Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oviana ny Faharatsiana no Nanomboka Nitombo Be?

Oviana ny Faharatsiana no Nanomboka Nitombo Be?

Oviana ny Faharatsiana no Nanomboka Nitombo Be?

OVIANA no nanomboka nitombo be ny faharatsiana, araka ny hevitrao? Tato ho ato ve, sa tamin’ny andron’ny havanao na namanao be taona kokoa noho ianao? Misy milaza fa lasa ratsy toetra lavitra noho ny taloha ny olona, nanomboka tamin’ny Ady Lehibe I, izay nipoaka tamin’ny 1914. Hoy i Robert Wohl, mpampianatra momba ny tantara, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Taranaka Tamin’ny 1914 (anglisy): “Nino ireo olona tsy maty tamin’ilay ady, fa nisy tontolo iray nifarana tamin’ny Aogositra 1914, ary nisy iray hafa nanomboka. Tsy afaka tao an-tsain’izy ireo mihitsy izany.”

Hoy i Norman Cantor, mpahay tantara: “Tsy nisy olona naneho toetra tsara tamin’ny mpiara-belona taminy intsony, na taiza na taiza. Efa nihavitsy rahateo ny olona nanao izany, talohan’izay. Nataon’ny mpanao politika sy ny manamboninahitra toy ny biby hoentina hovonoina ireo olona an-tapitrisany nofeheziny. Tsy mahagaga àry raha lasa nifampitondra toy ny bibidia ny olona, na teo aza ny fitsipika isan-karazany nifehy azy, anisan’izany ny avy amin’ny fivavahana. ... Tena nanjary tsy nisy vidiny intsony ny aina, satria olona tsy tambo isaina no novonoina tamin-kabibiana, tamin’ny Ady Lehibe I [1914-1918].”

Milaza i H. Wells, mpahay tantara anglisy sady mpino ny evolisiona, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Famintinana ny Tantara, fa taorian’ny fotoana ninoan’ny olona ny evolisiona no tena nanomboka “tsy niraharaha momba izay tsara sy ratsy” izy ireo. Nahoana? Nisy nihevitra fa biby ambony karazana fotsiny ny olona. Hoy i Wells, tamin’ny 1920: ‘Nihevitra izy ireo fa biby miara-monina toy ireny alika indianina mpihaza ireny ny olona, ka mahazo mihetraketraka sy manjakazaka izay lehibe sy matanjaka.’

Marina tokoa àry ny tenin’i Cantor. Niova tanteraka ny fiheveran’ny olona ny tsara sy ratsy, taorian’ny Ady Lehibe I. Hoy ihany izy: “Natao izay iheverana fa diso daholo izay nataon’ny olona talohan’ny ady, na teo amin’ny resaka politika, na fomba fitafy, na fiheverana momba ny firaisana.” Vao mainka koa nitombo ny faharatsiana, rehefa lasa nino ny evolisiona ny fivavahana sady nampirisika ny olona handeha hiady, na dia fanimbazimbana ny fampianaran’i Kristy aza izany. Hoy ilay jeneraly britanika atao hoe Frank Crozier: “Tena mahay mampirisika ny olona handatsa-dra ny Fivavahana Kristianina, ka nampiasainay araka izay tianay.”

Tsy noraharahaina intsony ny fitsipika momba ny fitondran-tena

Tsy noraharahain’ny olona intsony ny fitsipika momba ny fitondran-tena, taorian’ny Ady Lehibe I. Nantsoina hoe Taonan’ny Filibana ireo folo taona taorian’izy io. Nihevitra ny olona fa mety daholo izay rehetra ataony. Hoy i Frederick Allen, mpahay tantara: “Mety tsara raha antsoina hoe Folo Taonan’ny Tsy Fahalalam-pomba ireo folo taona nanarakaraka ny ady. ... Tsy nisy intsony ireo fitsipika momba ny fitondran-tena narahina teo aloha, izay nahatonga ny fiainana hahafinaritra sy hisy dikany. Tsy nisy fitsipika vaovao nisolo izany anefa.”

