Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Sambofiara sy ny Fanamboaran-tsambo

Ilay Sambofiara sy ny Fanamboaran-tsambo

Ilay Sambofiara sy ny Fanamboaran-tsambo

EFA 40 taona mahery izay no naha injeniera momba ny sambo ahy. Anisan’ny asako ny manao planina sambo isan-karazany, miaraka amin’ny milina sy ny fitaovana hafa mampandeha azy ireo. Nisy Vavolombelon’i Jehovah niresaka tamiko, tamin’ny 1963, tamin’izaho nipetraka tany Kolombia Britanika, Kanada. Nasehony ahy tao amin’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly, fa toy ny vata ny endriky ny sambofiaran’i Noa. Nanitikitika ny saiko izany, ka nanapa-kevitra ny hanadihady bebe kokoa aho.

Resahin’ny Genesisy fa tapa-kevitra ny handefa Safodrano teto an-tany Andriamanitra, mba handringanana ny ratsy fanahy. Nasainy nanamboatra sambofiara i Noa, mba hiarovana azy sy ny fianakaviany ary ny santionany tamin’ny karazam-biby teto an-tany. Nasainy natao 134 metatra eo ho eo ny halavan’ilay sambofiara, 22 metatra ny sakany, ary 13 metatra ny haavony. * Goavam-be tokoa izy io!

Ny endrik’ilay sambofiara

Nisy rihana roa ilay sambofiara, ary vao mainka nanamafy azy izany. Nahatratra 8 900 metatra toradroa ny velaran’izy rehetra raha natambatra. Tsy tantera-drano izy io satria hazo misy ditiny (karazana siprey angamba) no nanamboarana azy. Nasiana godorao koa tao anatiny sy teo ivelany. (Genesisy 6:14-16) Tsy voalaza hoe ahoana no nanakambanan’i Noa an’ireo hazo. Milaza anefa ny Baiboly fa efa nisy mpanefy varahina sy vy, na dia talohan’ny Safodrano aza. (Genesisy 4:22) Na ahoana na ahoana, dia fanaon’ny olona hatramin’izao ny mampiasa hazo kely mba hanakambanana hazo, rehefa manamboatra sambo sasany.

Nisy efitrefitra ilay sambofiara, ary nisy varavarana koa teo amin’ny lafiny iray. Nisolampy ny tafony, ary nety ho nisy lavaka maromaro teo ambanin’izy io mba hidiran’ny rivotra sy ny hazavana. Tsy lazain’ny Genesisy anefa hoe nisy lay, na fivoy, na zavatra hafa nampandeha azy ilay sambofiara. Teny hebreo iray ihany, raha ny marina, no niantsoana an’ilay “sambofiara” sy ilay harona nolalorina godorao, izay nasian-dreniny an’i Mosesy sy natsingevany teny ambonin’ny Reniranon’i Nil.—Eksodosy 2:3, 10.

Mahatohitra onja sy rivotra

Avo enina heny noho ny sakany ny halavan’ilay sambofiara, ary avo folo heny noho ny haavony. Mitovy amin’izany koa ny refin’ny sambo maro ankehitriny, saingy miankina amin’ny hafainganam-pandeha tadiavina no hamaritana ny halavany sy ny sakany. Natao hitsingevana fotsiny anefa ilay sambofiara. Ahoana tokoa no netezan’izany?

Arakaraka ny refin’ny sambo no hahatonga azy io hahatohitra onja sy rivotra, ka tsy hihilangilana rehefa eny ambony rano. Lazain’ny Baiboly fa oram-be nivatravatra no nahatonga ilay Safodrano. Tantarainy koa fa nisy rivotra nalefan’Andriamanitra taorian’izay. (Genesisy 7:11, 12, 17-20; 8:1) Tsy resahin’ny Soratra Masina hoe nanao ahoana ny herin’ny onja sy ny rivotra tamin’izany. Azo inoana anefa fa nahery sy niovaova toy ny ankehitriny izany. Lasa avo sy mielanelana kokoa ny onja, arakaraka ny hamafin’ny rivotra sy ny fahelany. Mety hiteraka onja mahery koa ny fihovitrovitry ny tany.

Anisan’ny nahatonga an’ilay sambofiara tsy hihilangilana sy tsy hivadika, ny refiny. Nahatohitra tsara ny onja mahery koa izy io noho ny fomba nanamboarana azy. Nety ho nijaly be ny olona sy ny biby tao anatiny, raha niaka-nidina nanaraka ny onja izy io. Tena nisy fiantraikany teo amin’ilay sambofiara koa ny onja mahery. Tsy maintsy mafy tsara izy io, mba tsy ho vaky avy teo afovoany rehefa nobatain’ny onja lehibe ny sisiny roa. Raha avy teo afovoany kosa ny onja no nibata an’ilay sambofiara, nefa tsy nisy nanohana ny sisiny roa, dia nety ho nivohitra avy teo afovoany izy io ary nitsontsorika ny lohany sy ny vodisambo. Nasain’Andriamanitra nataon’i Noa avo folo heny noho ny haavon’ilay sambofiara ny halavany. Efa betsaka anefa ny sambo simba vao hitan’ny mpanamboatra azy ireny, fa tena mety tsara io refy io mba hahatohitra ny herin’ny onja sy ny rivotra ny sambo.

