Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitaizana Zaza Sembana

Fitaizana Zaza Sembana

Fitaizana Zaza Sembana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FAILANDY

Roapolo taona i Markus (io ankavia io). Tsy mahavita mihinana, na misotro, na mandro izy, raha tsy ampiana. Tsy mahita tory firy izy, ary mila karakaraina foana mandritra ny alina. Iharan-doza izy mazàna, ka matetika no mila fitsaboana vonjimaika. Tia be an’i Markus anefa ny ray aman-dreniny. Malemy paika sy tsara fanahy ary miraiki-po amin’olona mantsy izy. Faly ny ray aman-dreniny manana azy, na dia sembana aza izy.

EFA ho ny 3 isan-jaton’ny mponina eran-tany no sembana ara-tsaina, araka ny notombanan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Mety hahatonga ny olona iray ho sembana ara-tsaina ny fahasimban’ny fototarazo, ratra teo am-pahaterahana, aretin’ny atidoha fony fahazaza, tsy fahampian-tsakafo, zava-mahadomelina, alkaola, na zavatra simika hafa. Matetika anefa no tsy fantatra ny tena mahatonga azy. Ahoana izany hoe mitaiza zaza sembana izany? Ahoana no azo anampiana an’ireny ray aman-dreny ireny?

Vaovao mahakivy

Manomboka ny fahasahiranana, raha vantany vao fantatry ny ray aman-dreny fa sembana ara-tsaina ny zanany. Hoy i Sirkka: ‘Toy ny nilatsaham-baratra izahay mivady, raha vao fantatray fa sembana ny zanakay vavy.’ Hoy koa i Anne, renin’i Markus: “Rehefa nilazana aho fa ho sembana ara-tsaina [i Markus], dia nanontany tena aho hoe hanao ahoana ny ho fiheveran’ny olona azy. Nesoriko haingana tao an-tsaiko anefa izany, fa nifantoka tamin’ny zavatra ilainy sy izay azoko anampiana azy aho.” Sahala amin’izany koa i Irmgard. Hoy izy: “Izay fomba ikarakarako an’i Eunike, zanakay vavy, no masaka tao an-tsaiko, raha vao nilaza taminay ny dokotera fa sembana izy.” Inona avy no zavatra azon’ny ray aman-dreny atao, rehefa fantany fa sembana ny zanany?

Manoro hevitra toy izao ny Foibe Amerikanina Mpampita Fahalalana Momba ny Ankizy Sembana: “Ny mikaroka fanazavana no azonao atao voalohany. Fantaro ny momba ilay fahasembanana mahazo ny zanakao, sy ireo sampan’asa afaka manome fanampiana, ary ny zavatra voafaritra azonao atao mba hanampiana azy hitombo tsara ara-batana sy ara-tsaina.” Hanan-java-kendrena ianao amin’izay rehefa mikarakara ny zanakao, sady hahafantatra ny tokony hatao. Toy ny olona iray manao dia lavitra ianao, ka manamarika eo amin’ny sarin-tany iray ny halaviran-dalana vitanao sy ny tanjona efa tratranao.

  Lafiny mampahery

Misy lafiny mampahery ny ray aman-dreny ihany anefa eo amin’ny fitaizana zaza sembana, na dia eo aza ireo zava-tsarotra tsy maintsy atrehina. Ahoana izany?

Voalohany, mampahery ny ray aman-dreny ny mahafantatra fa tsy aretina mampanaintaina no mahazo ny ankamaroan’ireny zaza sembana ireny. Hoy ny Pr. Robert Isaacson ao amin’ilay boky nosoratany hoe Ankizy Votsa Saina (anglisy): “Afaka mifaly ny ankamaroan’izy ireny, tia miaraka amin’ny olona sy ny namany, mankafy mozika sy fanatanjahan-tena sasany ary sakafo matsiro.” Marina fa tsy mahavita ny vitan’ny ankizy salama sy tomady izy ireny, sady tsy misokatra firy ny sainy. Matetika anefa no faly kokoa izy ireny raha oharina amin’ny ankizy hafa.

