Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Andraikitrao

Ny Andraikitrao

Ny Andraikitrao

IZAO no nolazain’i Peter Gorski, avy any amin’ny Sekoly Ara-pitsaboan’i Harvard: “Hiasa tsara kokoa ny atidohan’ny zanakao, raha ataonao tsapany fa tiana sy anisan’ny fianakaviana izy, sady ampirisihinao mba hanana tanjona sy ho tia karokaroka. Tsy izay hahatonga ny atidohan’ny zanatsika hiasa amin’ny fomba tonga lafatra anefa no tanjontsika, fa izay hanolokoloana azy ho lasa olona salama sy mahay misaina tsara ary be fiahiana.”

Tena ho sambatra ianao raha lasa tsara fitondran-tena sy be fiahiana ny zanakao! Ho tanteraka izany raha modely tsara ianao, minamana aminy, tsy mihafahafa miresaka aminy, ary mampianatra azy. Marina fa efa voajanahary amin’ny ankizy ny mitondra tena tsara. Tsy maintsy mampianatra azy tsikelikely ny fitsipi-pitondran-tena anefa ny ray aman-dreniny, rehefa mihalehibe izy.

Iza no tena mamolavola ny ankizy?

Tsy mitovy hevitra ny mpikaroka amin’io lafiny io. Misy mihevitra fa ny namany no tena mamolavola azy. Milaza anefa i Berry Brazelton sy Stanley Greenspan, matihanina amin’ny fivelaran’ny sain’ny zaza, fa ny fitaizana sy fiahiana avy amin’ny ray aman-dreny no tena zava-dehibe.

Mameno an’izay ataon’ny ray aman-dreny fotsiny, ny zavatra iainan’ilay zaza atỳ aoriana sy izay ianarany avy amin’ny namany. Tena ilain’ny ankizy ny hahatakarana ny manjo azy sy ny heviny. Ilainy koa ny hampianarina hahay hifehy ny fihetseham-pony. Matetika ny ankizy atao toy izany no lasa mahay miombom-pihetseham-po sy mangoraka kokoa, rehefa miara-miasa amin’ny olona.

Sarotra ny mitaiza tsara ny zaza, manomboka amin’izy vao teraka. Ho vitanao anefa izany, raha mangataka torohevitra amin’ny olona za-draharaha kokoa ianao, ary manaraka izany tsara, indrindra raha izay ianao vao niteraka. Nanoratra boky be dia be momba ny fitomboan’ny zaza ny manam-pahaizana. Matetika no mitovy amin’ny torohevitra azo itokisana ao amin’ny Baiboly ny zavatra lazain’izy ireny. Nahavita nitaiza tsara ny zanany ny ray aman-dreny maro, rehefa nampihatra ny Tenin’Andriamanitra. Diniho ireto torohevitra ireto.

Mazotoa maneho fitiavana

Toy ny zana-kazo ny ankizy. Maniry tsara sy mandrobona ny zana-kazo rehefa kolokoloina foana amim-pitiavana. Rano sy hazavana no mamelona sy mahasalama azy ary mahatonga azy ho lalim-paka. Toy izany koa fa hivelatra tsara ny sain’ny zaza, raha betsaka ny teny sy fihetsika feno fitiavana asehon’ny ray aman-dreny aminy. Ho hainy ny hifehy ny fihetseham-pony, ary hahay handanjalanja izy.

Hoy ny Baiboly: ‘Mampahery ny fitiavana.’ (1 Korintianina 8:1) Manahaka an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona, ny ray aman-dreny mazoto maneho fitiavana. Tantarain’ny Baiboly fa tamin’ny batisan’i Jesosy, dia henony ny Rainy nilaza taminy fa ankasitrahany sy tiany izy. Efa olon-dehibe izy, nefa tena nanome toky azy izany!—Lioka 3:22.

Tena mampivelatra tsara ny sain’ny zanakao ny fitiavana asehonao azy, ny tantara vakinao aminy alohan’ny hatoriany, ary na dia ny lalao iarahanao aminy aza. Hoy ny Pr. Fraser Mustard: ‘Isaky ny manao zavatra ny ankizy, dia lasa mahalala zava-baovao. Noho izany, raha mianatra mandady izy, ohatra, dia mila tandremanao tsara ny teny entinao mampahery azy, ary ny fihetsikao.’ Miankina amin’ny fitiavana sy fiahianao azy no hampitombo azy ho olon-dehibe mahay mandray andraikitra sy matotra.

