Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy An’asa Tampoka!

Tsy An’asa Tampoka!

Tsy An’asa Tampoka!

“Kivy ratsy aho, tamin’izaho very asa. Nahatsiaro tena ho tsy nisy nilana azy intsony aho.”—Tony, Alemaina.

“Hoatran’ny hoe niloloha entana mavesatra be aho. Tsy manambady aho, ka niady saina hoe ahoana no hamelomako ny zanako roa sy handoavako ny faktiorako.”—Mary, Inde.

“Kivy tanteraka aho, tamin’izaho very asa. Natahotra aho sao tsy hahita intsony.”—Jaime, Meksika.

OLONA an-tapitrisany eran-tany no tsy an’asa toa an’i Tony sy Mary ary Jaime. Tamin’ny faran’ny taonjato lasa, dia 10 isan-jaton’ny olona mbola afaka miasa, izany hoe 23 tapitrisa teo ho eo, no tsy an’asa tany Eoropa sy Azia Afovoany. Any amin’ny tany mahantra sasany, dia ampahefany mahery amin’ny olona mbola afaka miasa no mitady asa. Nilaza koa Ny Gazetin’i New York (anglisy) tamin’ny Jolay 2003, fa ‘asa efa ho 2,6 tapitrisa no tsy nisy intsony tao anatin’ny roa taona sy efa-bolana lasa’, tany Etazonia.

Tena manahirana ny mitady asa any amin’ny tany maro. Be dia be mihitsy, ohatra, isan-taona ny tanora mifandrombaka hahazo izay asa misy eo an-toerana. Nahavita fianarana tany amin’ny lise na oniversite izy ireny. Tsy voatery hahita izay asa tianao anefa ianao, na dia manana diplaoma sy nanaraka fiofanana manokana aza. Fahita àry ankehitriny ny olona miova asa imbetsaka, mandritra ny fotoana mbola ahafahany miasa. Ny sasany aza voatery manao asa hafa tanteraka noho ny fanaony mihitsy.

Raha tsy an’asa àry ianao, inona no azonao atao mba ho mora kokoa aminao ny hahita hafa? Ary rehefa mahita ianao, inona no azonao atao mba hampahateza anao amin’ilay izy?