Faharoa, afaka mifaly ny ray aman-dreny rehefa miezaka mafy ny zanany ka mahavita zavatra tsara. Toy ny hoe nahavita nianika tendrombohitra avo ilay ankizy isaky ny mahay manao zavatra iray, ka afa-po izy ary faly koa ny ray aman-dreniny. Voan’ny aretina mamely ny rafi-pitatitra ao amin’ny atidoha, ohatra, i Bryan, ka mifanintona matetika sady tsy afaka mifandray amin’olona. Marani-tsaina izy, nefa tsy mahay miteny sady tsy mahay mampiasa tsara ny tanany. Na izany aza anefa dia nampianarina tsikelikely izy, mba hahay hisotro rano tapaky ny kaopy sady tsy hampitobaka izany. Mahabaiko tsara kokoa ny tanany izy izao, ka afaka misotro samirery ny zava-pisotro tiany indrindra, dia ny ronono.

Heverin’ny ray aman-drenin’i Bryan ho toy ny fandresena kely fanampiny izany. Hoy i Laurie, renin’i Bryan: “Oharinay amin’ny hazo ala ny zanakay lahy. Tsy maniry haingana toy ny hazo hafa izy io, kanefa ahavitana fanaka tena lafo vidy. Miadana toy izany koa ny fitomboan’ny ankizy sembana. Sarobidy amin’ny ray aman-dreniny foana anefa izy ireny, tsy misy hafa amin’ny hazo oaka sy ny hazo fanaovana sambo.”

Fahatelo, ray aman-dreny maro no faly, satria be fitiavana ny zanany. Hoy i Irmgard: “Tia matory aloha i Eunike, ary manoroka ny olona rehetra ato an-trano foana izy alohan’ny handehanany any am-pandriana. Raha matory alohan’ny hahatongavanay ao an-trano izy, dia manoratra taratasy kely fialan-tsiny noho izy tsy nahandry. Soratany ao koa hoe tia anay izy ary tsy andriny ny hahita anay ny ampitso maraina.”

Tsy mahay miteny i Markus, nefa miezaka mafy izy mianatra baiko moana vitsivitsy, mba hilazana amin’ny ray aman-dreniny hoe tiany izy ireo. Hoy koa ny ray aman-drenin’i Tia, ankizy sembana: “Be fitiavana sy tsara fanahy izy, ary mamihina sy manoroka anay foana.” Mazava ho azy fa tena mila maneho fitiavana sy firaiketam-po be dia be amin’ny ankizy toy ireny ny ray aman-dreniny, na amin’ny teny izany na amin’ny atao.

Fahefatra, tena faly ny ray aman-dreny kristianina, rehefa maneho finoana an’Andriamanitra ny zanany. Izany no hita tamin’i Juha. Gaga ny olona rehefa nangataka mba hivavaka izy, tamin’ny fotoana nandevenana ny rainy. Nanao vavaka fohy i Juha, ary nolazainy fa nino izy hoe ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra ny rainy ka hatsangana amin’ny maty amin’ny fotoana voatondrony. Nangataka tamin’Andriamanitra izy, avy eo, mba hanampy ny fianakaviany, ary notononiny tsirairay ny anaran’izy ireo.

Mitoky amin’Andriamanitra koa i Eunike, ka mahafaly ny ray aman-dreniny izany. Marina aloha fa tsy hoe azon’i Eunike avokoa ny zavatra ianarany. Mahafantatra olona maro resahin’ny Baiboly izy, ohatra, kanefa tsy hainy ny mampifandray izany amin’ny zavatra efa fantany. Toy ny hoe misy sombintsombin-tsary tiany atambatra, kanefa tsy tafavoakany ilay izy, fa mifandimpandimpatra be ny fanaovany azy. Na izany aza anefa dia azony tsara fa hanaisotra ireo olana eto an-tany ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, indray andro any. Efa tsy andrin’i Eunike izay hahatongavana ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, ka hiasa ara-dalàna ny sainy amin’izay fotoana izay.