Somary nifehy tena kokoa ny olona teo anelanelan’ny 1930 sy 1940. Nisy Olana Ara-toe-karena Lehibe mantsy naneran-tany, ka lasa nahantra faraidiny izy ireo. Nipoaka indray anefa ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939. Vao mainka nahatsiravina kokoa noho ilay voalohany izy io. Nanamboatra fitaovam-piadiana mahery vaika ny tany maro. Nanjary nanana asa natao àry ny olona, ka tapitra hatreo ilay olana ara-toe-karena. Niteraka fijaliana sy horohoro tsy hay lazaina anefa ireny fitaovam-piadiana ireny. Tanàn-dehibe maro no rava tanteraka, rehefa nadiva hifarana ilay ady. Tany Japon ny roa tamin’izany. Baomba iray avy monja dia naharava azy ireo! An-tapitrisany no maty tany amin’ireo toby fitanana nampihoron-koditra. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy 50 tapitrisa teo ho eo no maty tamin’io ady io, raha atambatra.

Samy nanao izay saim-pantany ny olona teo amin’ny resaka fitondran-tena, nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy narahiny intsony ireo fitsipika efa nisy hatramin’ny ela. Hoy ny boky Fitiavana sy Firaisana ary Ady—Niova ny Fitsipika Narahina, 1939-1945 (anglisy): “Toa tsy nifehy ny filan’ny nofony intsony ny olona nandritra ilay ady. Izany mantsy no nataon’ny miaramila tany an’ady, ka notahafin’izy ireo. ... Nangotraka sy nampisavorovoro ny ady, ka tsy noraharahain’ny olona intsony ny fitsipika momba ny fitondran-tena. Lasa nitovy toe-tsaina tamin’ny miaramila tany an’ady ny olona tany amin’ny tanàna maro. Noheveriny ho tsy misy vidiny sy fohy ny fiainana.”

Natahotra ny ho faty foana ny olona, ka vao mainka nitady mafy olona hitia azy, na dia vetivety monja aza. Nanaram-po tamin’ny fijangajangana àry izy ireo, nandritra io vanim-potoana nihotakotaka io. Niezaka nanala tsiny izany ny vehivavy manambady iray, any Grande-Bretagne, ka niteny hoe: “Tsy hoe ratsy fitondran-tena izahay, fa ny ady fotsiny no nahatonga anay hanao an’ireny.” Hoy koa ny miaramila amerikanina iray: ‘Mihevitra anay ho ratsy fitondran-tena angamba ny ankamaroan’ny olona. Te hankafy ny fiainana fotsiny anefa izahay tamin’izany, satria mbola tanora, sady nety ho faty ny ampitson’iny.’

Maro tamin’ireo olona tafavoaka velona tamin’io ady io no nijaly be, noho ny zavatra nampihoron-koditra hitany. Mbola mijaly ny olona sasany ankehitriny, anisan’izany ireo mbola zaza tamin’ilay ady, rehefa mitamberina ao an-tsainy izay nitranga. Maro no nanjary tsy nanana fanantenana, sady tsy nahalala ny tsara sy ratsy intsony. Tsy nisy hasiny tamin’izy ireo intsony izay rehetra manana fahefana hametraka fitsipika momba ny tsara sy ratsy. Lasa nihevitra kosa izy ireo, fa miovaova araka ny zava-misy ny fitsipika arahina.

Fitsipika vaovao

Nisy fanadihadiana momba ny fitondran-tenan’ny olona eo amin’ny lafiny firaisana, navoaka an-tsoratra, taorian’ny Ady Lehibe II. Iray tamin’izany ilay natao tany Etazonia teo anelanelan’ny 1940 sy 1950. Nantsoina hoe Tatitr’i Kinsey izy io, ary nahatratra 800 pejy mahery. Vokatr’izy io, dia maro ny olona nanomboka sahy niresaka an-karihary momba ny firaisana, na dia tsy fanao loatra aza izany taloha. Marina fa voalaza, tatỳ aoriana, hoe nanitatra ny mpanoratra an’io tatitra io, satria be loatra ny antontan’isa nomeny momba ny firaisan’ny samy lehilahy sy ny firaisana hafa mamoafady. Voaporofo tamin’io tatitra io anefa fa tena niharatsy be ny fitondran-tenan’ny olona taorian’ny ady.

