Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampy Fanatanjahan-tena ve Ianao?

Ampy Fanatanjahan-tena ve Ianao?

Ampy Fanatanjahan-tena ve Ianao?

“Ny fanatanjahan-tena mandritra ny androm-piainana no antenaina kokoa hahasalama maharitra, noho izay fanafody ampiasaina ankehitriny na mbola hampiasaina amin’ny hoavy.”

NANORATRA ireo teny ireo ny Dr. Walter Bortz II, mpampianatra momba ny fitsaboana, tamin’ny 1982. Maro ny manam-pahaizana sy fikambanana namerina azy ireo tao amin’ny boky sy gazety ary Internet, nandritra ireo 23 taona lasa. Mbola heverina ho azo ampiharina sy marina ireo hatramin’izao. Tokony hanontany tena àry isika hoe: ‘Ampy fanatanjahan-tena ve aho?’

Misy mihevitra fa tsy mila manao fanatanjahan-tena izy satria tsy matavy. Handray soa betsaka tokoa ny olona matavy na matavy loatra, raha manao fanatanjahan-tena tsy tapaka. Na dia tsy matavy aza anefa ianao, dia tena mety hanatsara ny fahasalamanao ny fampiasana vatana bebe kokoa. Mety tsy ho tratran’ny aretina mahafaty toy ny kansera sasany koa ianao. Hita koa, vao haingana, fa mety tsy hitebiteby firy sy tsy ho ketraka mihitsy aza ny olona mampiasa vatana. Maro amin’ny olona tsy matavy anefa no mitebiteby, na tratran’ny aretim-po sy diabeta na aretina hafa, satria tsy ampy fanatanjahan-tena. Na matavy àry ianao na tsia, dia mahasoa anao ny mampiasa vatana bebe kokoa, raha tsy mihetsika firy ianao.

Ahoana no ahalalana ny olona tsy mihetsika firy?

Samy manana ny heviny momba izany ny olona, nefa misy famaritana ankapobe eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana, ary mihatra saika amin’ny olon-drehetra. Milaza, ohatra, ny fikambanana maromaro misahana ny fahasalamana, fa tsy mampiasa vatana firy ianao raha: 1) Tsy manao fanatanjahan-tena na asa mafy hafa intelo isan-kerinandro, ary mandritra ny antsasak’adiny, fara fahakeliny, 2) tsy mihetsika mihitsy rehefa miala voly, 3) zara raha mandeha an-tongotra mihoatra ny 100 metatra ao anatin’ny iray andro, 4) mipetraka foana tontolo andro, ary 5) tsy mampiasa vatana firy any am-piasana.

Ampy fanatanjahan-tena ve ianao? Raha tsia, dia afaka manao izany ianao izao. Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Ka izaho ange tsy manam-potoana e!’ Vao mifoha ianao amin’ny maraina, dia efa reraka be. Zara raha manam-potoana hiomanana ianao avy eo, rehefa handeha hiasa. Reraka be indray ianao ny hariva satria niasa tontolo andro, ka vao mainka tsy te hanao fanatanjahan-tena. Ianao koa mbola be hatao rahateo.

Efa nanomboka nanao fanatanjahan-tena ihany angamba ianao, nefa nahita hoe mafy loatra ilay izy, ka nijanona rehefa afaka andro vitsivitsy monja. Nandraiky narary mihitsy aza angamba ianao isaky ny vita ilay izy. Ny hafa indray tsy mety manao mihitsy, satria mihevitra fa ny hoe manao fanatanjahan-tena, dia mibata tsy tapaka fonjam-by mavesatra, mihazakazaka ela be sy an-kilaometatra maro isan’andro, ary manao fihetsika mirindra tsara ho fanenjanana ny vatana.—Jereo ny efajoro “Fibatana Fonjam-by sy Fanenjanana ny Vatana.”

Misy koa mieritreritra hoe mandany vola be sy manahirana ny manao fanatanjahan-tena. Mihevitra izy ireo fa mila akanjo sy kiraro mety tsara ny mpihazakazaka. Mila fonjam-by na fitaovana manokana hafa izay te hanatanjaka hozatra. Mety ho lafo be ny fidirana ho anisan’ny fikambanana mpanao fanatanjahan-tena, ary mety handany fotoana ny fankanesana any. Tsy voatery hila an’ireo rehetra ireo anefa ianao, vao afaka mampiasa vatana tsy tapaka sy mandray soa avy amin’izany.

