Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifalia Amin’ny Fanantenana

Mifalia Amin’ny Fanantenana

Mifalia Amin’ny Fanantenana

NARARY mafy i Joe ary efa ho faty. Kansera no nahazo azy. Niresadresaka teo akaikin’ny fandrianany i Kirsten vadiny sy ny namany vitsivitsy. Nijery an’i Joe i Kirsten, ary nahita ranomaso nikoriana teo amin’ny takolany. Nieritreritra izy tamin’ny voalohany hoe nanaintaina i Joe. Mety ho marina izany, nefa nilaza taminy i Joe, fa zavatra hafa no nampitomany azy.

Hoy i Kirsten: “Teo anilan’i Joe ny namany akaiky, tamin’io fotoan-tsarotra io, mba hampahery azy. Ankoatra izany, dia natoky kokoa noho ny taloha i Joe, fa ho tanteraka ny fanantenany. Fantany koa fa tsy nisy afaka nanala izany tao aminy. Nilaza àry izy hoe tsy inona akory iny nirotsaka iny, fa ranomasom-pifaliana. Maty tamin’io alina io i Joe.”

Inona ilay fanantenana nampahery an’i Joe talohan’ny nahafatesany? Ilay fampanantenan’i Jehovah Andriamanitra hoe hiaina mandrakizay eto an-tany lasa paradisa ny olona, ary ho salama tsara. (Salamo 37:10, 11, 29) Hoy ny Apokalypsy 21:3, 4: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra ... Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha [anisan’izany ny olana maro ankehitriny].”

Fanantenana na dia ho an’ny maty aza

Nanantena i Joe fa hitsangana amin’ny maty. Nampionona azy ilay fampanantenan’i Jesosy hoe ho velona indray izay “rehetra any am-pasana”, izany hoe ny olona maty rehetra, ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. (Jaona 5:28, 29) Malahelo ve ianao, satria maty ny havanao na ny namanao? Afaka mampahery anao koa ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Marina fa mbola malahelo an’ilay olona isika, na dia manana an’io fanantenana io aza. I Jesosy koa aza mba nitomany, rehefa nodimandry i Lazarosy namany. Tsy malahelo be loatra anefa isika, satria manana fanantenana.—Jaona 11:14, 34, 35; 1 Tesalonianina 4:13.

Hoy i Kirsten: “Nihevitra aho fa tsy tena ho sambatra toy ny taloha intsony, tamin’i Joe maty. Ary mbola mahatsapa aho hatramin’izao, taona vitsivitsy atỳ aoriana, fa tsy ho toy ny taloha intsony ny fiainako eto amin’ity tontolo ankehitriny ity. Banga ny fiainako rehefa tsy teo intsony i Joe, ary tsy misy mahafeno izany. Afaka milaza anefa aho izao fa efa miadan-tsaina sy sambatra indray.”

Mampahatsiahy antsika ny tenin’i Kirsten, fa tsy afaka ny ho faly foana isika eto amin’ity tontolo ity. Mivadibadika mantsy ny fiainana. Misy toe-javatra tena mety hampalahelo antsika koa indraindray, ka tsy hety mihitsy ny mifaly amin’izay. (Mpitoriteny 3:1, 4; 7:2-4) Kivy koa angamba ny sasany amintsika, ary maro ny anton’izany. Tena mampionona anefa ny fampanantenan’ny Baiboly. Tsy manan-tsahala koa ny fahendrena raketiny, ka afaka manampy antsika hanalavitra ny fandrika maro mety hahatonga antsika tsy ho sambatra. Hoy Andriamanitra: “Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.”—Ohabolana 1:33.

Mitady izay tena hahasoa antsika tokoa i Jehovah. Tiany ho sambatra isika. Tsy fahasambarana ivelany fotsiny izany, fa tena tsapantsika ao anaty mihitsy. Tsy taona vitsivitsy monja koa, fa mandrakizay! Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza ireto teny tsy tontan’ny ela ireto: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Hendry isika, raha mampihatra izany.

[Efajoro/​Sary, pejy 9]

Fomba Sivy Mahasambatra

1. Atao loha laharana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.Matio 5:3.

2. Mahay mianina, ary tsy ‘tia vola.’1 Timoty 6:6-10.

3. Tsy tia fahafinaretana loatra.2 Timoty 3:1, 4.

4. Tia manome, ary manao izay hahasambatra ny hafa.Asan’ny Apostoly 20:35.

5. Mahay misaotra, ary mieritreritra ny zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiainana.Kolosianina 3:15.

6. Mahay mamela heloka.Matio 6:14.

7. Mifidy tsara ny namana.Ohabolana 13:20.

8. Mikarakara tsara ny fahasalamana, ary miala amin’ny fahazaran-dratsy.2 Korintianina 7:1.

9. ‘Mifaly amin’ny fanantenana’ natao ho anao ao amin’ny Baiboly.Romanina 12:12.

[Sary, pejy 8, 9]

[Tena mampionona ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe hisy tontolo vaovao