Aoka ianao ho namany sy tsy hihafahafa hiresaka aminy

Hifandray akaiky ianareo, raha manokana fotoana ho azy ianao. Hahatonga azy hahay hilaza ny heviny koa izany. Mampirisika ny fianakaviana ny Soratra Masina, mba hifampiresaka tsara ao an-trano sy any an-toeran-kafa ary amin’ny fotoana rehetra mampety izany.—Deoteronomia 6:6, 7; 11:18-21.

Manaiky ireo manam-pahaizana momba ny fivelaran’ny sain’ny zaza, fa zava-dehibe lavitra noho ny kilalao lafo vidy na izay zavatra manokana atao, ny fotoana atokan’ny ray aman-dreny ho an-janany. Afaka miresaka amin’ny zanakao ianao, na dia manao zavatra tsotra sy tsy andaniam-bola aza. Afaka miara-mitsangantsangana fotsiny, ohatra, ianareo, ka manararaotra izany mba hametrahana fanontaniana sy hahafahana hifampiresaka.

Milaza ny Soratra Masina fa “ao ny andro andihizana”, na ilalaovana. (Mpitoriteny 3:1, 4) Mampivelatra ny sain’ny ankizy tokoa ny lalao tsy mampitaintaina. Manampy azy hahay hifehy ny fihetseham-pony koa izany, ary manatsara ny fifandraisany amin’ny olona. Resahin’ny Pr. Mustard fa tena ilaina ny lalao fa tsy hoe sarobidy fotsiny. Hoy izy: “Ny lalao no tena manampy ny atidohan’ny ankizy hahavita zavatra isan-karazany.” Mety ho kilalao tena tsotra, toy ny baoritra tsy misy na inona na inona, no holalaoviny. Samy mahavariana ny ankizy na ny kilalao lafo vidy sy ary fomba, na ny zavatra tsotra sy tsy mampidi-doza fampiasa ao an-trano. *

Milaza ny manam-pahaizana fa mety tsy dia hahay hampiasa saina sy hamoron-javatra loatra ny ankizy, raha asaina manao fialam-boly be dia be karakarain’ny olon-dehibe. Mila mahay mandanjalanja àry ny ray aman-dreny. Avelao ny zanakao hamantatra ny tontolo kely manodidina azy. Avelao izy hitady hevitra samirery. Mahita lalao atao foana ny ankizy. Tsy midika anefa izany hoe tsy mila mijery izay ataon’ny zanakao sy ny toerana ilalaovany ianao. Mety hitera-doza mantsy izany.

Manokàna fotoana hampianarana azy

Ny fampianarana dia lafiny lehibe amin’ny fitaizana, satria hanampy ny ankizy hahay hiatrika ny fiainana. Ray aman-dreny maro no manokana fotoana hamakiana teny amin’ny zanany isan’andro. Azo hararaotina ireny fotoana ireny, mba hampianarana ny ankizy toetra tsara sy fitsipika avy amin’ny Mpamorona antsika. Mpampianatra nahatoky sady misionera i Timoty, ary milaza ny Baiboly fa ‘mbola zazakely izy dia efa nahalala ny Soratra Masina.’—2 Timoty 3:15.

Mihabetsaka ny fitohizan-tselam-pitatitra ao amin’ny atidohan’ny zanakao, raha hamakianao teny izy. Tokony hatao amim-pitiavana anefa izany, raha tiana hisy vokany. Nampitandrina ny amin’ny karazan-javatra tokony hovakina koa i Linda Siegel, manam-pahaizana momba ny fampianarana. Hoy izy: “Tokony ho zavatra takatry ny sainy sy ankafiziny izany.” Ataovy tsy tapaka sy amin’ny fotoana mitovy koa ilay famakian-teny isan’andro. Tsy ho andriny ilay izy amin’izay.

Lafiny iray amin’ny fampianarana ny fananarana. Mahasoa ny ankizy ny fananarana atao amim-pitiavana. Hoy ny Ohabolana 19:20: “Raiso ny fananarana, mba ho hendry hianao amin’izay hiafaranao.” Tadidio anefa fa mahafaoka zavatra maro ny fananarana, anisan’izany ny teny fanitsiana, na tsy fanomezana zavatra sasany, na sazy hafa. Milaza ny Dr. Brazelton, fa ny fananarana dia “fampianarana ny ankizy hifehy ny fihetseham-pony sy hanalavitra fihetsika tsy voafehy. Mila fitsipika mazava tsara ny ankizy rehetra. Ny fananarana no zavatra lehibe indrindra tokony homena ny ankizy, manarakaraka ny fitiavana.”

