’i Mosesy tany Kanana? Ary iza ihany no nanao tatitra tsara? (Nomery 13:2; 14:6-9)

18. Voalazan’ny Asan’ny Apostoly 25:11 fa rehefa notsarain’i Festosy i Paoly, dia nilaza fa hampiakariny any amin’ny Kaisara ny raharaha. Iza io Kaisara io?

[Efajoro, pejy 27]

Valiny

1. Ely

2. Senira

3. Ketora; Enina

4. Henjana ny siny hoditra ­tonta, ka ho vaky rehefa miotrika elaela ao anatiny ny divay

5. Natavy be i Eglona, ka difotra tanteraka tao an-kibony ilay sabatra

6. Satria “tsy misy hafa hahazoana famonjena.” Nomena tamin’ny alalan’i Jesosy ny vidim-panavotana, ary voatendry ho Mpitsara izy

7. Tsy misy fetrany ny zavatra mety ho vitan’i Jehovah, tapitr’ohatra ny fahatsarany, mendrika ny fiderana rehetra izy, ary izy no tsara toetra indrindra sy manana ny hery fara tampony

8. Izy io no ampahany tsara indrindra amin’ny biby. Mampiseho izany fa tokony ho an’i Jehovah ny tsara indrindra

9. Ny voromahery

10. Andriamanitra

11. Ahia

12. Reniakoho

13. Ny maso

14. “Ny andro farany”

15. Nataon’ny mpianany tao an-tsobika izy, ka nampidininy avy teo amin’ny loaka tamin’ny manda, tamin’ny alina

16. “Ny fitiavam-bola”

17. Roa ambin’ny folo; Josoa sy Kaleba

18. Néron