Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihabetsaka ny Ray Tsy Mandray Andraikitra

Mihabetsaka ny Ray Tsy Mandray Andraikitra

Mihabetsaka ny Ray Tsy Mandray Andraikitra

MIHAMARO ny ray mandao ny ankohonany. Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1990, dia nilaza ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy), fa i Etazonia no “firenena tena betsaka fianakaviana tsy misy ray.” Fahita maneran-tany koa anefa izany.

Araka ny tatitra momba ny fanisam-bahoaka natao tany Brezila tamin’ny taona 2000, dia vehivavy no loham-pianakaviana ao amin’ny 11,2 tapitrisa amin’ireo fianakaviana 44,7 tapitrisa any. Ny ampahefatry ny ankizy tany Nikaragoà no tsy nanana afa-tsy reny. Efa ho ny ampahatelon’ny ankizy tany Costa Rica no tsy nisoratra tamin’ny rainy, nandritra ireo taona 1990, raha ampahefany latsaka izany teo aloha.

Santionany fotsiny ireo antontan’isa ireo. Miseho amin’ny endriny hafa koa io toe-javatra io.

Eo ihany fa tsy manao tsara ny andraikiny

Jereo, aza fady, ilay efajoro hoe: “Dada a! Rahoviana Indray i Dada no Hody?” Efa 23 taona izao i Nao. Nitsotra izy hoe: “Nahalana aho vao nahita an’i Dada, tamin’izaho mbola tsy nianatra. Indray andro izay, dia tadidiko fa niangavy azy toy izao aho, rehefa handeha izy: ‘Mba modia moa Dada a! Izany an!’ ”

Tsy i Nao ihany no ankizy mahalana vao mahita ny rainy. Izany no nahatonga an’i Piotr Szczukiewicz, mpanoratra poloney, hilaza hoe: “Toy ny hoe banga ny fianakaviana rehefa tsy eo ny ray.” Marina aloha fa maro ny raim-pianakaviana tsy mandao ny ankohonany, ary mampidi-bola ho azy ireo. Hoy anefa ny gazety frantsay iray: “Raim-pianakaviana maro be no mianina fotsiny amin’ny famelomana ny zanany, fa tsy mandray anjara amin’ny fanabeazana azy ireo.”

Izao matetika no zava-misy: Tsy mandao ny ankohonany ilay ray, saingy tsy mieritreritra momba ny fiainan-janany. Variana amin-javatra hafa izy. Hoy ilay gazety frantsay hoe Fianakaviana Kristianina: “Mety ho ao an-trano ihany ilay ray, saingy tsy ao an-trano ny sainy.” Maro be ny ray toy izany ankehitriny. Nahoana?

Lazain’io gazety io fa ny tena antony dia satria “tsy hainy hoe inona avy no andraikitry ny ray na ny vady.” Mieritreritra ny raim-pianakaviana maro fa ny hany andraikiny dia ny mampidi-bola ampy ao an-trano. Hoy i Józef Augustyn, mpanoratra poloney: “Mihevitra ny raim-pianakaviana maro fa manao tsara ny andraikiny izy, rehefa mampidi-bola ho an’ny ankohonany.” Tsy izany fotsiny anefa no andraikitry ny ray.

Tsy ray mikarama be na manome fanomezana lafo vidy be ho azy no tena ilain’ny ankizy. Mihoatra lavitra noho ny fanomezana no ilain’ny ankizy, dia ny fitiavana sy ny fotoana ary ny fiahiana avy amin’ny rainy. Ireo no tena zava-dehibe aminy.

Mila mandinika indray ny fiainany ny ray

Hoy ny tatitra avy amin’ny Filan-kevitra Foibe Japoney Momba ny Fampianarana: “Tokony handinika indray ny fiainany ny raim-pianakaviana, satria mandany fotoana be loatra amin’ny asa izy ireo.” Vonona ny hanao fiovana eo amin’ny asany ve anefa ny raim-pianakaviana, raha ho an’ny zanany no hanaovany izany? Nilaza ny gazety alemà iray fa tsy vonona ny ankamaroan’ny raim-pianakaviana nanontaniana.

Mety tena halahelo ny ankizy, raha misy zavatra mahatonga azy hihevitra fa tsy miraharaha azy ny rainy. Efa 21 taona izao i Lidia, avy any Polonina. Mbola tadidiny tsara ny fihetsiky ny rainy tamin’izy mbola kely. Hoy izy: “Tsy niresaka taminay mihitsy izy. Samy naka ho azy izahay. Tsy fantany akory hoe nankany amin’ny toeram-pandihizana aho isaky ny nalalaka.” Hoy indray i Macarena, tovovavy 21 taona avy any Espaina momba ny rainy: “Nandeha niala voly niaraka tamin’ny namany izy rehefa faran’ny herinandro, ary matetika no tsy nody nandritra ny andro vitsivitsy.”

Inona no tokony ho zava-dehibe kokoa?

Mety ho tsapan’ny ankamaroan’ny raim-pianakaviana fa zara raha manokana fotoana ho an-janany sy miahy azy, izy ireo. Hoy ny raim-pianakaviana japoney iray manan-janakalahy zatovo: “Mino aho fa takatry ny zanako hoe be asa aho. Mieritreritra azy foana ange aho na dia be atao aza e!” Ampy ve anefa ny mino fa takatry ny zanakao ny antony tsy maha ao an-trano anao?

Mazava ho azy fa tsia. Mila miezaka mafy sy mamoy zavatra sasany ny raim-pianakaviana mba hanomezana izay ilain’ny zanany. Tsy mora mantsy ny manome ireo zavatra tena ilain’ny ankizy, toy ny fitiavana sy fotoana ary fiahiana. Hoy i Jesosy Kristy: “Tsy ny mofo [na sakafo] ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona.” (Matio 4:4) Araka izany, dia tsy ho lasa olom-banona mihitsy ny ankizy raha sakafo fotsiny no omena azy. Raha raim-pianakaviana àry ianao, vonona hamoy zavatra sasany izay mety ho tena sarobidy aminao ve ianao, mba hahafahanao hiaraka amin’ny zanakao? Hafoinao ve, ohatra, ny fotoana tokony hanaovanao zavatra hafa na ny toerana ambony kokoa mety ho azonao any am-piasana?

Nitantara ny gazety japoney iray tamin’ny 10 Febroary 1986, fa nisy raim-pianakaviana nanjary nahatsapa hoe tena sarobidy taminy ny zanany. Hoy ilay gazety: “Nametra-pialana ny tompon’andraikitra ambony iray tao amin’ny Lalambim-pirenena Japoney (JNR), satria tsy te hisaraka amin’ny fianakaviany izy.” Voalazan’ilay gazety koa fa niteny toy izao io tompon’andraikitra ambony io: “Misy olon-kafa foana afaka manao ny asan’ny tale jeneraly, fa tsy hisy olon-kafa afaka hikarakara ny zanako, afa-tsy izaho.”

Mba hahatongavana ho ray mahay mandray andraikitra anefa, dia ilaina aloha ny mamantatra hoe ray toy inona no ilain’ny ankizy. Andeha hofantarintsika izany.

[Efajoro, pejy 3]

“Dada a! Rahoviana Indray i Dada no Hody?”

Izany no fanontaniana napetrak’i Nao, zazavavy kely japoney dimy taona, tamin’ny rainy handeha hiasa. Na dia nody tao an-trano foana aza ny rainy, dia nahalana i Nao vao nahita azy. Efa natory mantsy izy vao tonga ny rainy. Mbola tsy nifoha akory io zazavavy kely io, dia efa lasa niasa indray ny rainy.