Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Araka ny fandinihana iray, dia atahorana kokoa ho faty ny reny atao sezarienina, raha oharina amin’ny reny miteraka amin’ny fomba ara-dalàna.—OBSTETRICS AND GYNECOLOGY, ETAZONIA.

Nametraka izao fanontaniana izao tao amin’ny Internet, i Stephen Hawking, mpahay siansa: “Ahoana no mbola hahatafavoaka velona ny olombelona ato anatin’ny 100 taona, raha jerena izao korontana misy eo amin’ny fiaraha-monina sy ny politika, ary ny tontolo iainana izao?” Hoy izy, iray volana tatỳ aoriana: “Tsy voavaliko io fanontaniana io. Izany no antony nametrahako azy. Tiako hieritreritra momba azy io ny olona, sady hahatsapa fa tandindomin-doza isika ankehitriny.”—THE GUARDIAN, GRANDE-BRETAGNE.

Misy 14 tapitrisa ka hatramin’ny 19 tapitrisa isan-taona, no mararin’ny tazomoka any Tanzania. Miisa 37 tapitrisa ny mponina any. “Olona 100 000 eo ho eo isan-taona no matin’ny tazo any amin’io tany io.”—THE GUARDIAN, TANZANIA.

Trondro Miaro ny Fahadiovan’ny Rano

Mampiasa karazan-trondro mitovitovy amin’ny bilakibasy ny toeram-pamatsian-drano any amin’ny tanàna maro any Amerika Avaratra, mba hanaraha-maso ny fahadiovan’ny rano fisotro. Tena mora andairan’ny zavatra simika ao anaty rano mantsy io trondro io. Manazava toy izao ny gazety iray: “Fenoina rano avy ao amin’ny famatsian-dranon’ny tanàna foana ny dobo kely misy ireo trondro. Misy fitaovana kely hanaraha-maso tsy tapaka ny fisefony, ny fidoboky ny fony ary ny filomanosany. Miova ireo zavatra ireo raha sendra misy poizina ny rano.” Hoy ihany ilay gazety: “Nisy gazoalina kely ny rano” tao amin’ny toeram-pamatsian-dranon’ny tanànan’i New York, indray mandeha. ‘Nahatsikaritra izany adiny roa talohan’ny fitaovana fanaraha-maso hafa rehetra ireo trondro.’ Vokatr’izany, dia voasakana tsy ho tonga tany amin’ny mpanjifa ny rano nisy poizina.

Nampitomboina ny Nikôtinina

Ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka, dia misy fanentanana maro atao mba hialan’ny olona amin’ny sigara. Milaza anefa ny gazety The New York Times, fa nampitomboin’ireo orinasa mpanamboatra sigara “10 isan-jato” ny fatrana nikôtinina (poizina) ao amin’ny sigara vokariny “tato anatin’ny enin-taona farany.” “An-tsokosoko” no anaovany izany. Mahatonga ireo mpifoka hiankin-doha bebe kokoa amin’ny sigara izany. Hita vao haingana avy tamin’ny milina iray fanandramana sigara, fa ataon’ireo orinasa mpamokatra sigara izay “hahatonga ny tanora vao manomboka mifoka ho zatra sigara. Ataony koa izay tsy hahafaka an’ireo nifoka efa ela.” Hita tamin’ny andrana natao, fa “saika ny karazan-tsigara rehetra no mamoaka fatrana nikôtinina izay mahatonga ny olona ho tena hiankin-doha.”

Solon-tanana Baikoin’ny Atidoha

Bory hatreo amin’ny sorony ny tanan’ny lehilahy iray mipetraka any Etazonia, noho ny loza nanjò azy, ary mampiasa solon-tanana baikoin’ny atidohany izy izao. Afaka mianika tohatra sy mampiasa borosy fandokoana ary mamihina ny zafikeliny mihitsy izy. Milaza ny fampahalalam-baovao Cable News Network, fa “solon-tanana elektronika baikoin’ny atidohany ny tanana havian’io lehilahy io. Rehefa te hanakombona ny tanany izy, ohatra, dia mibaiko izany avy any an-tsainy, ary ny herinaratra avoakan’ireo selam-pitatitra izay nampifandraisina tamin’ilay solon-tanana no manatanteraka ilay fihetsika.” Mamoaka herinaratra kely mantsy ny atidoha mba hanetsehana ny hozatra. Fitaovana elektronika no mandray io herinaratra kely io, ary mampita izany ao amin’ny ordinatera kely iray ao amin’ilay solon-tanana. Ilay ordinatera kely indray avy eo no mibaiko ireo milina manetsika ilay solon-tanana. Mahavita ny fihetsika sasany ataon’ny kiho sy ny felan-tanana àry ilay solon-tanana.

An’arivony ny Karazam-biby sy Zavamaniry Vaovao Fantatra!

Milaza ny gazety Fenua Info any Tahiti, fa efa ho 17 000 ny karazam-biby sy zavamaniry vaovao fantatra isan-taona. Bibikely ny telo ampahefatr’ireo. Biby manana taolan-damosina ny 450 eo ho eo amin’ireo biby vaovao fantatra, ka trondro ny 250 amin’ireo, ary biby mampinono ny 20 ka hatramin’ny 30. Karazam-boalavo sy ramanavy kosa ny androatokon’ireo biby mampinono hita vao haingana. Milaza ilay gazety fa “karazan-drajako vaovao iray isan-taona no hita”, ary mahagaga ny mpahay siansa izany. Nahitana karazany vaovao koa ny hazo sy ny zavamaniry.