Ampio izy mba hahaleo tena kokoa

Tsy hijanona ho ankizy foana ireo ankizy sembana ara-tsaina, fa ho lasa olon-dehibe. Tsara àry raha manampy ny zanany tsy hiankin-doha tafahoatra, ireo ray aman-dreny mitaiza ankizy toy ireny. Hoy i Anne, renin’i Markus: “Mora kokoa sady haingana kokoa raha izahay ihany no nanao ny zava-drehetra ho an’i Markus. Niezaka mafy anefa izahay nanampy azy hahavita zavatra samirery, betsaka araka izay azony atao.” Hoy koa ny renin’i Eunike: “Manana toetra mahafinaritra maro i Eunike, kanefa mafy loha indraindray. Rehefa midongy izy ka tsy mety manao izay ampanaovina azy, dia tambatambazanay. Lazainay aminy fa faly izahay raha manao izany izy. Na dia manaiky hanao ilay raharaha aza izy, dia tsy maintsy arahi-maso sy ampaherezina foana mandra-pahavitany azy.”

Mitady hevitra foana i Laurie, renin’i Bryan, mba hahatonga ilay zanany hahavita zavatra bebe kokoa sy hahita fifaliana amin’izany. Nampianatra an’i Bryan hanoratra tamin’ny ordinatera izy sy ny vadiny, nandritra ny telo taona. Faly be izao i Bryan satria afaka mandefa e-mail any amin’ny namany sy ny havany. Na izany aza, dia mila olona mihazona ny hatotanany izy rehefa manoratra. Miezaka manampy tsikelikely an’i Bryan ny ray aman-dreniny, mba ho ny kihony sisa no ilaina tohanana rehefa manoratra izy. Fantatr’izy ireo fa midika ho fahaleovan-tena lehibe ho an-janany izany, raha vitany.

Tsy tokony hanantena zavatra be loatra anefa ny ray aman-dreny, na hanery be loatra ny zanany. Tsy mitovy ny fahaizan’ny ankizy. Manoro hevitra toy izao ilay boky hoe Zaza Mila Fikarakarana Manokana (anglisy): “Tena zava-dehibe ny fahaiza-mandanjalanja. Ampirisiho ilay ankizy mba hahaleo tena, nefa omeo ny fanampiana ilaina koa izy mba tsy ho kivy.”

Ilay mpanampy lehibe indrindra

Tena mila maharitra sy miaritra ny ray aman-dreny manan-janaka sembana. Kivy ny ray aman-dreny maro rehefa tsy mitsaha-mitombo ireo zava-manahirana. Misy vokany ratsy ny hasasarana rehefa mitambatra. Mirotsa-dranomaso sy mitsetra tena ny ray aman-dreny indraindray. Inona no azo atao?

Mangataha fanampiana amin’Andriamanitra, ilay “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Manome herim-po sy fanantenana ary hery iaretana izy. (1 Tantara 29:12; Salamo 27:14) Mampionona antsika amin’ny fahorian-tsaina mahazo antsika izy, ary iriny ‘hifaly amin’ny fanantenana’ omen’ny Baiboly isika. (Romanina 12:12; 15:4, 5; 2 Korintianina 1:3, 4) Mahazo matoky ireo ray aman-dreny miantehitra amin’Andriamanitra, fa amin’ny hoavy dia ‘hahiratra ny jamba, handre ny marenina, handeha tsara ny mandringa, ary hiteny ny moana.’ Hanana fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina tonga lafatra koa, amin’izay, ny sombin’ny ain’izy ireo.—Isaia 35:5, 6; Salamo 103:2, 3.

INONA NO AZON’NY RAY AMAN-DRENY ATAO?

Fantaro tsara ilay fahasembanana mahazo ny zanakao, ary mikaroha fanazavana momba izany.

Mijere lafy tsaran-javatra foana.

Ampio ny zanakao mba hahaleo tena araka izay vitany.

Mangataha herim-po, fanantenana, ary hery avy amin’Andriamanitra.

INONA NO AZON’NY HAFA ATAO?

▪ Miresaha amim-pahatsorana amin’ilay ankizy, ary aza miteny toy ny miresaka amin-jazakely.

Miresaha momba an’ilay zaza amin’ny ray aman-dreniny, ary derao izy ireo.

▪ Aoka ianao hiahy ny fihetseham-pon’ireo ray aman-dreniny.

▪ Miaraha manao zavatra amin’ireo ray aman-dreny sy fianakaviana manan-janaka sembana.

[Efajoro/​Sary, pejy 26]

Ahoana no Azonao Anampiana?

