Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manangòna Harena Ara-panahy

Manangòna Harena Ara-panahy

Manangòna Harena Ara-panahy

MILA miezaka mafy sy mamoy zavatra sasany ianao raha te hanan-karena. Mila manao toy izany koa ianao raha te hanan-karena ara-panahy. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: ‘Manangòna harena ho anareo any an-danitra.’ (Matio 6:20) Tsy azoazo fotsiny ny harena. Tsy tonga dia lasa mpanankarena ny olona rehefa manana kaonty any amin’ny banky. Tsy tonga dia manan-karena ara-panahy koa ny olona manana fivavahana. Tokony ho tapa-kevitra hanao zavatra, hahafoy fotoana, hiezaka mafy, ary hamoy zavatra sasany ny olona iray, raha te hifandray akaiky amin’Andriamanitra sy hanana toetra kristianina.—Ohabolana 2:1-6.

Afaka manenjika bitro roa ve ianao?

Sady afaka ny ho mpanefohefo ve ny olona iray no hanan-karena ara-panahy? Mety hety angamba izany, kanefa tsy maintsy ho lasa an-tsirambina ny iray. Hoy i Jesosy: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo” (Matio 6:24b) Nahoana? Satria tsy afaka mifanindran-dalana ny fitiavan-karena sy ny fikatsahana harena ara-panahy. Izao àry no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny nampirisihany azy ireo hanangona harena ara-panahy: “Aza manangona harena ho anareo etỳ an-tany intsony.”Matio 6:19.

Inona no hitranga raha tsy miraharaha an’io torohevitr’i Jesosy io ny olona iray? Hoy i Jesosy: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny.” (Matio 6:24a) Raha sady manompo an’Andriamanitra tokoa ny olona iray no mikatsaka harena, dia ny fanompoana an’Andriamanitra foana no hoheveriny ho mpanelingelina, rehefa mandeha ny fotoana, na dia zava-dehibe taminy aza izany taloha. Tsy Andriamanitra intsony no ianteherany rehefa misy mampanahy azy, fa ny vola aman-karena. Tena marina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Izay misy ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”—Matio 6:21.

Mila misaintsaina an’io torohevitry ny Baiboly io ny Kristianina tsirairay, vao manapa-kevitra hoe ahoana no tokony hampiasany ny fotoanany ary inona no tokony hampifantohany ny sainy sy ny fony. Marina fa tsy feran’Andriamanitra ny habetsahan’ny harena tokony hananan’ny Kristianina. Tsy midika anefa izany hoe tsy hanasazy an’izay manana faniriana tsy mety afa-po izy. (1 Korintianina 6:9, 10) Raha tsy miraharaha ny torohevitry ny Baiboly ny olona iray, fa tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena, dia ho simba ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tsy hilamin-tsaina koa izy ary hikorontana ny fihetseham-pony. (Galatianina 6:7) Ho sambatra kosa izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, araka ny tenin’i Jesosy. (Matio 5:3) Mahalala izay mahasambatra sy mahasoa antsika tokoa ilay Mpamorona sy ny Zanany!—Isaia 48:17, 18.

Safidy tsy hanenenanao

Inona àry no hofidinao? Andriamanitra sa ny harena? Mazava ho azy fa mila miasa isika mba hahazoana izay ilaina. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” Nampirisihiny koa anefa ny Kristianina mba hitoky amin’Andriamanitra sy ‘hanan-karena amin’ny asa tsara’, fa tsy hitoky amin’ny vola. (1 Timoty 5:8; 6:17, 18) Inona àry no tokony hataonao loha laharana? Ny asa fitoriana sy fampianarana, izay nasain’i Jesosy hataon’ny mpanara-dia azy, no lehibe indrindra amin’ireo asa tsara noresahin’i Paoly. (Matio 28:19, 20) Ny handray anjara bebe kokoa amin’io asa io no mahatonga ny Kristianina hanatsotra ny fiainany, fa tsy ny hitsotsotra sy hankafy fiainana fotsiny. ‘Hanana harena ho an’ny tenany’, izany hoe hanana “fototra tsara ho amin’ny hoavy” izy ireo amin’izay, ka ho afaka hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Ary ho tsapany dieny izao fa ‘tsara noho ny volamena’ ny harena ara-panahy.—1 Timoty 6:19; Ohabolana 16:16; Filipianina 1:10.

Diniho izay nitranga tamin’i Eddie. Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviany, tamin’izy mbola kely. Fongotra ny fananan’izy mianakavy, indray mandeha, ka voatery niala tao amin’ilay trano nipetrahany izy ireo. Hoy i Eddie: “Efa nanahy foana aho hoe hanao ahoana izahay raha fongotra ny fanananay. Nitranga tokoa izany tatỳ aoriana. Nanome izay nilainay anefa i Jehovah, ka mbola nanan-kohanina sy fitafiana izahay. Niverina tamin’ny laoniny ihany ny fiainanay. Lasa zava-dehibe tamiko ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33. Tsy tokony hanahy ny amin’izay ilaintsika tokoa isika, raha ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana ny Fanjakan’Andriamanitra.” Manambady izao i Eddie ary mpiandraikitra mpitety faritany. Manana izay ilainy eo amin’ny fiainana izy mivady, kanefa mbola manana zava-tsarobidy kokoa noho izany, dia ny harena ara-panahy.

Valisoa tondraka

Maharitra mandrakizay ny harena ara-panahy, fa mety ho lasan’ny mpangalatra kosa ny harena ara-nofo. (Ohabolana 23:4, 5; Matio 6:20) Mora hita ny fitomboan’ny vola aman-karena. Sarotra kokoa anefa ny mahita ny fitomboan’ny harena ara-panahy. Tsy mora hita, ohatra, ny fitomboan’ny fitiavana, na ny fifaliana, na ny finoana. Tondraka anefa ny valisoa raisintsika, raha manankarena ara-panahy isika. Izao no nolazain’i Jesosy, momba ireo mpianatra namoy ny tranony sy ny asany, mba hikatsahana harena ara-panahy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy misy olona efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na reny na ray na zanaka na saha noho ny amiko sy ny vaovao tsara ka tsy hahazo avo zato heny amin’izao andro izao, dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy saha mbamin’ny fanenjehana, ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.”—Marka 10:29, 30.

Inona no ataonao loha laharana eo amin’ny fiainana? Andriamanitra sa ny harena?

[Sary, pejy 8, 9]

Mikatsaka vola aman-karena ve ianao . . .

. . . sa harena ara-panahy?