Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Maha Ratsy ny Mampiaraka Nefa Manafina?

Inona no Maha Ratsy ny Mampiaraka Nefa Manafina?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Maha Ratsy ny Mampiaraka Nefa Manafina?

Sahiran-tsaina i Jemima, * rehefa taratara taminy i Jery, ankizilahy mpiara-mianatra taminy. Hoy i Jemima: “Bôgôsy be mihitsy izy, ary nilaza tamiko ny namako fa tsy hahita ankizilahy tsara toetra hoatr’azy mihitsy aho. Efa nisy ankizivavy maromaro nanao izay hiarahana taminy, fa tsy nisy tiany. Izaho ihany no tiany.”

Tsy ela taorian’izay, dia nangataka tamin’i Jemima mba hiaraka aminy i Jery. Hoy i Jemima: “Nohazavaiko taminy fa Vavolombelon’i Jehovah aho, ka tsy afaka mampiaraka amin’ny ankizilahy tsy mitovy finoana amiko. Nahita hevitra i Jery tamin’izay, ka nilaza hoe: ‘Maninona moa raha miaraka isika fa tsy miteniteny amin’ny dadan-dry sy maman-dry fotsiny?’ ”

AHOANA no hataonao, raha olona manintona anao no milaza izany aminao? Ho gaga angamba ianao raha hilazana fa nanaiky i Jemima, tamin’ny voalohany. Hoy izy: “Tena nino aho fa raha miaraka izahay, dia ho afaka hanampy azy ho tia an’i Jehovah aho.” Inona no nitranga? Ho hitantsika izany rehefa avy eo. Hojerentsika aloha izao hoe nahoana no voatarika hampiaraka sy hanafina an’izany ny tanora kristianina fakan-tahaka sasany, toa an’i Jemima.

Inona no antony?

Mbola kely ny ankizy sasany dia efa mampiaraka. Hoy i Susan any Grande-Bretagne: “Nahita ankizy 10 na 11 taona aho, nefa efa manao sipa sahady!” Nahoana izy ireo no maika hampiaraka toy izany? Tsotra ny antony matetika: Eo ny fifanintonan’ny lahy sy ny vavy, ary manampy trotraka izany ny fampirisihan’ny ankizy hafa. Hoy i Lois any Aostralia: “Mitombo ny hormonina sasany ao amin’ny vatanao [ka mihamafy ny faniriana]. Ny ankizy koa moa mampiaraka daholo any am-pianarana.”

Nahoana anefa ny ankizy sasany no manafina an’izany? Hoy i Jeffrey any Grande-Bretagne: “Matahotra an’izay holazain’ny ray aman-dreniny angamba ry zareo.” Mitovy hevitra amin’izany koa i David, any Afrika Atsimo. Hoy izy: “Efa fantatr’ilay ankizy fa tsy hanaiky mihitsy ny dadany sy ny mamany, dia aleony tsy miteniteny.” Nilaza antony hafa koa ny ankizivavy iray atao hoe Jane, any Aostralia. Hoy izy: “Mampiaraka sy manafina an’izany ny ankizy sasany, mba hampisehoana hoe mahaleo tena izy. Mihevi-tena ho efa olon-dehibe mantsy izy, ka raha hitany hoe entina toy ny ankizikely izy, dia aleony manao izay tiany fa tsy milaza amin’ny ray aman-dreniny fotsiny. Ny manafina no mora indrindra.”

Mandidy anao anefa ny Baiboly mba hankatò ny ray aman-dreninao. (Efesianina 6:1) Tsy avelany hampiaraka ve ianao? Tsy maintsy misy antony tsara matoa izy ireo mandrara anao. Raha Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, ny ray aman-dreninao, dia tiany raha mpiray finoana aminao ihany no hiarahanao. Tiany koa raha efa samy vonona ny hanambady ianareo vao miaraka. * Aza gaga anefa raha mieritreritra toy izao ianao:

Mahatsiaro ho voa mafy aho satria mampiaraka daholo ny ankizy afa-tsy izaho.

Tiako izy nefa tsy mitovy fivavahana amiko.

Te hampiaraka amin’ny ankizy iray finoana amiko aho, na dia mbola kely loatra aza aho ka tsy afaka hanambady.