Manàna tanjona azo tratrarina

Voalohany indrindra, aza mieritreritra tanjona tsy ho tratra, raha te hanomboka hanao fanatanjahan-tena tsy tapaka ianao. Zavatra kely aloha atao, ary ampitomboy tsikelikely izany. Hitan’ny mpahay siansa, vao haingana, fa tena mahasoa ny manao fanatanjahan-tena kely amin’ny voalohany, ary atao amin’ny antonony avy eo. Ampirisihin’izy ireo hampitombo tsikelikely ny fanatanjahan-tena ataony àry ny olona tsy mampiasa vatana firy. Izao, ohatra, no torohevitry ny gazetin’ny Oniversiten’i Kalifornia, miresaka momba ny sakafo sy fahasalamana ary fandresena tebiteby: “Ampiasao mandritra ny minitra vitsivitsy aloha ny vatanao. Ampitomboy tsikelikely ho lasa 30 minitra izany, ary avereno imbetsaka ao anatin’ny herinandro, na mandritra ny herinandro mihitsy. Ny zavatra efa mahazatra ihany atao, toy ny fandehanana an-tongotra sy fiakarana tohatra, saingy ataovy matetitetika, maharitraritra, ary haingankaingana.”

Aza manezaka mafy aloha amin’ny voalohany, fa ataovy tsy tapaka fotsiny ilay izy. Afaka manao zavatra mafimafy sy elaela amin’izay ianao, rehefa mahatsapa fa mihamatanjaka sy manana faharetana kokoa. Azonao atao, ohatra, ny manao dia maika, na mihazakazaka, na miakatra tohatra, na mandeha bisikileta. Afaka mibata fonjam-by sy manenjana vatana tsindraindray mihitsy aza ianao, atỳ aoriana. Handray soa koa amin’izay ny vatanao manontolo. Tsy eken’ny manam-pahaizana maro intsony anefa izao ilay fiheverana hoe tsy misy vokany ny fanatanjahan-tena raha tsy mafy be. Ataovy amin’ny antonony àry ilay izy. Tsy dia atahorana haratra ianao amin’izay, ary tsy ho reraka be na ho kivy. Izany mantsy mazàna no mahatonga ny olona tsy hanao fanatanjahan-tena intsony.

Aza mijanona mihitsy

Hahafaly an’ireo toa tsy manam-potoana, ity torohevitra hafa avy amin’ny gazetin’ny Oniversiten’i Kalifornia ity: “Mahasoa rehefa mitambatra ny fanatanjahan-tena fohy, nefa averina imbetsaka ao anatin’ny iray andro. Mitovitovy ihany, ohatra, ny soa azo amin’ny fanatanjahan-tena intelo maharitra 10 minitra avy, sy ny fanatanjahan-tena indray mandeha, maharitra 30 minitra.” Tsy voatery hanao fanatanjahan-tena ela sy mafy be àry ianao, vao handray soa betsaka. Hitan’ny mpikaroka, hoy ny Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana fa “samy tsy dia atahorana ho tratran’ny aretim-po na ny olona manao fanatanjahan-tena mafy, na ny olona manao fanatanjahan-tena kely na antonony.”

Tsy tokony hijanona mihitsy anefa ianao. Mba hahavitana izany, dia azonao atao ny mijery kalandrie, ka mametra andro sy fotoana hanaovana fanatanjahan-tena. Ho hitanao fa lasa anisan’ny fiainanao izy io, rehefa nanao azy io tsy tapaka nandritra ny herinandro vitsivitsy monja ianao. Tsy ho andrinao mihitsy aza ny hanaovana azy, rehefa manomboka tsapanao ny soa azo avy aminy.

Mahasoa ny mampiasa vatana tsy tapaka

Marina fa mahasalama na dia ny mampiasa vatana mandritra ny antsasak’adiny isan’andro monja aza. Nilaza indray anefa ny mpitsabo, vao haingana, fa vao mainka tsara raha afaka manao mihoatra noho izany ianao. Ampirisihina hampiasa vatana hatramin’ny adiny iray isan’andro izao ny olona, raha tiany ho salama tsara foana ny fony. Mbola azo zarazaraina mandritra ny andro koa io adiny iray io. Hoy ny gazety Dokoteran’ny Fianakaviana Kanadianina (anglisy): ‘Ampirisihina hampiasa vatana hatramin’ny adiny iray isan’andro izao ny olona. Toa misy vokany tsara foana ilay izy na zarazaraina aza.’ Niteny koa io gazety io hoe: “Ampirisihina kokoa hampiasa vatana araka ny antonony izao ny olona, na dia maro aza ny fandinihana efa nanaporofo fa mihena ny isan’ny aretina mahafaty, manjo ny olona manao fanatanjahan-tena mafy.”