Faly ny mpijery rehefa mahita ny fiezahan’ny mpanao hazakazaka lavitra ezaka. Mety ho variana toy izany koa ianao mahita ny fikirizana sy ny faharetan’ireo ray aman-dreny mitaiza ankizy sembana. Mikarakara ny zanany izy ireo na andro na alina, ary isan’andro isan’andro. Fomban’ireo mpijery an’ireny hazakazaka ireny ny manolotra rano amin’ny tavoahangy ho an’ireo mpihazakazaka, mba hampaherezana azy. Azonao atao koa ve ny mampahery an’ireo ray aman-dreny, izay mitaiza zaza sembana mandritra ny androm-piainany?

Azonao atao, ohatra, ny miresaka amin’ilay zanany lahy na zanany vavy. Mety ho sadaikatra ianao amin’ny voalohany, satria mety ho zara raha mamaly izy na tsy mihontsina mihitsy. Tadidio anefa fa maro amin’ny ankizy toy ireny no faly rehefa iresahana, ary angamba izy mieritreritra lalina izay lazainao. Tsy ary ho fantatrao daholo ny zavatra eritreretiny, ary mety tsy ho hitanao eo amin’ny endriny ny tena fihetseham-pony. *

Manoro ny fomba tsotra iresahana amin’ny ankizy sembana ny Dr. Annikki Koistinen, mpitsabo ankizy sady manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra. Hoy izy: “Azonao atao amin’ny voalohany ny miresaka momba ny fianakaviany na ny fialam-boly tiany. Aza eritreretina ho toy ny zazakely izy, fa ataovy arakaraka ny taonany ny fomba firesakao aminy. Loha hevitra iray ihany resahina, ary fehezanteny fohy ampiasaina. Omeo fotoana hieritreretana izay lazainao izy.”

Tokony hiresahanao koa ny ray aman-drenin’ilay ankizy. Hangoraka bebe kokoa azy ireo ianao arakaraka ny ahafantaranao ny olana mahazo azy sy ny fihetseham-pony. Maniry mafy hahafantatra bebe kokoa an’i Markus zanany malalany, ohatra, i Anne. Malahelo anefa izy fa tsy mahay miteny i Markus, ka tsy afaka milaza aminy izay ao an-tsainy. Manahy koa izy sao ho faty aloha, ka ho kamboty ilay zanany.

Matetika ny ray aman-dreny mitaiza ankizy sembana no tsy afa-po amin’ny ezaka ataony, na dia miezaka mafy toy inona aza. Manome tsiny ny tenany foana, ohatra, i Laurie, renin’i Bryan, isaky ny misy tsy mety kely ny fikarakarany an’io zanany io. Mahatsiaro tena ho meloka koa izy, satria tsy afaka mikarakara bebe kokoa an’ireo zanany hafa. Ny fiahianao ny fihetseham-pon’ireny ray aman-dreny ireny sy ny fankasitrahanao azy, dia hampahery azy ireny sy ny zanany, sady hampiseho fa manaja ny fahamendrehan’izy ireo ianao. Hoy i Irmgard momba izany: “Tena faly aho rehefa iresahan’ny olona momba ny zanako vavy. Tena mahafinaritra ahy rehefa misy olona miombom-pihetseham-po amiko, na amin’ny zavatra mahafaly na mampalahelo, eo amin’ny fitaizako an’i Eunike.”

Misy fomba maro hafa koa azonao anampiana, na amin-javatra madinika na lehibe. Azonao asaina angamba ilay ray aman-dreny sy ny zanany mba hisakafo any an-tranonao, na handray anjara amin’ny fandaharana ataon’ny fianakavianao. Mety ho azonao atao koa ny mitaiza an’ilay ankizy mandritra ny ora vitsivitsy, rehefa miala sasatra ny ray aman-dreniny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 37 Jereo ny Mifohaza! 8 Mey 2000, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Nivoaka avy tao Anatin’ny Fanginana i Loida.”

[Sary, pejy 26]

Mampahery an’ireo ray aman-dreny sy ilay zanany isika, raha tena miahy azy ireo

[Sary, pejy 27]

Mila anehoana fitiavana foana ny ankizy sembana ara-tsaina toa an’i Eunike, na dia efa mihalehibe aza

[Sary, pejy 28]

Mampianatra an’i Bryan zanany hanoratra amin’ny ordinatera i Laurie, mba hanampiana azy hahaleo tena kokoa