Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fiarovan-tenan’ny Voangory

Ny Fiarovan-tenan’ny Voangory

Nisy Namorona Ve?

Ny Fiarovan-tenan’ny Voangory

▪ Tena miavaka ny karazana voangory iray noho ny fomba fiarovany tena. Tsy ampy roa santimetatra akory ny haben’izy io. Rehefa misy mitady hanafika izy, dia mampifantsitsitra ranoka avy ao amin’ny vodiny. Mangotraka sy misy etona ary mahery fofona ilay ranoka, ka mampandositra ny hala sy ny vorona ary ny sahona.

Diniho izao: Misy “fihary roa” ao amin’ny kibon’io voangory io. Misy kitapo kely mitahiry asidra sy zavatra simika mahery ao amin’ny fihary tsirairay. Misy kitapo feno rano miharo anzima koa ao. Avoakan’ilay voangory mankao amin’izy io ilay asidra sy zavatra simika, rehefa miaro tena izy. Rehefa mifangaro ao izany, dia miteraka ranoka simika mangotraka sy mahery fofona ary misy etona. Tifirin’ilay voangory amin’iny izay mitady hanafika azy. Iray milimetatra latsaka ny haben’ireo kitapo feno rano, nefa vitan’ilay voangory ny manovaova ny hafainganam-pandehan’ilay ranoka avoakany sy ny haditin’izy io ary ny lalana andefasany azy.

Mandinika an’io karazana voangory io ny mpikaroka, mba hahafahana manamboatra fitaovana mampifantsitsitra ranon-javatra, izay tsy manimba tontolo iainana nefa mandaitra. Hitan’izy ireo fa misy lavaka iray idiran’ny zavatra simika mankao amin’ilay kitapo feno rano, ary tsy afaka miverin-dalana ilay izy. Lavaka hafa kosa no ivoahan’ilay ranoka mangotrakotraka rehefa mandefa azy io ilay voangory. Tian’ireo injeniera hampiharina io zavatra hitany tamin’ny voangory io, rehefa manamboatra maotera sy famonoana afo ary fitaovana fampifantsitsirana fanafody izy ireo. Hoy i Andy McIntosh, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Leeds, Angletera: “Nandinika ny voangory izahay mba hianarana teknika vaovao sy hahaizana mamoron-javatra. Mbola tsy nisy nanao fikarohana toy izany mihitsy. Tsy nanampo hiana-javatra betsaka avy amin’io bibikely io izahay.”

Ahoana no hevitrao? Avy amin’ny kisendrasendra ve sa nisy namorona ny fiarovan-tenan’ny voangory, izay be pitsiny tokoa?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Oxford Scientific/photolibrary