Inona no tokony hataonareo ray aman-dreny, raha tianareo handaitra ny fananaranareo? Tokony ho fantatry ny zanakareo hoe nahoana izy no faizina. Ataovy tsapany fa miahy sy tia azy ianareo matoa manitsy azy.

Ezaka nisy vokany tsara

Efa hatramin’ny fahakeliny, dia namakian’i Fred teny foana ny zanany vavy talohan’ny hatoriany. Voamariny tatỳ aoriana, fa tadidin’ilay zaza daholo ny maro tamin’ny tantara novakina taminy. Nanaraka tao amin’ilay boky koa izy, satria lasa nahay ny fanononana ireo teny. Ray nazoto namaky teny ho an-janany koa i Chris. Niezaka nanovaova ny zavatra novakiny izy. Tamin’ny mbola kely ny zanany, dia ny tantara ao amin’ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly * no nampiasainy, mba hampianarana azy ireo ho tsara toetra sy hifikitra amin’Andriamanitra.

Misy ray aman-dreny miezaka manao zavatra isan-karazany ankoatra ny famakian-teny: manao sarisary na sary hoso-doko, mitendry mozika, mankany amin’ny toeram-pijerem-biby, na any an-toeran-kafa. Azo hararaotina ireny fotoana ireny hampianarana ny ankizy lesona sy fitsipika ary toetra tsara. Mora mandray zavatra mantsy ny sainy sy ny fony.

Tokony hatao ve izany asa sy ezaka rehetra izany? Raha miezaka mafy mampihatra ireo toro lalana mahasoa ireo ny ray aman-dreny, sady manao izay hampilamina ny fiainan’izy mianakavy, dia azo inoana fa hatoky tena sy ho be fanantenana ny zanany. Tena hanampy ny zanakao ho tsara toetra sy ho tia an’Andriamanitra ianao, raha ataonao izay hahatonga azy hahira-tsaina sy hahay hiresaka tsara, dieny mbola kely izy.

Taonjato maro lasa izay, dia hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 22:6: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Manana andraikitra lehibe amin’ny fitaizana ny ankizy tokoa ny ray aman-dreny. Mazotoa àry maneho fitiavana. Manokàna fotoana hiarahana aminy, ary tezao tsara sy ampianaro izy. Samy ho sambatra ianareo, raha manao izany.—Ohabolana 15:20.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ireo Kilalao Afrikana Tsy Vidim-bola”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 1993.

^ feh. 23 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy boky hafa koa mety tsara hampianarana ny ankizikely. Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe no lohateniny.

[Efajoro, pejy 7]

Milalaova Amin’ny Zanakao

◼ Tsy mahay mifantoka ela ny zazakely, ka aza milalao aminy raha tsy rehefa te hilalao izy.

◼ Kilalao tsy mampidi-doza ampiasaina, raha hampiasa ianareo. Tokony hanampy ilay zaza hampiasa ny vavahadin-tsainy rehetra izy io.

◼ Lalao misy zavatra atao no ilaina. Tian’ny zaza ny mampanao anao zavatra mitovy foana. Tiany, ohatra, ny mahita anao miverimberina maka ny kilalao alatsany.

[Sary nahazoan-dalana]

Nalaina tao amin’ny Clinical Reference Systems

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Fomba Famakian-teny Amin’ny Ankizy

◼ Mitenena mazava tsara. Tonòny tsara ny teny tsirairay. Mianatra miteny mantsy izy rehefa mihaino ny ray aman-dreniny miteny.

◼ Raha mbola kely ilay ankizy, dia tondroy ny sarin’olona sy zavatra ao amin’ilay boky, ary lazao ny anaran’izy ireo.

◼ Rehefa mihalehibe izy, dia boky tena mahaliana azy no vakio aminy.

[Sary nahazoan-dalana]

Nalaina tao amin’ny Pediatrics for Parents

[Sary, pejy 8, 9]

Miaraha miala voly amin’ny zanakareo