Niezaka nanaraka indray ny fitsipika momba ny tsara sy ratsy ny olona, nandritra ny fotoana kelikely. Nesorina, ohatra, izay zavatra tsy mendrika tao amin’ny radio sy filma ary tele. Tsy naharitra ela anefa izany. Hoy i William Bennett, minisitry ny fampianarana tany Etazonia: ‘Nanomboka tamin’ny taona 1960, dia tsy niraharaha ny fitsipika momba ny fitondran-tena intsony ny Amerikanina. Haingana be ilay fiovana, ary mbola mitohy hatramin’izao.’ Hita tany amin’ny tany maro koa izany. Nahoana no nitombo haingana ny faharatsiana, nanomboka tamin’ny 1960?

Nanomboka nitaky ny zony ny vehivavy tamin’io. Niova be koa ny fiheveran’ny olona ny firaisana, ary toa nisy fitsipika vaovao narahina momba izany. Ankoatra izany, dia nivoaka ny fanafody tsy maha bevohoka, izay tena mandaitra. Tsy natahotra ny ho bevohoka àry ny olona, ka nanjary fanao ny nanao firaisana, nefa tsy nisy fifanekena matotra.

Lasa tsy dia hentitra intsony koa ny gazety sy ny mpamokatra filma ary ny tele. Hoy i Zbigniew Brzezinski, filohan’ny Filan-kevi-pilaminana Amerikanina teo aloha, momba izay aseho ao amin’ny tele: ‘Mandrisika ny olona tsy hitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany sy hijangajanga [ireo fandaharana]. Atao koa izay iheveran’ny olona fa tsy ratsy ny habibiana sy ny fampijaliana.’

Nanomboka nalaza ny video, tamin’ny taona 1970 tany ho any. Afaka nijery samirery filma mampiseho an-karihary firaisana mamoafady àry ny olona, tany an-tranony. Tsy ho sahiny mihitsy anefa ny hijery izany tany amin’ny sinema, satria be olona any. Afaka mahita sary sy lahatsoratra faran’izay mamoafady ao amin’ny ordinatera koa ny olona eran-tany, tato ho ato, noho ny Internet.

Betsaka ny voka-dratsin’izany, sady mampivarahontsana. Hoy ny mpiambina fonja iray any Etazonia, vao haingana: “Folo taona lasa izay, dia mbola fantatry ny ankizy nigadra teto ny atao hoe tsara sy ratsy, rehefa niresaka tamin’izy ireo aho. Tsy mahafantatra an’izany intsony anefa ny ankizy miditra eto izao.”

Aiza no hahitantsika tari-dalana?

Tsy afaka manome tari-dalana momba ny fitondran-tena ny ankamaroan’ny fivavahana. Tsy mampirisika ny olona hanaraka ny toro lalan’Andriamanitra izy ireny, tsy mba toa an’i Jesosy sy ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany. Nanohana ny ady ny fivavahana, sady nilefitra tamin’ny faharatsiana. Hoy ny mpanoratra iray: ‘Samy nihevitra foana izay tafika niady hatramin’izay, fa manohana azy Andriamanitra.’ Hoy ny pretra iray any New York, taona maro lasa izay, momba ny fampiharan’ny fivavahana ny fitsipik’Andriamanitra: “Ny fivavahana no hany fikambanana milefitra loatra amin’ny olona ao aminy. Mbola hentitra kokoa aza ny fitsipika mifehy eny ambony fiara fitaterana, noho ny any am-piangonana.”

Hita àry fa misy zavatra maika ilaina hatao manoloana izao faharatsiana mitombo be izao. Inona anefa? Fanovana inona no ilaina? Iza no afaka manao izany, ary amin’ny fomba ahoana?

[Teny notsongaina, pejy 5]

Tena nanjary tsy nisy vidiny intsony ny aina, satria olona tsy tambo isaina no novonoina tamin-kabibiana, tamin’ny Ady Lehibe I [1914-1918]

[Sary, pejy 6, 7]

Tsy sarotra tadiavina ankehitriny ny fialam-boly ratsy