Izao no tena tokony hotadidinao: Natao handehandeha sy hihetsiketsika foana ny vatanao. Manimba ny fahasalamanao ny tsy fampiasana vatana. Tsy misy vitaminina, na fanafody, na sakafo, na fandidiana mahasolo ny fampiasana vatana tsy tapaka. Tsy maintsy tadidintsika rehetra koa, fa mila fotoana foana ny fanatanjahan-tena ampy sy tsy tapaka, na mafimafy ilay izy na antonony, ary na vetivety na ela. Tsy maintsy manokana fotoana hisakafoana sy hatoriana ianao. Toy izany koa fa tena mila manokana fotoana hampiasana vatana ianao. Ilana fifehezan-tena sy fahaiza-mandamin-javatra izany.

Tsy misy fanatanjahan-tena tsy ilana ezaka. Ho sahirana sy hamoy zavatra sasany ianao, nefa tena kely izany, raha oharina amin’ireo aretina mahafaty ateraky ny tsy fampiasana vatana. Ampiasao foana àry ny vatanao. Ataovy mafimafy izany indraindray mba hahatsemboka anao. Ampiasao koa ny hozatrao. Mety ho salama sy ho ela velona kokoa ianao!

[Efajoro/Sary, pejy 8]

Fanatanjahan-tena Mafy Kokoa

Mety hitondra soa maro ny fampiasana vatana amin’ny antonony isan’andro. Milaza anefa ny mpikaroka fa vao mainka hitombo ny soa azo, raha ataonao mafimafy kokoa izany. Misy fanatanjahan-tena azo isafidianana eto ambany.

Manoro hevitra ny manam-pahaizana, fa tsara ny manatona dokotera alohan’ny hanaovana fanatanjahan-tena mafy.

Dia maika: Anisan’ny fanatanjahan-tena tsotra indrindra izy io. Mila mitady kiraro mety tsara sy lalana aleha fotsiny ianao. Manaova dingan-dava kokoa, ary mandehana haingana be. Ataovy izay hahavitana efatra ka hatramin’ny sivy kilaometatra eo ho eo isan’ora.

Hazakazaka: Hazakazaka moramora no atao amin’izany. Voalaza fa io no tena mahasalama ny fo. Miasa mafy kokoa anefa ny hozatra sy ny tonon-taolana rehefa mihazakazaka, ka mety harary. Tokony hohenjanina àry ny vatana alohan’ny hihazakazahana. Tokony hahay handanjalanja sy hanao kiraro mety koa ianao.

Fandehanana bisikileta: Tena tsara io karazana fanatanjahan-tena io. Mety handany hatramin’ny 700 kalôria isan’ora ianao amin’izany. Matetika anefa no tsy maintsy mankeny amin’ny arabe ianao, rehefa hanao azy io. Tokony ho mailo sy hitandrina tsara foana àry ianao, mba tsy hisian’ny loza.

Lomano: Miasa daholo ny hozatra lehibe ao amin’ny vatanao, rehefa milomano ianao. Manampy ny tonon-taolanao hiasa tsara koa izy io. Mahasalama ny fo, toy ny hazakazaka ihany ny lomano. Tsy mitaky ezaka be izy io, ka matetika no ampirisihina hanao azy ny bevohoka, na ireo marary vanin-taolana sy lamosina, na matavy. Aza milomano irery anefa.

Mitsambikimbikina: Fitsambikimbikinana eo ambony lamba afaka mievotra no atao amin’izany. Milaza ireo mpanao azy io fa mampikoriana tsara ny ra, sady manatsara ny fiasan’ny fo sy ny havokavoka izy io. Manatanjaka ny hozatra koa izy io, sady manampy anao tsy hikaviavia na hianjera.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Fibatana Fonjam-by sy Fanenjanana ny Vatana

Hitan’ny mpahay siansa, vao haingana, fa tokony hanatanjaka hozatra koa ianao rehefa manao fanatanjahan-tena, mba handray soa ny vatanao manontolo. Afaka mibata fonjam-by, ohatra, ianao. Tsy manatanjaka ny hozatra fotsiny izy io raha hainao tsara ny manao azy, fa manamafy ny taolana sy mampihena ny tavy koa.

Milaza koa ny manam-pahaizana maro, fa tsara ny manenjana ny vatana, mba tsy dia ho sahirana rehefa mihetsika, ary mba hikoriana tsara ny ra. Manampy ny tonon-taolana hahavita hihetsika tsara koa izy io.

