Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ratsy ve ny Maniry ho Ambony?

Ratsy ve ny Maniry ho Ambony?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ratsy ve ny Maniry ho Ambony?

“MISY maha ratsy ny laza sy harena ary fahefana ve?” Izany no fanontaniana tao amin’ny tatitra avy amin’ny fikambanana ara-pivavahana iray, teo ambanin’ny lohateny hoe “Olana Momba ny Fitsipi-pitondran-tena.” Niresaka an’ity tenin’Andriamanitra tamin’i Abrahama ity ilay tatitra: “Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao.”—Genesisy 12:2.

Nilaza ilay tatitra fa “tsy tokony hisy vokany ratsy eo amin’ny hafa ny fiezahantsika ho ambony.” Tao koa anefa ity tenin’ny raby malaza tamin’ny taonjato voalohany ity: “Raha tsy miezaka hanatratra ny tanjoko aho, iza indray no hanao izany?” Nifarana toy izao ilay tatitra: “Tsy hisy hanampy antsika ho tafita, raha tsy isika no miezaka.” Olana ho an’ireo te hanompo an’Andriamanitra ve ny faniriana ho ambony? Inona no tafiditra amin’ny hoe tafita? Ratsy ve ny maniry ho ambony? Ahoana no fiheveran’ny Baiboly izany?

Naniry ho ambony ve i Abrahama?

Lazain’ny Baiboly fa nanam-pinoana niavaka i Abrahama. (Hebreo 11:8, 17) Tsy hoe nampirisika azy haniry ho ambony akory Andriamanitra, rehefa nampanantena azy ho tonga firenena lehibe sy hahalehibe ny anarany. Nilaza ny fikasany hitahy ny olombelona amin’ny alalan’i Abrahama kosa izy. Lehibe lavitra noho izay mety ho ezak’olombelona izany fikasana izany.—Galatianina 3:14.

Nahafoy tena ho an’Andriamanitra i Abrahama ka nandao ny fiainany izay azo lazaina fa nilamina sy nahomby tao Ora. (Genesisy 11:31) Nampandefitra ny fahefany izy tatỳ aoriana mba hitandroana fihavanana, ka nomeny an’i Lota zana-drahalahiny ny tany tsara indrindra. (Genesisy 13:8, 9) Tsy misy fitantarana mihitsy ao amin’ny Baiboly milaza fa naniry ho ambony i Abrahama. Ny finoany sy ny fankatoavany ary ny fanetren-tenany kosa no nitiavan’Andriamanitra azy, ka nahatonga azy ho tena ‘sakaizany.’—Isaia 41:8.

Fijery hafa momba ny laza sy voninahitra ary fahefana

Maniry ho ambony ny olona “fatra-pitady laza sy voninahitra ary fahefana.” Sady nanana ireo rehetra ireo i Solomona Mpanjaka fahiny no nanan-karem-be. (Mpitoriteny 2:3-9) Mahaliana anefa fa tsy izany no nokatsahiny voalohany. Nasain’Andriamanitra nangataka izay niriny izy raha vao lasa mpanjaka. Nanetry tena izy, ka fo mankatò sy fahaiza-manavaka mba hitondrana ilay vahoaka nofidin’Andriamanitra no nangatahiny. (1 Mpanjaka 3:5-9) Rehefa avy nitanisa ny harena sy ny fahefana rehetra nananany i Solomona tatỳ aoriana, dia nilaza fa “zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.”—Mpitoriteny 2:11.

Niresaka ny amin’izay ataon’ny olona te ho tafita ve i Solomona? Eny, fa tamin’ny fomba fijery hafa. Izao no famaranan-teniny rehefa avy nandinika ny zavatra maro niainany izy: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 12:13) Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra àry no tafita, fa tsy izay fatra-pitady laza, voninahitra sy harena, ary fahefana.

Hahazoana fisandratana ny fanetren-tena

Ekena fa tsy diso isika raha tia ny tenantsika amin’ny fomba voalanjalanja. Mandidy antsika ny Baiboly mba ho tia ny namantsika tahaka ny itiavantsika ny tenantsika. (Matio 22:39) Ara-dalàna raha maniry hiadana sy ho sambatra isika. Mampirisika antsika koa anefa ny Soratra Masina mba hiasa mafy sy hanetry tena. (Ohabolana 15:33; Mpitoriteny 3:13; Mika 6:8) Matetika ireo manao ny marina sy azo itokisana ary mazoto miasa no voamariky ny olona, mahita asa tsara ary hajaina. Aleo manao izany toy izay hifaninana amin’ny olon-kafa na hanararaotra azy, mba hahazoana tombontsoa manokana.

Nampitandrina ny mpihaino azy i Jesosy mba tsy hifidy ny toerana mihaja indrindra, ao amin’ny fanasana fampakaram-bady. Nanoro hevitra azy ireo izy mba ho eny amin’ny toerana ambany indrindra, ary hiandry ilay mpanasa hamindra azy ho eny amin’ny toerana mihaja kokoa. Hoy izy momba izany: “Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”—Lioka 14:7-11.

Tsy maniry ho ambony ny tena Kristianina

Asehon’ny Baiboly fa mifandray amin’ny tsy fahalavorariana ny faniriana hanambony tena. (Jakoba 4:5, 6) Nisy fotoana nanirian’ny apostoly Jaona ho ambony noho ny hafa. Nahery be izany faniriany izany, ka sahy nangataka tamin’i Jesosy ny toerana ambony ao amin’ilay Fanjakana izy sy ny rahalahiny. (Marka 10:37) Nanova ny fihetsiny i Jaona tatỳ aoriana. Nasehony tao amin’ny taratasy fahatelo nosoratany mihitsy, fa tena tsy nankasitrahany i Diotrefa satria “te ho voalohany.” (3 Jaona 9, 10) Mankatò ny tenin’i Jesosy ny Kristianina ankehitriny ka manetry tena. Tahafin’izy ireo koa ny ohatry ny apostoly Jaona be taona, izay nianatra nanalavitra ny faniriana ho ambony.

Marina anefa aloha fa tsy hahazo sitraka foana ianao raha manan-talenta sy mahay zavatra ary miasa tsara sy mazoto. Valian-tsoa ireny indraindray, nefa tsy voatery ho izany foana. (Ohabolana 22:29; Mpitoriteny 10:7) Mety hahazo toerana ambony noho ireo mahay kokoa indraindray ireo tsy ampy fahaizana firy. Tsy voatery ho ireo tena mahay no hahazo voninahitra sy fahefana, eto amin’ity tontolo tsy lavorary ity.

Tsy olana ho an’ny tena Kristianina ny faniriana ho ambony, satria manampy azy ireo hanalavitra izany ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Miezaka mafy manao izay ho vitany amin’ny toe-javatra rehetra izy ireo, mba ho voninahitr’Andriamanitra, ary ankininy aminy izay ho vokany avy eo. (1 Korintianina 10:31) Manao araka izay fara heriny ny Kristianina mba hatahotra an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny.

[Sary, pejy 26, 27]

Nampirisika an’i Abrahama haniry ho ambony ve Andriamanitra?