Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Ilaina ve ny Mitaiza Tsara ny Ankizikely?

Tena Ilaina ve ny Mitaiza Tsara ny Ankizikely?

Tena Ilaina ve ny Mitaiza Tsara ny Ankizikely?

EFA ela i Florence no te hanan-janaka. Bevohoka izy, tamin’izy 40 taona. Nisy dokotera nampiomana azy anefa fa mety tsy hahavita hianatra zavatra sasany ilay zanany. Tsy nety nanala zaza anefa i Florence. Salama tsara ilay zazalahy kely tamin’izy teraka, ary Stephen no anarany.

Tsy ela taorian’ny nahaterahan’i Stephen, dia nanomboka namaky teny sy niresaka taminy i Florence, isaky ny afaka. Rehefa nihalehibe i Stephen, dia niara-nilalao izy mianaka, nitsangantsangana, nianatra nanisa, ary nihira. Hoy i Florence: “Niara-nilalao taminy aho, na dia rehefa nampandro azy aza.” Nisy vokany tsara izany.

Vao 14 taona i Stephen, dia nahavita ny fianarany tany amin’ny Oniversiten’i Miami, ary nahazo diplaoma nisy teny fankasitrahana hoe “Tena Tsara.” Nahavita fianarana lalàna izy, roa taona tatỳ aoriana, tamin’izy 16 taona. Voalaza ao amin’ny boky mitantara ny fiainany, fa izy no mpisolovava tanora indrindra tany Etazonia. Mpampianatra sady mpanolo-tsaina efa misotro ronono ny reniny, ny Pr. Florence Baccus. Nandalina ny amin’ny fomba fianaran’ny ankizikely izy. Tena mino izy fa ny fiahiany an-janany sy ny fampirisihana nomeny azy nandritra ny fahazazany, no nahatafita azy.

Misy ankizy nandova fahaizana ve?

Tsy ela izay, dia niady hevitra be ny manam-pahaizana momba ny saina hoe inona marina no tena mahatonga ny zaza hahira-tsaina. Efa nolovany tamin’ny ray aman-dreniny ve izany sa vokatry ny fitaizana sy ny fampianarana azony? Mino ny ankamaroan’ny mpikaroka, fa mifameno ireo zavatra ireo.

Hoy ny Pr. Fraser Mustard, manam-pahaizana momba ny fivelaran’ny sain’ny zaza: “Hitanay tamin’ny fandinihana nataonay, fa miankina amin’ny zavatra iainan’ny zaza mandritra ny fiandohan’ny fahazazany, no mahatonga ny atidohany hiasa tsara kokoa na tsia.” Hoy koa ny Profesora Susan Greenfield: “Hitanay, ohatra, fa ny faritra amin’ny atidohan’ny mpitendry lokanga, izany hoe izay faritra mifandray amin’ny tanany havia, dia miasa tsara kokoa noho ny an’ny olon-kafa.”

Ahoana àry no hitaizana ny sain’ny ankizy?

Noho izany zavatra hitan’ny manam-pahaizana izany, dia manao izay ho afany ny ray aman-dreny maro, mba handefasana ny zanany any amin’ny akanin-jaza tsara indrindra. Tsy vitan’izay ihany fa mandany vola be koa izy ireo hampianarana mozika sy zavakanto ny zanany. Mino ny sasany fa raha mianatra ny zava-drehetra ny zaza, dia hahay ny zava-drehetra koa izy rehefa lehibe. Mihabetsaka ny sekoly sy akanin-jaza mampianatra taranja manokana. Vonona hanao izay rehetra vitany ny ray aman-dreny sasany, mba hananan’ny zanany tombony mihoatra noho ny ankizy hafa.

Misy vokany tsara foana ve izany ezaka be izany? Marina fa toa mety hanampy ny ankizy hahavita hianatra zavatra be dia be izany. Matetika anefa izy no tsy afaka manao lalao tsy nomanina mialoha, kanefa io no tena manampy azy hiana-javatra. Milaza mantsy ny mpanabe fa mahatonga azy hahay hamoron-javatra izy io. Manatsara ny fifandraisany amin’ny olona koa izy io, mampivelatra ny sainy, ary ahaizany mifehy ny fihetseham-pony.

Misy manam-pahaizana momba ny fivelaran’ny sain’ny zaza mino fa miteraka voka-dratsiny eo amin’ny zaza raha ny ray aman-dreny no mandamina mialoha ny zava-drehetra ataony: Sorena lava izy, miovaova be ny fihetseham-pony, tsy matory firy, ary mitaraina hoe misy maharary azy. Hitan’ny manam-pahaizana iray momba ny saina, fa maro amin’ireny ankizy ireny no tsy mahay miatrika olana rehefa lasa zatovo. Tsy vitan’izany ihany, fa ‘reraka izy, tsy mahay mifandray amin’ny olona, ary mikomy.’

Very hevitra àry ny ray aman-dreny maro. Tiany hanao izay tsara indrindra mety ho vitany ny zanany. Hitan’izy ireo anefa fa hadalana ny manery ny ankizikely hianatra zavatra be loatra, sy haingana loatra. Inona àry no hanampy ny ray aman-dreny hahay handanjalanja? Ahoana no ivelaran’ny sain’ny zaza, ary ahoana no azo ampitomboana izany? Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, raha tiany hahomby eo amin’ny fianarana ny zanany? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 3]

Mahatonga ny atidoha hiasa tsara kokoa ny zavatra iainana mandritra ny fahazazana

[Sary, pejy 4]

Manampy ny ankizy hahay hamoron-javatra sy hampitombo ny fahaizany, ny lalao