Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Mila Mamaky Teny?

Nahoana Aho no Mila Mamaky Teny?

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Mila Mamaky Teny?

“Tsy mahavita miezaka mamaky teny aho, fa aleoko mijery tele.”—Margarita, 13 taona, Rosia.

“Raha afaka mifidy aho, dia aleoko milalao baskety toy izay mamaky boky.”—Oscar, 19 taona, Etazonia.

EKENAO angamba fa tena ilaina ny mahay mamaky teny, raha nahavaky hatreto amin’ity fehezanteny ity ianao. Na izany aza anefa, dia mety ho toy ny fihinanana fanafody ny fiheveranao ny famakiana boky na lahatsoratra iray monja: Fantatrao fa mahasoa ilay izy, saingy aleonao tsy mihinana raha azo atao.

Nanadinadina tanora avy any amin’ny tany 11 ny Mifohaza!, mba hahalalana hoe nahoana no sarotra amin’izy ireo ny mamaky teny, ary inona no soa raisiny avy amin’izany. Toy izao ny valin-tenin’izy ireo.

Nahoana no sarotra aminao ny mamaky teny?

“Hoatran’ny zara raha mahita fotoana hamakian-teny aho.” —Semsihan, 19 taona, Alemaina.

“Ilana ezaka be ny famakian-teny, nefa izaho somary kamo.” —Ezekiel, 19 taona, Philippines.

“Halako ny terena hamaky zavatra tsy mahaliana ahy.”—Christian, 15 taona, Angletera.

“Mety hazoto hamaky ihany aho raha kelikely ilay boky. Tsy mazoto kosa anefa aho, raha matevina be ilay izy.”—Eriko, 18 taona, Japon.

“Tsy mahavita mifantoka aho, fa mora variana amin-javatra hafa.” —Francisco, 13 taona, Afrika Atsimo.

Ampirisihina hamaky Baiboly ny tanora kristianina. (Salamo 1:1-3) Sarotra aminao ve izany? Nahoana?

“Tsy ho voavakiko hatramin’ny farany mihitsy angamba ny Baiboly. Ngeza be loatra tsinona ilay izy!”—Anna, 13 taona, Rosia.

“Tsy tena mahafinaritra ny ampahany sasany amin’ny Baiboly, fa mampiasa saina be.”—Jezreel, 11 taona, Inde.

“Sarotra amiko ny mamaky Baiboly tsy tapaka, satria mikorontana be ny fandaharam-potoanako.”—Elsa, 19 taona, Angletera.

“Tsy mora ilay izy, satria mila ho lany amin’ny raharaha ao an-trano sy ny entimody ny fotoanako.”—Zurisadai, 14 taona, Meksika.

“Mafy amiko ny mamaky Baiboly, satria hoatran’ny tsy vitako mihitsy ny mampihena ny fotoana ilalaovako.” —Sho, 14 taona, Japon.

Na dia mety ho sarotra aza ilay mamaky teny, inona no soa noraisinao avy tamin’ilay izy?

“Nampitombo ny fahalalako izany, ary lasa matoky tena kokoa aho rehefa miresaka amin’olona.”—Monisha, 14 taona, Inde.

“Mampitony ahy ny famakian-teny, ary mahatonga ahy hanadino ny zava-manahirana ahy.”—Alison, 17 taona, Aostralia.

“Misy toerana sasany tsy ho tongako mihitsy, nefa toy ny mitsidika azy ireny aho, rehefa mamaky teny.”—Duane, 19 taona, Afrika Atsimo.

“Rehefa mamaky teny aho, dia izaho mihitsy amin’izay no mamotopototra ny zavatra tiako hofantarina, fa tsy hoe miandry ny fanazavan’ny hafa fotsiny.”—Abihú, 16 taona, Meksika.

Inona no nanampy anao ho tia mamaky teny?

“Mbola kely aho dia efa nampirisihin’ny ray aman-dreniko hamaky amin’ny feo avo.”—Tanya, 18 taona, Inde.

“Nasain’ny ray aman-dreniko naka sary an-tsaina izay novakiko aho.—Daniel, 18 taona, Angletera.

