Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ny 8 isan-jaton’ny mponin’i Alemaina sisa no mihevitra fa misy ifandraisany amin’ny fivavahana ny fankalazana atao ny alin’ny 24 Desambra. Ny 47 isan-jaton’ny mponina any anefa no nieritreritra toy izany tamin’ny 1980.—MPILAZA VAOVAO N24, ALEMAINA.

“Sambany izao teo amin’ny tantara[n’i Etazonia] no maherin’ny 1 isan-jato ny olon-dehibe naiditra am-ponja ... Efa ho 1 600 000 izao ny Amerikanina voafonja.”—THE NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa nahitana karazana fanafody famonoana bibikely iray, fara fahakeliny, tao amin’ny vatan’ny “Espaniola rehetra nanaovana fitsirihana.” “Voasokajy ho anisan’ny zavatra tena manimba ny fahasalamana [anefa] ireny karazam-panafody ireny.”—ONIVERSITEN’I GRENADE, ESPAINA.

“Avo 500 heny noho ny vola ampiasaina hampihenana ny famokarana sigara sy paraky ny hetra miditra amin’ny fanjakana avy amin’izy ireny”, any amin’ny tany sasany.—FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAHASALAMANA, SOISA.

Betsaka noho ny Katolika Romanina izao ny Silamo. Tamin’ny 2006, dia nolazaina fa Silamo ny 19,2 isan-jaton’ny mponina eran-tany ary Katolika Romanina kosa ny 17,4 isan-jato.—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, GRANDE-BRETAGNE.

Fomba Vaovao Hitsitsiana Solika

Miakatra foana ny vidin-tsolika ary mampanahy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Mitady fomba hitsitsiana solika àry ireo tompon-tsambo, ary miezaka mampihena ny setroka avoakan’ny sambony. Nanandrana nampiasa lay atsingevan’ny rivotra izy ireo mba hampandehanana sambo, araka ny tatitra nataon’ny gazety Frankfurter Allgemeine Zeitung. Alefa eny amin’ny 300 metatra eny ana habakabaka io lay io mba hatosiky ny rivotra. Tsy mila alefa mafy ny maoteran’ny sambo noho izany. Nasiana lay mirefy 160 metatra toradroa, ohatra, ny sambo iray mpitatitra entana, mba hanampiana azy hiampita ny Ranomasimbe Atlantika.

Tsy Matin’ny Hain-tany

Nilaza ny gazety Science News fa “tsy matin’ny hain-tany ny olitra avy amin’ny atodin-dalitra iray atsy Afrika, satria miova ho mafy toy ny vatomamy.” Polypedilum vanderplanki no anaran’io lalitra io. Rehefa tena mafy ny hain-tany, dia esorin’ilay olitra ny rano ao amin’ny selany, ary soloany zavatra madity toy ny siramamy natsonika izay lasa mivaingana. Mitsahatra tsy miasa ny taovany, aorian’izay. “Toy ny maty” izy amin’izay, ary afaka mijanona toy izany mandritra ny 17 taona, mandra-pahatongan’ny rotsakorana manaraka, izay mamelona azy indray.

Toerana Mety Tsara Ijerena ny any Ambony Tsy Taka-maso

Nametraka fitaovana fijerena ny any ambony tsy taka-maso tao Dome Argus, ireo manam-pahaizana avy any amin’ny firenena maro. Azo baikoina avy lavitra izy io. Any amin’ny 4 000 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina no misy an’i Dome Argus, izay toerana avo indrindra any amin’ny faritra atsinanan’ny Tendrontany Atsimo. Sahabo ho arivo kilaometatra avy eo amin’ny Tendrontany Atsimo no misy azy io. Tena mangatsiaka any sady maizim-be indraindray. Maina be ny rivotra ary mitsoka malefaka. Alina foana koa ny andro any, mandritra ny efa-bolana. Any Dome Argus no voalaza fa toerana mety indrindra ijerena ny any ambony tsy taka-maso. Hoy i Lifan Wang, mpiandraikitra ny toerana nataon’ny Sinoa ijerena ny any ambony tsy taka-maso, any amin’ny Tendrontany Atsimo: “Tena tsara ny sary azo eto, toy ireo nalaina avy any ambony tsy taka-maso ihany. Tsy mandany vola koa izy io raha oharina amin’ny fandefasana teleskaopy any ambony any.”