Fantatrao angamba hoe inona no holazain’ny ray aman-dreninao momba izany. Fantatrao koa angamba fa marina ny azy. Na izany aza, dia mety hitovy fihetseham-po amin’i Manami any Japon ianao. Hoy izy: “Mampirisika be ny ankizy hafa, ka misalasala aho indraindray raha tena tsy mety tokoa ny mampiaraka. Hafahafa be mihitsy izany hoe tsy mampiaraka izany amin’ny ankizy amin’izao fotoana izao.” Lasa mampiaraka ny ankizy sasany, rehefa tojo toe-javatra toy izany, ary manafina an’ilay izy amin’ny ray aman-dreniny. Ahoana no ataony?

“Nilazana izahay hoe: ‘Aza miteniteny’ ”

Mamitaka ny hafa ny olona, rehefa mampiaraka nefa manafina an’izany. Ny telefaonina na ny Internet no tena ampiasain’ny ankizy sasany, mba tsy hahatratrarana azy. Toy ny mpinamana fotsiny ry zareo rehefa eny imason’olona, fa hafa mihitsy rehefa mifanoratra amin’ny e-mail, na mifandefa hafatra na mifampiresaka amin’ny telefaonina.

Nilaza tetika hafa fanafenana an’ilay izy koa i Caleb any Nizeria. Hoy izy: “Manana teny manokana fampiasany ry zareo ary mampiasa anaram-bosotra, rehefa tafaraka amin’ny namany. Tsy mahalala izay resahin-dry zareo ny ankizy hafa amin’izay.” Misy indray manao fotoana amin’ny olona maromaro mba hiaraka hanao zavatra, nefa mampiaraka ry zareo aorian’izay. Hoy i James any Grande-Bretagne: “Ankizy maromaro izahay indray mandeha no nisy nanasa ho any amin’ny toerana iray. Rehefa tonga tany izahay vao nahita hoe hay ny tena anton’ilay izy, dia mba hahafahan’ny ankizy anankiroa hampiaraka. Nilazana izahay hoe: ‘Aza miteniteny.’ ”

Matetika no misy namana manampy an’ilay ankizy mampiaraka, araka ny nolazain’i James teo. Hoy i Carol any Ekosy: “Tsy maintsy misy namana iray, fara fahakeliny, mahafantatra an’ilay izy. Tsy milaza amin’iza na iza anefa izy io, satria efa ifanarahana ilay hoe ‘tsy miteniteny.’ ”

Matetika koa no mandainga tsotra izao ny ankizy mampiaraka. Hoy i Beth any Kanada: “Be dia be ny ankizy mandainga momba izay alehany, mba tsy hahafantaran’ny dadany sy ny mamany hoe mampiaraka izy.” Niaiky i Misaki any Japon fa izany mihitsy no nataony. Hoy izy: “Tsy maintsy namboamboariko tsara izay holazaiko tamin-dry zareo. Nitandrina koa aho, mba tsy handainga mihitsy tamin’ny zavatra hafa, sao tsy hatokisan-dry zareo intsony.”

Fandrika ilay izy

Alaim-panahy hampiaraka sy hanafina an’izany ve ianao? Sa efa izany mihitsy no ataonao? Na ahoana na ahoana, dia tsara ny handinihanao izao manaraka izao:

Inona no ho vokatr’ilay izy? Moa ve ianao mikasa hanambady an’ilay olona, nefa tsy hampiandry azy ela be? Hoy i Evan any Etazonia: “Toy ny manao dokam-barotra momba ny entana tsy hamidinao ianao, raha mampiaraka nefa tsy mikasa hanambady an’ilay olona akory.” Hoy koa ny Ohabolana 13:12: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo.” Tena irinao ve ny handratra ny fon’ny olona iray tianao?

Ahoana no fiheveran’i Jehovah Andriamanitra ny zavatra ataoko? Milaza ny Baiboly fa “ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay manao ampamoaka antsika.” (Hebreo 4:13) Koa na dia afeninao aza hoe mampiaraka ianao, na ny namanao, dia efa fantatr’i Jehovah ilay izy. Vao mainka tokony ho tonga saina ianao raha misy lainga amin’ilay izy. Tsy tian’i Jehovah Andriamanitra mihitsy mantsy ny lainga. Tanisaina miavaka tsara ho anisan’ny zavatra halany ny “lela fandainga” ao amin’ny Baiboly.—Ohabolana 6:16-19.