“Nampirisihin’ny dadanay aho hoe izay boky mahafinaritra anao ao amin’ny Baiboly aloha vakina, toy ny Salamo sy ny Ohabolana. Lasa tiako izao ny mamaky Baiboly fa tsy mafy amiko.” —Charene, 16 taona, Afrika Atsimo.

“Vao efa-taona aho dia efa nomen’i Dada sy Neny latabatra sy fitoeram-boky, nisy ny boky rehetra notehiriziny ho ahy, hatramin’ny nahaterahako.”—Airi, 14 taona, Japon.

Nahoana no zava-dehibe ny famakiana Baiboly, araka ny hevitrao?

“Betsaka ny hevi-diso ananan’ny olona momba ny Baiboly, ka tsara kokoa raha ianao mihitsy no mikaroka izay tena marina.” (Asan’ny Apostoly 17:11)—Matthew, 15 taona, Etazonia.

“Marina fa ilana fisaintsainana be ny famakiana Baiboly. Manampy ahy anefa izany rehefa miresaka ny zavatra inoako amin’ny olona aho, satria azoko antoka sy mazava ny zavatra lazaiko.” (1 Timoty 4:13) —Jane, 19 taona, Angletera.

“Toy ny hoe miresaka amiko mihitsy i Jehovah rehefa mamaky Baiboly aho. Manohina ny foko ilay izy indraindray.” (Hebreo 4:12) —Obadiah, 15 taona, Inde.

“Miezaka ho tia mamaky Baiboly aho, satria voalaza ao ny fiheveran’i Jehovah ahy. Misy torohevitra tsara koa ao.” (Isaia 48:17, 18) —Viktoriya, 14 taona, Rosia.

Fotoana inona no amakianao Baiboly sy boky ara-baiboly?

“Manana fandaharam-potoana aho. Mamaky toko iray aho raha vao mifoha maraina.”—Lais, 17 taona, Brezila.

“Mamaky ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly aho, eny ambony lamasinina handeha hianatra. Efa-taona izay no efa nanaovako an’izany.” —Taichi, 19 taona, Japon.

“Mamaky ampahany kely amin’ny Baiboly aho, isan’alina alohan’ny hatoriako.”—Maria, 15 taona, Rosia.

“Mamaky pejy efatra amin’ny ‘Tilikambo Fiambenana’ na ‘Mifohaza!’ aho, isan’andro. Voavakiko ilay gazety iray manontolo, alohan’ny hahatongavan’ny manaraka.”—Eriko, 18 taona, Japon.

“Mamaky Baiboly aho isa-maraina, alohan’ny handeha hianatra.” —James, 17 taona, Angletera.

Hita araka izany, fa ho azonao antoka kokoa izay lazainao, ary hitombo ny fahalalanao, raha mamaky teny ianao. Hanampy anao ‘hanatona an’Andriamanitra’ koa ny famakiana Baiboly sy boky ara-baiboly, anisan’izany ity gazety ity. (Jakoba 4:8) Mazotoa foana àry mamaky teny, na dia mety ho sarotra aminao aza izany!

ERITRERETO IZAO:

▪ Nahoana ianao no mila mamaky ny Tenin’Andriamanitra?

▪ Ahoana no hahitanao fotoana hamakiana Baiboly sy boky ara-baiboly?—Efesianina 5:15, 16.

[Efajoro, pejy 16]

AMPIFANDRAISO AMIN-JAVATRA HAFA IZAY VAKINAO

Ampifandraiso amin’ireo zavatra efa fantatrao ny zavatra vakinao. Saintsaino ireto fanontaniana ireto:

Ampifandraiso amin’izay efa novakinao: Efa nisy toe-javatra na olana mitovy amin’izany ve, na koa olona manana toetra toy izany, tany amin’ny boky na gazety na tantara hafa novakiko?

Ampifandraiso amin’ny tenanao: Inona no ifandraisan’izany amin’ny zavatra iainako, ny kolontsaiko, na ny zava-manahirana ahy? Azoko ampiasaina mba hamahana ny olana mahazo ahy, na hanatsarana ny fiainako ve izany?

Ampifandraiso amin’ny manodidina anao: Inona no ampianarin’ity zavatra vakiko ity ahy momba ny zavaboary, ny tontolo iainana, ny kolontsaina samy hafa, na ny olana eo amin’ny fiaraha-monina? Inona no ampianariny ahy momba ny Mpamorona?