Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona Ilay Ota Voalohany?

Inona Ilay Ota Voalohany?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Inona Ilay Ota Voalohany?

ZAVA-DEHIBE amintsika ny valin’io fanontaniana io. Nahoana? Satria nisy fiantraikany teo amin’ny olombelona rehetra hatramin’izao, ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva an’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao [ny ota], ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Romanina 5:12) Nahoana anefa no niteraka vokany mahatsiravina toy izany ny fiotazana sy fihinanana voankazo iray monja?

Napetrak’Andriamanitra tao amin’ny zaridaina iray tsara tarehy i Adama sy Eva taorian’ny namoronany azy. Feno voankazo sy zavamaniry azo hanina tao. Ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” ihany no tsy navelan’Andriamanitra hohanin’izy ireo. Nanan-tsafidy izy ireo, ka afaka nifidy ny hankatò an’Andriamanitra na tsia. Nampitandremana anefa i Adama hoe: “Amin’ny andro izay ihinananao azy [ilay voankazo voarara] dia ho faty tokoa hianao.”—Genesisy 1:29; 2:17.

Ara-drariny ilay fandrarana

Tsy hoe nijaly i Adama sy Eva raha nankatò io fandrarana io. Azony nohanina daholo mantsy ny voankazo hafa rehetra tao amin’ilay zaridaina. (Genesisy 2:16) Ankoatra izany, dia tsy nanambany na niahiahy azy ireo hanao ratsy Andriamanitra, rehefa jerena ilay didy. Raha zavatra maharikoriko toy ny firaisana amin’ny biby na famonoana olona mantsy no nandrarany azy ireo, dia mety hisy hilaza fa manana fanirian-dratsy ny olona lavorary, ka nila norarana tsy hanatanteraka izany. Tsy fanirian-dratsy anefa ny misakafo fa voajanahary.

Misy mihevitra fa ny firaisana ara-nofo ilay voankazo voarara. Marina ve izany? Tsy milaza an’izany mihitsy ny Soratra Masina. Mbola irery mantsy i Adama rehefa nomen’Andriamanitra an’ilay fandrarana, ary azo antoka fa irery nandritra ny fotoana kelikely izy. (Genesisy 2:23) Nitso-drano an’i Adama sy Eva koa Andriamanitra hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” (Genesisy 1:28) Tsy hitso-drano azy ireo handika ny lalàny mihitsy Andriamanitra, ary avy eo hanameloka azy ireo ho faty noho ny fanaovany izany! (1 Jaona 4:8) Ankoatra izany, dia i Eva no nihinana voalohany an’ilay voankazo, fa avy eo vao nomeny i Adama. (Genesisy 3:6) Mazava àry fa tsy ny firaisana ara-nofo ilay voankazo.

Te hanao izay tiany fotsiny

Tena hazo mihitsy ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nametraka azy io Andriamanitra mba hampisehoany fa izy no manana ny zo hitondra ny olombelona noforoniny, ka handidy ny amin’izay tsara sy ratsy ho azy ireo. Tsy vitan’ny hoe nangalatra àry i Adama sy Eva rehefa nihinana an’ilay voankazo izay an’Andriamanitra. Nihoa-pefy koa izy ireo, ka nasehony fa te hanao izay tiany fotsiny izy. Mariho izay nolazain’i Satana, rehefa avy nandainga tamin’i Eva izy hoe “tsy ho faty” izy mivady raha mihinana an’ilay voankazo. Hoy izy: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.”—Genesisy 3:4, 5.

Tsy lasa nahafantatra ny tsara sy ny ratsy tahaka an’Andriamanitra anefa izy ireo rehefa nihinana an’ilay voankazo. Nilaza tamin’Andriamanitra aza i Eva fa ‘voafitaky ny menarana’ izy. (Genesisy 3:13) Fantany tsara anefa ilay didy nomen’Andriamanitra matoa naveriny nolazaina tamin’ilay menarana, izay nampiasain’i Satana hiresaka taminy. (Apokalypsy 12:9) Ninia tsy nankatò àry izy raha ny marina. (Genesisy 3:1-3) Tsy ny fitak’i Satana kosa anefa no nahatonga an’i Adama hihinana. (1 Timoty 2:14) Naleony nanaraka ny tenin’ny vadiny, toy izay hankatò an’ilay Mpamorona azy. Nifidy ny hanao izay tiany fotsiny toa an’i Eva izy.—Genesisy 3:6, 17.

Simba tanteraka ny fifandraisan’i Adama sy Eva tamin’i Jehovah, rehefa nifidy ny hanao izay tiany fotsiny izy ireo. Nanjary raiki-tampisaka tao amin’ny vatany koa ny ota. Marina fa velona an-jatony taona izy mivady. Nanomboka maty tsikelikely anefa izy “tamin’ny andro” nanotany, toy ny rantsankazo iray tapaka tamin’ny hazo naniriany. (Genesisy 5:5) Sambany koa izy ireo vao tsy nilamin-tsaina. Nahatsiaro tena ho nitanjaka izy ireo, ka nitady hevitra hiafenana an’Andriamanitra. (Genesisy 3:7, 8) Nenjehin’ny eritreriny izy ireo, nitebiteby, ary menatra. Nampikorontan-tsaina azy ireo ny ota, ka nahatsiaro tena ho meloka izy ireo.

Nitana ny teniny Andriamanitra ary nampihatra ny fitsipiny masina, ka nanameloka an’i Adama sy Eva ho faty, sy nandroaka azy ireo hiala tao amin’ny Saha Edena. Rariny ny azy. (Genesisy 3:19, 23, 24) Nafoin’izy ireo àry ny Paradisa sy ny fahasambarana ary ny fiainana mandrakizay, fa niditra kosa ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Tena zava-doza no nanjo ny olombelona! Nampanantena avy hatrany anefa Andriamanitra, taorian’ny nanamelohany azy mivady, fa hanafoana ny voka-dratsy rehetra ateraky ny ota. Tsy hampandefitra ny fitsipiny marina izy rehefa hanatanteraka izany.

Nanao fandaharana i Jehovah, ka nampiasa an’i Jesosy Kristy mba hanafahana ny taranak’i Adama sy Eva amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Genesisy 3:15; Matio 20:28; Galatianina 3:16) Hofoanan’i Jesosy ny ota sy ny vokatra rehetra aterany, ary hovany ho paradisa ny tany manontolo, araka ny nikasan’Andriamanitra azy tany am-boalohany.—Lioka 23:43; Jaona 3:16.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Ahoana no ahafantarantsika fa tsy ny firaisana ara-nofo ilay voankazo voarara?—Genesisy 1:28.

▪ Inona no dikan’ny fihinanana an’ilay voankazo voarara?—Genesisy 3:4, 5.

▪ Inona no fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanafoanana ny vokatry ny ota?—Matio 20:28.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Tsy ny firaisana ara-nofo ilay voankazo voarara

[Sary, pejy 28, 29]

Te hitovy tamin’Andriamanitra i Eva, ka tiany hoe izy ihany no handidy ny amin’izay tsara sy ratsy