Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Kilalao Tsara Indrindra

Ny Kilalao Tsara Indrindra

Ny Kilalao Tsara Indrindra

Inona no kilalao homeko ny zanako? Ohatrinona ny vola tokony holaniko amin’izany? Azo inoana fa efa nametraka ireo fanontaniana ireo ianao matetika, raha ray na reny. Hahafaly anao izao ny hahafantatra fa ny kilalao tsara indrindra, dia mety ho ny mora vidy indrindra.

Hoy ilay boky hoe Saina Mavitrika—Fitaizana ny Ankizy ho Tia Mianatra: ‘Mandray soa kokoa ny ankizy raha mampiasa ny tanany sy mikaroka, toy izay mijery fotsiny. Tsara kokoa àry ny kilalao tsotra nefa mampiasa saina, noho ny aotomobilina kely mandeha pila na saribakoly miteny. Mametra ny zavatra ataon’ny zanakao mantsy ireny. Mety hahafaly ny ankizy ireny kilalao ireny amin’ny voalohany. Vetivety dia leo anefa izy ireo matetika, satria tsy mamela azy hanandranandrana sy hikaroka ary hamoron-javatra izany.’

Misy kilalao mampiasa saina maromaro azo omena ny ankizy, arakaraka ny taonany. Afaka manamboatra trano kely na zavatra hafa izy, ohatra, raha omenao fitaovana tsotra toy ny boaty, taratasy, loko, pensilihazo, sy ny tahaka izany. Mety hety koa aza ny fasika sy rano. Manohy toy izao ilay boky: “Raha omena biby plastika kely isan-karazany atao kilalao [ny ankizy], dia afaka mampiaraka izay mitovy karazana sy mampitaha ireo tsy mitovy. Afaka manao tantara amin’izy ireny koa izy, ka manjary mahay miteny kokoa.” Manoro hevitra koa ilay boky fa raha vonona hiaritra tabataba ianao, dia azo omena zavamaneno tsotsotra ny ankizy mba hifankazarany amin’ny feo isan-karazany.

Manana saina tia karokaroka ny ankizy, ary mazoto mianatra sy milalao. Nahoana àry raha fidina tsara izay kilalao hanampy azy amin’ireo lafiny telo ireo?