Tsy hahazo ny fiarovana azon’ny olona tsy manafina ianao, raha mampiaraka any ambadimbadika any. Tsy mahagaga àry raha manjary maloto fitondran-tena ny olona sasany mampiaraka nefa manafina izany. Nilaza i Jane any Aostralia, fa nisy namany tany am-pianarany nampiaraka ary nanafina an’izany. Mody hendry izy nefa maditra. Hoy i Jane: “Efa bevohoka izy vao fantatry ny dadany hoe nanana sipa.”

Koa raha misy olona iarahanao àry any, nefa tsy misy mahalala, dia tena tsara raha miresaka momba izany amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny Kristianina matotra iray ianao. Ary raha misy namanao manao izany koa, dia aza miray tsikombakomba aminy hanafina an’ilay izy. (1 Timoty 5:22) Ahoana tokoa moa raha misy vokany ratsy ny fiarahan-dry zareo? Tsy ho tompon’andraikitra amin’ilay izy koa ve ianao? Eritrereto hoe mangalatra mihinana zava-mamy ny namanao voan’ny diabeta. Ahoana raha tratranao izy, nefa miangavy anao mba tsy hiteniteny? Inona no tokony ho zava-dehibe aminao: Hanafina ny ataony, sa hanao zavatra hamonjena ny ainy?

Toy izany koa no izy, raha misy olona fantatrao hoe mampiaraka nefa manafina izany. Aza matahotra hoe tsy ho lasa mpinamana intsony ianareo! Raha tena namana izy, dia tsy maintsy ho tsapany any aoriana any fa izay tena hahasoa azy no notadiavinao.—Ohabolana 27:6.

“Fantatro hoe inona no tsy maintsy ataoko”

Niova hevitra i Jemima, ilay voaresaka tetsy aloha, rehefa nahare momba ny Kristianina iray hafa nangalatra nampiaraka. Hoy i Jemima: “Rehefa reko hoe nisaraka tamin’ilay ankizilahy izy, dia fantatro hoe inona no tsy maintsy ataoko.” Mora tamin’i Jemima ve ny nisaraka? Tsy mora mihitsy! Hoy izy: “Mbola tsy nisy ankizilahy tena tiako hoatr’izany hatramin’izay. Nitomany isan’andro aho, nandritra ny herinandro maromaro.”

Tia an’i Jehovah koa i Jemima, ary na dia somary nihataka tamin’ny fitsipiny aza izy, dia tena naniry hanao ny tsara. Nihasitrana ny ratram-pony rehefa nandeha ny fotoana. Hoy izy: “Mbola tsy nihatsara toy izao ny fifandraisako amin’i Jehovah. Tena misaotra azy aho fa manome tari-dalana antsika izy amin’ny fotoana tena ilantsika izany!”

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 9 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Rahoviana Aho vao Mahazo Mampiaraka?”, ao amin’ny Mifohaza! Janoary 2007.

ERITRERETO IZAO:

◼ Jereo indray ireo toe-javatra telo atao amin’ny sora-matevina eo amin’ny pejy 27. Iza amin’ireo no tsapanao indraindray, raha misy?

◼ Ahoana no hiatrehanao ilay olana, nefa tsy hangalatra hampiaraka?

[Efajoro, pejy 28]

Manafina sa mba Malina Fotsiny?

Tsy voatery ho mpamitaka daholo ny olona, raha mampiaraka nefa tsy mampahafantatra izany amin’ny hafa. Eritrereto hoe misy tovolahy sy tovovavy te hifankahalala bebe kokoa, ary efa ampy taona hanambady. Tsy tiany ho fantatr’olona loatra anefa ny fifandraisany, amin’ny voalohany. Hoy i Thomas: “Tsy tiany angamba raha adalain’ny olona ry zareo hoe: ‘Rahoviana ihany no hatao ny raharahanareo e?’ ”

Mety tsy ho tsara tokoa raha mampirisika be azy ireo ny manodidina. (Tonon-kiran’i Solomona 2:7) Noho izany, raha mbola vao manomboka miaraka ny olon-droa sasany, dia ara-dalàna raha tsy misehoseho izy ireo. Mila mitandrina anefa izy ireo mba tsy ho irery, rehefa miaraka. (Ohabolana 10:19) Hoy i Anna, 20 taona: “Manam-potoana tsara izy ireo amin’izay mba hahitana raha tena vonona hiaraka na tsia. Rehefa tapa-kevitra izy ireo, dia amin’izay vao mety hasehony amin’ny hafa fa miaraka izy.”

