Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maty teo Amin’ny Lakroa Tokoa ve i Jesosy?

Maty teo Amin’ny Lakroa Tokoa ve i Jesosy?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Maty teo Amin’ny Lakroa Tokoa ve i Jesosy?

IRAY amin’ireo zavatra be mpahalala indrindra, fampiasa amin’ny fivavahana, ny lakroa. Olona an-tapitrisany no mankamasina azy io, satria mihevitra izy ireo fa fitaovana masina namonoana an’i Jesosy izy io. Hoy i Adolphe Didron, mpanoratra katolika sady mpanao fikarohana ambanin’ny tany: “Mivavaka amin’ny lakroa, toy ny ataony amin’i Kristy ny olona. Mila hitovy amin’ny fivavahany amin’Andriamanitra mihitsy aza ny fivavahany amin’io hazo masina io.”

Misy milaza fa mahatsiaro ho akaikin’Andriamanitra kokoa izy, rehefa mivavaka ka mampiasa lakroa. Ataon’ny sasany ody fiaro izy io, satria heveriny fa miaro azy amin’ny ratsy. Tokony hankamasina ny lakroa ve anefa ny Kristianina? Maty teo amin’ny lakroa tokoa ve i Jesosy? Inona no ampianarin’ny Baiboly momba izany?

Avy aiza ny lakroa?

Ela be talohan’ny nisian’ny Kristianisma dia efa nampiasa lakroa ny Babylonianina fahiny, rehefa nivavaka tamin’i Tamoza, andriamanitry ny fahavokarana. Niely izy io, ka lasa nampiasa azy io koa ny olona tany Ejipta, Inde, Syria, ary Chine. Nivavaka tamin’i Tamoza andriamani-diso koa ny Israelita, taonjato maro tatỳ aoriana, ka nandoto ny fivavahana tamin’i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “fahavetavetana” izany nataon-dry zareo izany.—Ezekiela 8:13, 14.

Stau·rosʹ no teny grika ampiasaina ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona, mba hilazana ny fitaovana namonoana an’i Jesosy. (Matio 27:40; Marka 15:30; Lioka 23:26) Tsato-kazo na hazo iray mitsangana no dikan’io teny grika io. Hoy ny boky Ny Lakroa Tsy Kristianina (anglisy), nosoratan’i J. Parsons: “Ireo boky maro be ao amin’ny Testamenta Vaovao, amin’ny teny grika tany am-boalohany, dia tsy ahitana porofo mihitsy fa hafa noho ny stauros tsotra no nampiasaina tamin’i Jesosy. Tsy misy fehezanteny milaza an’izany ao na dia iray aza, eny fa na dia tsy mivantana aza. Tsy misy porofo mihitsy koa ao hoe tsy vatan-kazo tokana ilay izy fa hazo roa natambatra ho lakroa.”

Xyʹlon no teny grika nampiasain’ny apostoly Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:30. Mitovy hevitra amin’ny stau·rosʹ ihany izy io, ka tsy hazo roa natambatra ho lakroa no dikany, fa vatan-kazo na hazo iray mitsangana tsotra fotsiny. Efa 300 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy vao nisy olona nitonona ho Kristianina, nampiely an’ilay hevitra hoe maty teo amin’ny lakroa i Jesosy. Avy amin’ny lovantsofina anefa izany hevitr’izy ireo izany. Nadikany vilana koa ilay teny grika hoe stau·rosʹ. Tsara homarihina fa teo amin’ny tsato-kazo na hazo tokana no novonoin’ny Romanina ny olona voaheloka ho faty, rehefa jerena ny sary sasany fahiny.

“Mitandrema tena amin’ny sampy”

Ny zava-dehibe kokoa amin’ny tena Kristianina dia hoe mety sa tsia ny mankamasina ny fitaovana namonoana an’i Jesosy. Tokony hampiasaina amin’ny fivavahana ve ny fitaovana namonoana olona, na tsato-kazo tokana mitsangana ilay izy, na lakroa, na tsipìka, na lefona, na antsy?

Aoka hatao hoe nisy namono tamin-kabibiana ny olona iray tena tianao, ary naseho teo anoloan’ny fitsarana ny fitaovana namonoana azy, mba ho porofo. Ataonao ve izay hananana azy io? Halainao sary ve ilay izy avy eo, ary hataonao fotokopia be dia be mba hozarazaraina? Hanamboatra fitaovam-piadiana be dia be mitovy amin’ilay izy koa ve ianao, ary hataonao isan-karazany ny habeny? Sa hanakarama orinasa ianao mba hanao izany, ary hamidinao amin’ny havana aman-tsakaiza izany avy eo mba hankamasininy? Hataonao firavaka koa ve ny sasany? Mety haharikoriko anao na dia ny mieritreritra an’izany aza! Ataon’ny olona toy izany mihitsy anefa ny lakroa!

Ankoatra izany, ny fampiasana lakroa amin’ny fivavahana dia mitovy amin’ny fampiasana sary amin’ny fivavahana ihany. Melohin’ny Baiboly anefa io fanao io. (Eksodosy 20:2-5; Deoteronomia 4:25, 26) Nampiseho ny tena fampianarana kristianina ny apostoly Jaona, rehefa nampirisika ny mpiray finoana taminy hoe: “Mitandrema tena amin’ny sampy.” (1 Jaona 5:21) Nankatò an’izany izy ireo na dia norahonana ho faty tany amin’ny kianja filalaovana romanina aza.

Tsy natao hivavahana àry ilay fitaovana nampijalina sy namonoana an’i Jesosy. Zava-dehibe tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany foana anefa ny nahafatesan’i Kristy ho sorona. Mahatsiaro ny nahafatesany koa ny tena Kristianina ankehitriny, satria io no fomba amonjen’Andriamanitra ny olombelona tsy lavorary. (Matio 20:28) Hitondra fitahiana maro be tokoa izany fanehoam-pitiavana faran’izay miavaka nataon’Andriamanitra izany. Anisan’izany ny fiainana mandrakizay ho an’ireo tia ny fahamarinana.—Jaona 17:3; Apokalypsy 21:3, 4.

[Sary, pejy 12]

Asehon’ireo sary fahiny fa teo amin’ny tsato-kazo tokana no novonoin’ny Romanina ny olona voaheloka ho faty

[Sary nahazoan-dalana]

Rare Books Division, The New York Public Library, Astor, Lenox and Tilden Foundations