Tafita soa aman-tsara

Mahitsizoro ny fanambanin’ilay sambofiara, ka mitovy ny hery ampiharin’ny rano aminy avy any aloha ka hatrany aoriana, mba hampitsingevana azy. Nifandanja tsara koa ny zavatra tao anatiny, ka tsy navesatra ila izy io. Azo inoana fa nozarazarain’i Noa tsara ny toerana nasiany ny biby sy ny tahirin-tsakafo ho azy ireo nandritra ny herintaona mahery. Nanampy an’ilay sambofiara tsy ho mora simba koa izany. Antony roa àry no anisan’ny nahatonga ny sambofiara sy ireo tao anatiny ho tafita soa aman-tsara tamin’ilay Safodrano: ny planina nomen’i Jehovah sy ny fiarovany. Nataon’Andriamanitra izay hipetrahan’ilay sambofiara teo amin’ny toerana nety tsara sy tsy nampidi-doza.

Hitako tamin’ny fanadihadiana lalina nataoko, fa tena mitombina izay lazain’ny Baiboly momba ny sambofiaran’i Noa, sady mifanaraka amin’ny fanamboaran-tsambo ankehitriny. Mazava ho azy fa tsy ny tsipiriany rehetra momba ilay sambofiara sy ny Safodrano no voatantara ao amin’ny Genesisy. Manantena ny hihaona amin’i Noa aho, indray andro any, rehefa hatsangana ny maty. Hiaina eto an-tany indray izy amin’izay, hiaraka amin’ny olona sy ny biby, izay tsy ho nisy intsony raha tsy teo ny asa mafy nataony nandritra ny taona maro. (Asan’ny Apostoly 24:15; Hebreo 11:7) Hisaotra azy sy ny fianakaviany aloha aho, ary hametraka fanontaniana be dia be avy eo.—Lahatsoratra nisy nanome.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Toy izao ny refy lazain’ny Baiboly: 300 hakiho ny halavany, 50 hakiho ny sakany ary 30 hakiho ny haavony. (Genesisy 6:15) Refy nampiasain’ny Israelita fahiny ny hakiho. Manomboka eo amin’ny kiho izy io ka hatreo amin’ny tendron’ny fanondroadala, ary 44,5 santimetatra eo ho eo.

[Efajoro/​Sary, pejy 22]

MODELIN’NY SAMBOFIARA

Azonao ampiasaina ilay modely eto ambany raha te hanamboatra sambofiara kely ianao, sady te hahita ny fandehany eny ambony rano. (Ampitomboy araka ny tokony ho izy ny refy ampiasainao, raha tianao ho lehibe kokoa ilay sambo.) Raha taratasy tsotra no ampiasainao, dia hosory labozia na lokoy amin’ny pensilihazo miloko izy manontolo mba tsy ho tantera-drano. Aforeto ilay taratasy avy eo ary asio lakaoly na scotch ny sisiny. Asio zavatra mavesatra ao anatin’ilay sambo, mba hilentika ao anaty rano ny ampahany aminy. Aza atao mihoatra ny antsasany anefa ilay ampahany milentika, sady aza atao latsaka ny ampahatelony. Azonao ampiasaina amin’izany ny vola madinika. Ataovy mifandanja tsara fotsiny ireo, ary asio lakaoly mba tsy hihetsiketsika.

Ataovy ao anatina zavatra lavalava toy ny tapaka barìka misy rano ilay sambo kely, mba hahitana hoe manao ahoana ilay izy rehefa misy onja. Atsobohy matetitetika ao anatin’ilay rano ny zavatra mitovitovy habe amin’ny biriky mba hiteraka onja.

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

AFORETO AFORETO

 

AFORETO AFORETO

[Sary]

Nitovitovy tamin’ny refin’ny sambo lehibe fahita ankehitriny ny refin’ny sambofiara

[Kisary/​Sary, pejy 20, 21]

(Jereo ny gazety)

Anoloana

Lafiny

Tampony

Anoloana

Lafiny

Tampony

[Sary]

Nitovitovy tamin’ny sambo “Titanic” ny haben’ny sambofiara

[Sary nahazoan-dalana]

Planin’i Titanic: Courtesy Dr. Robert Hahn/www.titanic-plan.com; sary: Courtesy of The Mariners’ Museum, Newport News, VA