Tsy maintsy hainao tsara anefa ny mibata fonjam-by sy manenjana ny vatanao, mba tsy hampaharary anao. Tsara raha mamaky fanazavana azo itokisana momba azy ireo aloha ianao, na manatona dokotera, mba hahazoana torohevitra.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Ny Fanatanjahan-tena sy ny Saina

Misy zavatra simika mampiova ny fihetseham-po, ao amin’ny atidoha. Hitan’ny mpahay siansa fa mety hisy vokany eo amin’izany zavatra simika izany ny fanatanjahan-tena mafy. Izany angamba no mahatonga ny olona maro hilaza fa milamina ny sainy, isaky ny avy manao fanatanjahan-tena izy. Hita tamin’ny fandinihana maromaro mihitsy aza, fa tsy dia atahorana ho ketraka ny olona manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, raha oharina amin’ireo tsy mampiasa vatana firy. Tsy tena azo antoka ny sasany amin’ireo fandinihana ireo. Maro anefa ny dokotera mampirisika ny olona hanao fanatanjahan-tena, mba hampihenana ny adin-tsainy sy ny tebitebiny.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Zavatra Fanao Isan’andro Mety Hahasalama Kokoa

Hita koa, vao haingana, fa mety handray soa ny olona tsy mampiasa vatana firy, na dia ireo zavatra fanao isan’andro somary mitaky herim-batana ihany aza no ataony matetika. Afaka manandrana ny sasany amin’ireto ianao:

● Azonao atao ny miakatra tohatra, fa tsy mampiasa ascenseur, na mampiasa azy io ihany, fa mijanona any ambanimbany kokoa, ary miakatra tohatra mandra-pahatonganao any amin’izay alehanao.

● Raha mandeha fiara fitaterana ianao, dia mialà raha mbola lavidavitra, ary mandehana an-tongotra mandra-pahatonganao any amin’izay alehanao.

● Raha mitondra fiara ianao, dia ajanòny lavidavitra ny toerana tokony halehanao foana ilay izy. Raha mampiasa parking misy rihana maromaro ianao, dia ajanòny any amin’ny rihana ambany kokoa ny fiaranao, ary miakara tohatra mandra-pahatonganao any amin’izay alehanao.

● Mandehandehana rehefa miresaka. Tsy voatery miara-mipetrapetraka ihany ianao sy ny havana aman-tsakaizanao vao afaka mifampiresaka.

● Raha tsy mampiasa vatana firy ianao any am-piasana, dia mitsangàna tsindraindray, ary mandehandehana isaky ny afaka manao izany.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Ampy ve ny Rano Sotroinao?

Mety hampidi-doza ny tsy fahampian-drano, rehefa manao fanatanjahan-tena. Mety ho reraka sy somary hikaviavia ianao. Mety hivonkina koa ny hozatrao. Tsemboka kokoa ianao rehefa manao fanatanjahan-tena, ka mety hihena ny ranao. Raha tsy soloanao ilay rano lasa hatsembohana, dia voatery miasa mafy kokoa ny fo, mba hampikoriana tsara ny ra. Misy manoro hevitra, fa tokony hisotro rano ianao, alohan’ny hanaovana fanatanjahan-tena sy mandritra izany ary aorian’izany, mba tsy ho very rano be loatra.

[Efajoro, pejy 11]

Karakarao Tsara ny Vatana Nomen’Andriamanitra Anao

Ampirisihin’ny Baiboly isika hanaja lalina ny vatantsika sy ny aina nomena antsika. Hoy i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny: “Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy.” (Salamo 139:14) Toa an’i Davida, dia tena mankasitraka ny aina nomena azy ny Kristianina. Raisin’izy ireo ho andraikitra lehibe ny mikarakara tsara ny vatany.

Nasain’Andriamanitra nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, roa arivo taona lasa teo ho eo izay: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena, fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra kosa no mahasoa amin’ny zava-drehetra, satria izy io no misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy.” (1 Timoty 4:8) Mitondra soa ny fanatanjahan-tena. Hazavain’i Paoly anefa fa tsy dia lehibe izany soa izany, raha oharina amin’ny soa maharitra entin’ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Miezaka mandanjalanja àry ny tena Kristianina, na dia mikarakara fahasalamana aza. Tsy avelany ho lasa ambony kokoa noho ny fanompoany an’Andriamanitra mihitsy ny “fampiasan-tena.”

Tsapan’ny Kristianina, fa vao mainka afaka manao zavatra betsaka anehoana ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny olona izy, rehefa salama kokoa. Ankoatra ny sakafo mahasalama sy ny fialan-tsasatra ampy, dia tena ilaina koa ny mampiasa vatana tsy tapaka. Miezaka ny hanana ireo fahazarana tsara ireo ny tena Kristianina, satria te hikarakara tsara ny vatany, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra.