Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Hahavelona ny Taranaka Hoavy ve ny Tany?

Mbola Hahavelona ny Taranaka Hoavy ve ny Tany?

Mbola Hahavelona ny Taranaka Hoavy ve ny Tany?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KANADA

▪ Nandinika momba ny ekôsistema (fifandraisana misy eo amin’ny zavaboary sy ny tontolo manodidina azy) ireo manam-pahaizana momba ny tontolo iainana, tao anatin’ny efa-taona. Izao no voalaza tao amin’ny tatitra voalohany nataon’izy ireo: ‘Nitombo be ny sakafo, rano madio, hazo, kofehy, ary solika nilain’ny olona tao anatin’ireo 50 taona farany, ka niteraka fiovana lehibe mbola tsy nisy toy izany teo amin’ny ekôsistema. Mety tsy hahavita hamelona ny taranaka hoavy intsony ny tany noho izany. Be loatra ny filan’ny olona, ka lasa tsy araky ny zavaboary intsony ny famindrana vovobony, ny fanadiovana ny rivotra, ary tsy mandeha tsara intsony ireo tsingerina maro samihafa ataon’ny ranomasina. Be dia be koa ny karazana biby sy zavamaniry atahorana ho lany tamingana.’

Hoy ny gazety Gilaoby sy Taratasy (anglisy) eto Kanada: “Mbola tsy simba be toy izao ny tany hatramin’izay, noho ny nataon’ny olombelona. Atahorana hanimba haingana ny zavaboary izany ka hirongatra ny aretina, ho ripaka ny ala, ary hitatra ny faritra tsy misy hazandrano sy zavamaniry any an-dranomasina. ... Be dia be ny toerana misy biby sy zavamaniry lasa simba be ka tsy azo arenina intsony. Anisan’izany ny heniheny, ny ala, ny tampon-tanety, ny vinany, ary ny moron-dranomasina fanjonoana. Ireo anefa no manadio rivotra sy rano, ary mampisy an’ireo tsingerina izay mahatonga ny singa mahavelona ny zavaboary hisy foana.” Nilaza koa ireo manam-pahaizana fa mety ho vitan’ny olona ihany ny hampihena ny fahasimbana, kanefa “mitaky fiovana lehibe eo amin’ny fampiasan’ny olona ny zavaboary izany.”

Mbola azo avotana àry ve ny Tany? Eny! Koa satria isika no nasain’Andriamanitra hikarakara ny zavatra noforoniny, dia tokony hiezaka mafy isika mba hanaja ny tontolo iainana. (Salamo 115:16) I Jehovah Andriamanitra “Mpanao” antsika ihany anefa no tena afaka hanarina ny simba rehetra amin’ny zavaboary. Mampanantena izy fa hataony ‘mahavokatra be’ ny tany amin’ny hoavy. (Joba 35:10; Salamo 65:9-13) Handray an-tanana ny fikarakarana ny ranomasina sy ny zavamiaina rehetra ao anatiny koa izy. Hainy tsara mantsy ny mifehy ny ranomasina. (Salamo 95:5; 104:24-31) Tsy maintsy ho tanteraka izany fampanantenany rehetra izany, satria “tsy mahay mandainga” izy.—Titosy 1:2.

Mampahery ny mahafantatra fa mbola afaka hamelona ny taranaka hoavy ny tany. Velom-piderana an’Andriamanitra àry ireo matahotra azy, noho izy be fahendrena sy hery, tsara toetra, ary tia an’ireo zavatra noforoniny.—Salamo 150:1-6.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Gilaoby: NASA photo