Misy anefa olona manana zo hahafantatra hoe misy olona iarahanao. Anisan’izany ny ray aman-dreninao na ny ray aman-dreniny. Tsy tsara raha afeninao amin’izy ireo izany. Raha tsy sahinao àry ny milaza an’izany amin’izy ireo, dia tokony hosaintsaininao ny antony. Sao dia mitovy amin’ny nataon’i Jemima no ataonao? Mety ho efa fantapantatrao ihany ve fa misy antony tsara tsy haneken’ny ray aman-dreninao an’ilay izy?

[Efajoro, pejy 29]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Hieritreritra toy izao angamba ianao rehefa avy namaky an’ilay lahatsoratra teo: ‘Mety hampiaraka ve ny zanako nefa hanafina izany amiko?’ Nilaza antony maromaro mety hahatonga ny ankizy halaim-panahy hanao izany ireto tanora ireto. Mariho izay nolazainy ary eritrereto ny valin’ireo fanontaniana eo ambany.

“Mitady ankizilahy na ankizivavy any ivelany hampahery azy ny tanora sasany, satria tsy misy mampahery azy ao an-trano.”—Wendy.

Tena mila anehoana fitiavana sy ampaherezina ny ankizy. Inona no azonao atao mba hanomezana azy an’izany? Mbola misy azonao hatsaraina ve amin’io lafiny io? Inona avy no azonao hatsaraina?

“Tamin’izaho 14 taona, dia nisy ankizilahy nangataka ahy mba hiaraka aminy. Nanaiky aho, satria tena tiako izany hoe hisy ankizilahy hisakambina ahy izany.”—Diane.

Ahoana no hataonao, raha zanakao i Diane?

“Raha manana telefaonina finday ianao, dia mora ny manafina hoe mampiaraka. Tsy ho fantatry ny ray aman-dreninao mihitsy ilay izy!”—Annette.

Inona no fepetra azonao raisina mahakasika ny fampiasan’ny zanakao finday?

“Mora amin’ny ankizy ny manafina hoe mampiaraka izy, rehefa tsy manara-maso tsara izay ataony ny ray aman-dreniny, sady tsy mba miezaka hahafantatra hoe iza no miaraka aminy.”—Thomas.

Inona no azonao atao mba hahafantaranao bebe kokoa ny fiainan’ny zanakao, nefa tsy haneritery azy be loatra?

“Tsy ao trano ny ray aman-dreny matetika rehefa ao ny zanany. Na matoky be loatra ny zanany izy, ka mamela azy handeha any amin’izay alehany miaraka amin’olon-kafa.”—Nicholas.

Eritrereto hoe iza no naman’ny zanakao akaiky indrindra. Fantatrao tsara ve hoe inona no ataony rehefa tafaraka izy?

“Mety hangalatra hampiaraka ny ankizy, rehefa hentitra be loatra ny ray aman-dreniny.”—Paul.

Ahoana no azonao ampisehoana fa “mahay mandanjalanja” ianao, nefa tsy mampandefitra ny lalàna sy toro lalana ao amin’ny Baiboly?—Filipianina 4:5.

“Nihevi-tena ho tsy nisy dikany aho tamin’izaho 13 taona tany ho any, ary naniry mafy mba hanehoana fiheverana. Nanomboka nifanoratra tamin’ny e-mail izaho sy ny ankizilahy iray anisan’ny fiangonana tsy lavitra anay, ary raiki-pitia taminy aho. Nahatsiaro tena ho niavaka tamin’ny rehetra aho, nony niaraka taminy.”—Linda.

Mety ho afaka nahazo izay notadiaviny tao an-tranony ihany ve i Linda? Tamin’ny fomba ahoana?

Tena tsara raha dinihinao miaraka amin’ny zanakao ilay lahatsoratra ato sy ity efajoro ity. Ny fifampiresahana tsy an-kifonofono sy amim-pahatsorana no vahaolana tsara indrindra, mba hanampiana ny ankizy tsy hanafinafina. Marina fa mila fotoana sy faharetana ny olona iray, mba hamantarana izay ilain’ny tanora. Tsy very maina anefa izany ezaka izany.—Ohabolana 20:5.